Fiangonana narodana hiarovana amin’ny afo ireo trano 4 sisa mijoro tao an-tanàna [Ambohitranala, MD]

Par : tomavana

Nov 1

Catégorie: fanohanana

3 Commentaires

Nahazoana fanampim-baovao avy any amin’ny fokontany Ambohitranala, Kaominina Androrangavola, Distrika Marolambo [MD] izay kilan’ny afo tanteraka tamin’ny Alarobia 18 Oktobra 2006 lasa teo [452 tafo potika, Malagasy 1998 1993 tsy manankialofana].
Voalohany aloha dia tsy misy aina nafoy. Manarak’izany, fantatra izao fa mpivahiny mandalo ny tanànan’Ambohitranala no nahandro sy nanadino tsy namono tsara ny afony. Fotoam-pambolena anefa izao ka dia tany an-tsaha avokoa ny ankamaroan’ny vatan-dehilahy raha nanomboka nitatra ny afo.

Ny olona tao an-tanàna vitsy, ireo fitaovana tsy ampy, tara ny fiadiana tamin’ny afo izay nivadika haingana ho hain-trano ary dia izao nitatra eran’ny tanàna izao.
Nony tafaverina tao an-tanàna ireo vatan-dehilahy tany an-tsaha dia voatery narodana ny trano fiangonana FLM, mba hamonjena ireo trano 4 hany sisa mijoro.

Amin’ny ho avy, ny mponina ao Ambohitranala dia nandray fepetra mba hisian’ny mpiambina hatrany, izany hoe tsy maintsy misy vatan-dehilahy mijanona ao an-tanàna.

Farany, raha vao nandre ny tatitra voina ny MAF [Mission Aviation Fellowship ao Madagasikara] dia lasa nisidina amim-piaramanidina nitazana ny tanàna [27 Oktobra 20006] sy nanombatombana izay mety ho ilaina . Efa misy vola kely avy amin’ireo ONG sy ireo Mission [misahana fitoriana ny filazantsara any Madagasikara] miara-miasa azo natolotra sy napetraka any an-toerana ho vonjy rano-vaky. Tsy mbola misy hetsika heno kosa avy amin’ny fitondram-panjakana. Roa herinandro aty aoriana dia tsy mbola mivoaka amin’ny filazam-baovao [radio, gazety, tv] ihany ity voina ity.

tatitra voina voalohany >>

lohahevitra sahala >>

 

3 commentaires sur “Fiangonana narodana hiarovana amin’ny afo ireo trano 4 sisa mijoro tao an-tanàna [Ambohitranala, MD]”

  1. Manam-baovao ksa ianao an!

  2. Misaotra amin’ny tsidika ry jentilisa a! Mason-tsokina ihany ny antsika e, ka izay kely ananana no ahiratra.

  3. […] Tra-boina tsy misy mpiahy [Ambohitranala +28 andro] […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :