Certes, Tana est en flamme mais il ne fait pas bon d’habiter en province

Sary nadika tamin’ny pejy voalohan’ny gazety hiseho ny Talata 27 Janoary 2009 lexpressmada.com >>

Mbola tsaroako tsara aho raha nimenomenona an’i Obama noho izy nisarika ireo fahitalavitra sy haino aman-jery eran’izao tontolo izao, ka zara raha nisy nandre ny mikasika ireo vahoaka mahatratra 40’000 niharan-doza tamin’izany fandalovan’ireo rivomahery « kambana » Eric sy Fanele >> tany Madagasikara.
Tsaroako koa fa tsy tantiko mihitsy ny fahitana ny tsy fahampian’ny fitateran’ny haino aman-jery Malagasy ireo vaovao any an-toerana, naleon’ireo gazety mantsy nifantoka tamin’ny raharaha ifanolanan’i Ravalomanana Marc filoham-pirenena am-perin’asa sy Rajoelina Andry, ben’ny tananan’Antananarivo.
Mbola variana loatra tamin’ny fikatsahana ireo vaovao mikasika ireo faritra tsy mbola nahazahoam-baovao dia Ihorombe, sy Matsiatra-Ambony, sy Atsimo-Atsinanana ary Anosy aho. Hany ka tsy hitako mihitsy ny nihavian’ity Alatsinainy ity. Asa koa angamba, raha izaho mihitsy no tsy rotitra amin’izany.

Rehefa avy nandany androko omaly nikatsaka sy nitatitra momba izay zava-nitranga tsy nampoiziko iny aho. Inona moa izany fa andro iray fanampiny tsy ahafahan’ireo traboina miantehitra afatsy amin’ny tenany ihany indray iny andro iray iny.
Inona intsony koa moa no ambarako eo afatsy ny hoe raha mbola zo atao … dia aza mba mipetraka any amin’ny faritany ihany zalahy e !

FR
La semaine dernière je me vois encore pester contre Obama, le même qui a attiré toutes les caméras du monde laissant dans la quasi-indifférence totale le passage des cyclones « jumelles » Eric et Fanele sur Madagascar … et ses 40′000 personnes sinistrées >>.
Je me souviens aussi avoir pesté sur le manque de couverture médiatique au niveau nationale malgache, contre ces journaux qui ont choisi de plutôt se focaliser sur le conflit qui opposait Marc Ravalomanana, président de la République et Andry Rajoelina, maire de la capitale Antananarivo.
J’étais si obnubilé sur la pêche aux infos concernant d’éventuelles victimes des cyclones dans les régions d’Ihorombe, de la Haute-Matsiatra, d’Atsimo-Atsinanana et d’Anosy toujours pas publiées … que je n’ai vraiment pas vu venir ce lundi. Ou peut-être que cela ne me concernait pas vraiment.

Après avoir passé une journée à rapporter ces événements qui m’ont pris de court. Que dire, sinon que voici un jour de plus où les sinistrés devront se débrouiller seuls et ne devront compter que sur eux-mêmes.
Vous voulez savoir ce que je pense de tous cela ? Décidemment il ne fait pas bon d’habiter en province !

[Lundi noir, Tana s’enflamme – lexpressmada.com – 27.01.2009 >> ]

[Scènes de pillage en série – midi-madagasikara.mg – 27.01.2009 >> ]

**********************************************

FANAMPIM-BAOVAO :
– Nanomboka nipoiran’ny rotaka sy fandrobana ireo tanan-dehibe any amin’ny faritany ny Talata 27.01.2009.
– Any amin’ireo tanana any amin’ny faritany, azo ambara ho tonitony ihany ny andro androany Alarobia 28.01.2009, saingy zary napetraka any amin’izy ireny avokoa ny fandrarana fivezivezena [couvre-feu].
– Isan’ny maty any amin’ireo Faritany : Toliary 16, Antsirabe 4, Fianarantsoa 2, Toamasina 2, Sambava 1, Mahajanga 1.
– Miampy ireo olona may tao anaty trano fivarotana nisy nandroba dia tafakatra 68 raha kely indrindra ireo aina nafoy, 80 kosy araky ny fanisan’ny fitondram-panjakana Frantsay.
– Mandritra izany fotoana izany, izy roalahy tompon’andraikitra voalohany dia ny ben’ny tanana sy ny filoham-pirenena mbola variana mifanditra amin’ny hoe « tsy izaho no izy, fa izy ».

FR
– Une à une les localités de provinces sombrent dans la violence et les pillages le mardi 27.01.2009.
– Dans la plupart des villes de province, journée plus ou moins calme mais ce mercredi 28.01.2009 mais couvre feu presque généralisé.
– Nombre de morts en province : Toliara 16, Antsirabe 4, Fianarantsoa 2, Toamasina 2, Sambava 1, Mahajanga 1.
– Avec le charnier de 30 personnes découvert après l’incendie d’un magasin à Antananarivo, le décompte provisoire des victimes a brusquement pris l’ascenseur au minimum 68, selon les autorités françaises 80.
– Pendant ce temps, les deux principaux protagonistes, c’est-à-dire le maire et le président jouent encore à « c’est pas moi c’est lui ».

last : 22:11 [Dialogue de sourds – rfi.fr – 28.01.2009 >> ]

last : 22:11 [Madagascar: 68 morts depuis lundi, plus de 80 selon Paris – lematin.ch – 28.01.2009 >> ]

**********************************************

last : la françafrique est déjà de retour aux affaires >> analyse

last : Ra8 vs TGV pour les nuls >>
[Marc Ravalomanana vs Andry Rajoelina] par le cartoonist POV

last : Jereo ny vaovao an-tsarin’ny tvplusmadagascar.com >>
Suivez le JT en malgache

Henoy mivantana ny Radio Antsiva / Radio Don Bosco mivantana >> na @ ity rohy ity Radio Antsiva / Radio Don Bosco mivantana >> isaorana ny namana Rabeza

tweets #madagascar @ twitter >>

**********************************************

10 réflexions sur “Certes, Tana est en flamme mais il ne fait pas bon d’habiter en province

  1. je partage totalement ton amertume. j’ai EXACTEMENT le même réflexe la semaine dernière et l’arriàre-goût acide est encore là…

Laisser un commentaire