Efa mihatsara ny andro aty Soisa. Tsy nisy latsaky ny 24° C ny maripàna tamin’iny herinandro lasa teo iny. Taorian’ny ririnina izay matetika nikobohana antrano, dia efa eny ivelany indray izao no andaniako ny andro. Ny masoandro rahateo tsy milentika raha tsy amin’ny 21:30 ora alina. Tsy mahagaga izany raha mihena arak’izany ny lahatsoratra eto amin’ity blaogy ity.

Heveriko ho isan’ny ampahany manjombona amin’ny tantaran’ny Malagasy no tsarovana anio, dia ny fifandonana niseho tamin’ny 13 Mey 1972 … tamin’ny samy Malagasy. Iriako rahateo ny tsy hisian’izay aina hafa hafoy mandritra izao fotoam-pahatsiarovana izao. Angamba mbola hisy fotoana hiresahako momba izany indray andro any fa androany aloha … dia lohahevitra hafa mihitsy no horesahiko aminareo eto.

Novakiako tamin’ny gazety Soisa androany maraina [jereo ery amin'ny faran'ny lahatsoratra ny rohy], ary nahavelom-panontaniana ahy ny lahatsoratra mikasika izay “rohy tsy hita maso izay mamatotra ireo Afrikana monina aty Eorôpa amin’ny fianakaviany” tavela any Afrika. Ny fomban-drazana izay manery ny fandefasam-bola no tondroiny amin’io “rohy tsy hita maso” io. Raha adika mazava izany dia ireo seraseram-bola izay mipetraka anivon’ny fianakaviana sy ireo mpila-ravin’ahitra Afrikana monina aty Eorôpa no novelabelariny tao.

Lisez la suite »


« … nisy haintrano izay namotika tafo 83 tamin’ny Asabotsy lasa teo tany Taolagnaro [Fort-Dauphin, Faradofay, Farady | 26 Aprily 2008] [...]

Na dia tsy nisy aina nafoy aza, dia mahatratra 318 ireo ireo tsy manankialofana ka ny 236 amin’ireo dia ankizy avokoa, araky ny tatitry ny gazety miteny frantsay [...]

Trano lay aman-jatony no novelarina ao an-tokotanin’ny Hôpitaly mba ho fialofan’ireo traboina.
Nanolotra solon-tsakafo miisa 200 ho fanampiana ireo tra-boina ny Biraom-pirenena momba ny fitantanana ny loza voajanahary [BNGRC | Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes, 200 kits alimentaires]. »

[Un incendie détruit 83 maisons dans le sud de Madagascar - xinhuanet.com >>]

Na dia nikaroka aza aho dia tsy hitako izay gazety Malagasy namoaka ity vaovao ity izay naparaiaky ny vohikala fampahalalam-baovao Shinoa xinhuanet.com ity ary nomen’ny vohikalan’ny gazety jeuneafrique.com ako. Anjaran’ny mpamaky ny mandray azy ho toy ny feon-dakolosy tokana, izany hoe vaovao mbola ilàna fanamarinana.

Lisez la suite »

Rehefa nody maina tsy nahazo tapakilan’ny andiany faha-33 ny Paléo Festival Nyon aho dia nihevitra fa afaka hiala vokona amin’ny andiany faha-42 ny Montreux Jazz Festival izay nivoaka omaly ny fandaharana. Nisy siosio nandeha mantsy fa hiverina hilalao any ny namana manantalenta Gregoire Maret, hanontrona ny tarika Marcus Miller.

Hoan’ireo mpiangaly Jazz sy mozika, dia mahasintona tokoa raha tombanana amin’ny halavan’ny lisitr’iro mpanakanto kalazalahy sy kalazavavy izay handray anjara mandritra ny 16 andro : Abdullah Ibrahim [Jazz], Al Jarreau [Jazz], Alicia Keys [Soul], Buddy Guy [Blues], Herbie Hancock [Jazz], Joan Baez [Folk], Lenny Kravitz [Pop], Leonard Cohen, Paul Simon [World], Quincy Jones, Sheryl Crow [Country] sns … [notononiko araky ny abidy ]

Lisez la suite »

Araky ny efa nambara teo aloha dia nisokatra androany Alarobia 16 Aprily 2008 tamin’ny 12:00 ora tsy diso [Soisa ny mpikarakara fa aza adino] ny fivarotana tapakila hoamin’ny Paléo Festival Nyon 2008. Mba hialana ireo olona mifanitsakitro, sady tamin’ny taona lasa 4 ora “vao” lany ireo tapakila, dia tamin’ny 14:00 ora tolakandro aho vao nigadona tany am-pivarotana tapakila.

Akory ny hafaliako fa toa nahomby ny tetika satria tsy misy tolona intsony teo amin’ny manodidina 8) Kinanjo nambaran’ilay mpivarotra tao fa ora iray sy tapany monja [01:30 h] dia lanin’ny mpanjifa ireo tapakila miisa 170′000 izay namidy mivantana koa tamin’ny alalan’ny Aterineto 8O Lisez la suite »


Efa re ihany ny siosion-dresaka nandeha saingy tsy nahazo alàlana ny hamoaka izany talohan’ny tompony. Fa androany, tamin’ny fivoahan’ny fandaharana tamin’ny fomba ofisialy vao voamarina ilay resaka fa isan’ireo sangany vitsy nasaina handray anjara amin’ny Paléo Festival Nyon 2008 ny tarika K.O.L.O izay tarihin’ny namana mpihira Malagasy Eric Kolo, ny Asabotsy 26 Jolay 2008 amin’ny 20:00 ora alina.

Tsy afaka anaovana andraso-andraso fa Voafetra ho 35′000 isan-kariva ny isan’ny tapakila amidy hoan’ny Paléo Festival, raha ny tamin’ny taon-dasa dia 4 ora monja dia tapitra ny 80%-n’ireo tapakila, ka dieny fisokafan’ny fivarotana tapakila ny Alarobia 16 Avrily 2008 amin’ny 12:00 ora tsy diso izany dia hisy ireo filaharam-be isaky ny toerana fivarotana tapakila mahazatra aty Soisa, afaka manandrana koa mividy mivantana ao amin’ny vohikala www.paleo.ch >> … ilana faharetana sy vintana.

« ¿ Porqué ? » [Nahoana ?] feon’i Eric Kolo mandravaka ny sarimihetsika « Quiero vivir » nototonsain’i Muriel Brener ary nivoaka ny taona 2006 [bande original du film documentaire].

Lisez la suite »

« Vonjeo ny taninay » [Vohay ny lanitrao Andriamanitray ô, ka midina Ianao vonjeo ny taninay ...] Ny Ako | Isaorana an’i Charlesramaroson

Ny Tarika Kristiana Malagasy Ny Ako dia hanatanteraka andian-drindran-kira izay hitetezany firenena 5 aty Eorôpa [Soisa, Frantsa, Belzika, Hôlanda, Angletera] mandritra ity lohataona 2008 ity. Jereo amin’ny rohy ery ambany ny antsimpirihan’ny fandaharam-potoana [fampisehoana, fivavahana, sakafo, sns ...].

Lisez la suite »


« Tsy miova Jesosy » [Tsy miova Jesosy hatramin'ny taloha, fa izay sitrapony dia tanteraka avokoa ...] Vonjy sy Fara Andriamamonjy | Isaorana an’i masombahiny

Misy rindrakira hiderana an’Andriamanitra andraisan’ny mpanakanto Kristiana Malagasy Vonjy sy ny tarika Ny Ako anjara, ny Asabotsy 5 Aprily 2008, manomboka amin’ny 20:00 ora alina atao any Collonges-sous-Salève [Chapelle du Campus Advantiste du Salève, chemin du Pérouzet 33, 74160-Collonges-sous-Salève, FR].

Lisez la suite »


« Aman-tapitrisany ireo vehivavy tra-katerena imasom-bahoaka »

Ireo rivomahery izay nifanesy vao tsy ela tany Madagasikra dia nampiharihary ny fahosan’ireo fiaraha-monina any an-tanindrazana eo amin’ny lafiny fitantanana ny rano madio fisotro. Efa nambara teto ihany ireo vonjy maika notakiana mba hiarovana ireo zaza latsaky ny 5 taona miisa 50′000, amin’ny lozan’aretina samihafa ateraky ny fisotroana rano voaloto.

Taona iraisam-pirenena ho fanentanana amin’ny fampiasana toeram-pivoahana sy fidiovana manara-penitra [madio, miaro amin'ny fitanjahana, misaraka tanteraka amin'ny korian-drano fisotro] ity taona 2008 ity. Amin’izao 20 Martsa 2008 izay ankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny rano izao [World Water Day | Journée Mondiale de l'eau] dia tsara ihany ny mampahatsiahy ireo tombontsoa andrandraina [na tanjona kendrena] ho azo avy amin’ny fanadiovana [wwd08 | sanitation | assainissement] vokatry ny fanatsarana ireo toeram-pivoahana sy fidiovana :
Lisez la suite »

12076933.jpg
Rivomahery Ivan, Alatsinainy 18 Febroary 2008, sary nindramina tany amin’ny rakotonews.blogspot.com >>

[traduit du français - Prévention cyclonique (2) : comment ? >>]

[tapany voalohany - Fiomanana hisorohana ireo takaitran’ny rivomahery (1) : Inona no ilana izany ? >>]

Amin’ny fomba ahoana no ametrahana izay fiomanana mahomby hisorohana ireo takaitran’ny rivomahery ?
Any amin’ireo firenena manan-katao, dia zary efa fahazarana ka dia tsotsotra ny raharaha, na dia mbola misy hatrany aza ireo fahasimbana satria tsy misy azo atao mba iadiana mahomby sy hanakanana ireo fahasimbana vokatr’ireo rivomahery mahery vaika.

Na dia izany aza, n’aiza n’aiza toerana ipoiran’ny rivomahery dia tsy maintsy hajaina ireo toro-marika hentitra, mazava ho azy fa raha afaka ampahalalan’ny manam-pahefana  mialoha ny vahoaka ny fahatongavan’izany rivomahery mpandrava izany. Marina fa tsy afaka manafoana ireo rivomahery ny zanak’olombelona saingy kosa afaka miomana sy miary ireo loza amin’ny alalan’ny fitiliana sy fanaraha-maso ny toetr’andro, sy ny fanapariahana ireo fampandrenesana vonjy taitra hoan’ny vahoaka, ary ny fametrahana fepetra mikasika ireo fitsipika tokony harahina mba hanatsarana ny toe-draharaha.

Lisez la suite »

12076933.jpg
Cyclone Ivan, Alakamisy 21 Febroary 2008 fototra nindramana >>

[traduit du français - Prévention cyclonique (1) : pourquoi ? >>]

Tsy mbola tapitra akory ny tonon-taonan-drivomahery 2007-2008 anefa dia indro efa nahitana sahady rivomahery izay tena nahery vaika sahady na tany amin’ny ranomasina Atlantika na taty amin’ny Oseana Indiana izany. Mitombo isan’andro ny fitakian’ny fiomanana hisorohana ireo takaitran’ny rivomahery anefa mbola firenena maro no tsy ampy fampitaovana fisorohana tandrify izany dia isan’ny fanazavana ny fidangan’ireo olona nanjavona na koa tsy manan-kialofana.

Tsy hiverenako eto intsony izay antom-piforonan’ireo rivomahery, na ireo sokajy samihafa na ireo teoteotrany izay azonareo vakiana amin’ny teny Frantsay ao amin’ny “Fiches techniques” ao amin’ny blaogin’i mariesophie araky ny lohateny hoe “Tempêtes tropicales et cyclones.”

Ny mombamomba ireo faharavana izay entin’ireny voina voa-janahary ireny no hofakafakaiko eto sady hamaliako ity fanontaniana manaraka ity hoe : Inona no antony ilàna ireo fiomanana tandrify izay kendrena hisorohana ireo takaitran’ny rivomahery ?

Lisez la suite »