Tanàna kilan’ny afo, 452 tafo potika, Malagasy 1998 tsy manankialofana [Ambohitranala, MD]

Par : tomavana

Oct 28

Catégorie: fanohanana

7 Commentaires

« … Ny Alarobia 18 Oktobra 2006, tamin’ny 3 ora tolakandro, dia, main’ny afo tsy misy noraisina ny tanàna Ambohitranala, Kaominina Androrangavola, Distrika Marolambo [MD]. Trano miisa 452 tafo no potika, ary anisan’izany ny trano fiangonana F.L.M., izay eo akaikin’ny tanàna (trano mirefy 16M x 10M). Olona 1998 1993 no traboina, tsy manankialofana. Manao izao tatitra izao izahay mila vonjy aty aminareo … »
« … Mpanao ny tatitra : Botovary Tsarahoela, Chef de Fokontany, Ambohitranala | Mpanatrika manao sonia : Lesolo Rémi, Ben’ny tanàna Commune Rurale Androrangavola | Mpitan-tsoratra : Andrianarisolofo Fanomezana, Pastora FLM, Mpitondra Fileovana Androrangavola | natao teto Androrangavola ny 20 Oktobra 2006 … »

Vao voaraiko avy any Madagasikara dia izao ampitaiko etoana izao ity tatitra voina ity, mazava ho azy fa azoko antoka ny olona nampita ny vaovao.

Zavatra telo no ho marihiko :

1. Saro-dalana ny faritr’i Marolambo [fahalalana tsotsotra ny ahy] ka ara-dalàna ny roa andro nanaovan’ireo mpitondra hafatra ny elanelana fokontanin’Ambohitranala sy ny Commune Rurale Androrangavola.

2. Ny isan’ny velona no tanisain’ny mpitatitra fa ahiako ho maro ny namoy ny ainy tamin’ny ady amin’ny afo. Falafa ny ankamaroan’ny trano ary tsy misy fitaovana mahomby hiadiana amin’ny afo.

3. Manakaiky ny Fahavaratra sy ireo orana, ireo rivo-mahery, ireo làlana tapaka, ets … Fohy ny fotoana raha te hanao zavatra hoan’ireo velona.

Tsy mbola misy gazety Malagasy mitatitra ity voina ity, ka raha misy maheno vaovao fanampiny dia mba ampitao azafady.

7 commentaires sur “Tanàna kilan’ny afo, 452 tafo potika, Malagasy 1998 tsy manankialofana [Ambohitranala, MD]”

  1. Mampalahelo tokoa ity voina ity. Ary tsy nolazainy ve ny anton’ny niavian’ny loza ?

  2. Tsy milaza ny antony ilay tatitra nandalo teto ambany masoko. Ampitaiko arak’izany ihany izay vaovao azoko.

  3. […] Mirehitra i Madagasikara […]

  4. […] Fiangonana narodana hiarovana amin’ny afo ireo trano 4 sisa mijoro tao an-tanàna [Ambohitranala, MD] […]

  5. […] Voina tsy misy mpiahy [Ambohitranala, MD] « malagasy […]

  6. […] Manomboka misy mpiahy, anefa mbola tsy ampy famatsiana [ Ambohitranala +44 andro] […]

  7. […] izay nambaran’izy ireo aho anefa dia tsy nanatrika vaovao an-tsary intsony indrindra raha nahatsiaro ireo trano maro may tany amin’ny faritry Marolambo tamin’ny taon-dasa nifanin… aho dia sarotra amiko ny mino fa ireo kabary sy prôpagandy samihafa ireo no hany « vaovao […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :