Manomboka misy mpiahy, anefa mbola tsy ampy famatsiana [ Ambohitranala +43 andro]



Toy izao ny fijery ny tanànan’i Manakana II ankehitriny [+59 andro taorian’ny afo], isaorana ny MAF amin’ny fanolorany ireo sary avy amin’ny fiara-manidina, nadika tamin’ny efg-herten.de

+43 andro taorian’ny nianjadian’ny voina tany amin’ny fokontany Ambohitranala, Kaominina Androrangavola, Distrika Marolambo [Toamasina, MD] izay kilan’ny afo tanteraka tamin’ny Alarobia 18 Oktobra 2006 lasa [452 tafo potika, Malagasy 1998 tsy manankialofana], dia tsy mbola nahazoana sary ny tanànan’Ambohitranala nohon’ny setroka vokatry ny doro-tanety manjaka amin’iny faritra iny. Azontsika alaina sary an-tsaina anefa satria in-droa heny sy tapany [2,5 x] mihoatra amin’ny tanànan’i Manakana II [184 tafo potika] no halehiben’ny tanànan’Ambohitranala [452 tafo potika].

Toy izao no azo ambara amin’ny rohim-pifanampiana efa mipetraka ka azo ampiasaina ankehitriny :

– ny Fiangonana Protestanta Batista « Fanantenana » any Herten [Hoffnungskirche, Evangelisch Freikirchliche Gemeinde Herten, DE] izay manao fanangonana hamatsiana an’i Manakana II, dia mamatsy koa ny MAF amin’ny fitaterana amin’ny fiara-manidina ireo fitaovana nangoniny.

– Ho famatsiana ireo tanàna tra-boina, izay fitaovana tonga eo amin’ny MAF [Mission Aviation Fellowship ao Madagasikara|Hangar apitan’ny Tiko eny Ivato, Antananarivo] dia ezahiny ampiarahina amin’izay entana ho any Manakana II ka apetrany eo Sahakevo [0:30 ora amin’ny fiara-manidina].

– Eo Sahakevo, ny mponin’i Manakana II sy Ambohitranala no andeha haka sy hitatitra an-tongotra ireo entana [dian-tongotra 4 ora].

– Isaorako manokana ny FKMSM [Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina] izay voalohany nanome famatsiana vonjy maika [urgence] hoan’ireo mponina ao Ambohitranala, na dia efa tapitra ela aza ny fehim-potoana fametrahana fangataham-panampiana [fetra hoan’ny fangatahana 30 Oktobra 2006].

– Manolotra Baiboly 5 sy Fihirana 5 ary Filazantsara 10 kosa ny Feon’ny Filazantsara [Voix de l’Evangile, Lutheran Hour Ministries eto Madagasikara] izay sampan’asan’ny International Lutheran Laymen’s League [ILLL, St-Louis , Missouri, USA] ary miara-miasa amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy [FLM] nanomboka tamin’ny 13 May 2000 RFF [Radio Feon’ny Filazantsara, sampan’asa ao amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy, FLM].

Mbola marobe ireo zavatra ilaina ka izay tsy afaka manatitra eny Ivato avy hatrany ho fanohanana ireo tra-boina dia afaka mamatsy sahady ireo Fiangonana roa ireo :
– hoan’Ambohitranala > FKMSM,
– raha hoan’i Manakana II kosa >EFG Herten.

Inoako fa TSY MILA KABARY fanampiny ny toe-draharaha, anefa manantena kosa ny firaisankinantsika Malagasy.

Ambohitranala +28 andro >>

Ambohitranala +23 andro >>

Ambohitranala +14 andro >>

Ambohitranala +10 andro >>

vakio koa ‘Vonjy hoan’i Manakana II’ [Malagasy Miray] >>

8 réflexions sur “Manomboka misy mpiahy, anefa mbola tsy ampy famatsiana [ Ambohitranala +43 andro]

  1. Hay ve nisy toejava-nampalahelo toy izany tany e. Manmpahery ny mpiray tanindrazana tra-boina, dia mivavaka ho azy ireo. Andriamanitra anefa tsy manome zay tsy zaka, fa dia misaotra azy @ zava-drehetra, ny Tompo anie hanokatra ny masom-panahintsika tsirairay avy ahitantsika zava-mahagaga ao anatin’ny fitsapàna toy itony. Aza mitsahatra fa mivavaha mandrakariva. Ciao.

  2. Na dia tara aza i aro vao mandefa fampaherezana dia aza omena tsiny fa be erehina tsy afa-mitsidika matetika. Kanefa mety mba misy soa kely entiny ihany ny fahataràna. Sa ahoana ry Tomavana?

  3. Amiko tsy tara velively satria tsy misy ny kisendrasendra fa « miara-miasa hahasoa ny zava-drehetra »
    Tamin’ireny fotoana ireny dia nifanojo amin’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra ny fifidianana ho filoham-pirenena dia tsy hita tamin’ny vaovao mihintsy. Taoriana indray dia nifanesy ireo rivo-doza sy tondra-drano izay mbola maro ireo voa any Avaratra-Andrefana >> 😦 Tsy foana ny fampaherezena entinao satria tena mbola sahirana ny olona any. Misaotra anao mahatsiaro azy ireny amim-bavaka.

Répondre à Madagascar en cendres ? at Blogin’i harinjaka Annuler la réponse.