«Allons d’abord sauver le peuple … car nous ne sommes pas en bataille !» [le président est en noire] |
«Let us rescue the people first … we are not fighting !» [black shirt for the president] |
© Ndriana’09 – laverite.mg – 22.01.2009 >>
TALOHALOHA
Rehefa nifampihatsy nandritra ny herinandro maromaro dia nipoaka ny fifandonan’ireo mpanohana an’i Rajoelina Andry, ny ben’ny tananan’Antananarivo sy ireo mpanohana an’i Ravalomanana Marc, filoham-pirenena am-perin’asa.
Io sariitatra ambony io izay nivoaka tamin’ny Alakamisy lasa teo dia anehoan’i Ndriana ny fanantenana manify izay noheverina fa hampihemotra azy roalahy tsy hifandona, nohon’ny fahamaihana tokony mbola hamonjena ireo vahoaka mahatratra 40’000 niharan-doza taorian’ny fandalovan’ireo rivomahery kambana Eric sy Fanele >>.
Nody tampoka avy tany amin’ny fivoriana izay saika natrehiny tany Afrika Atsimo i Ravalomanana Marc omaly hariva. Tonga nitsena azy teny ireo mpomba azy marobe. Araky ny sary napariaky ny vohikalan’ny filoham-pirenena dia toa notorahin’olona ny fiara sasany tamin’ireo fiaran’ny kôrtezin’ny filoham-pirenena tamin’ny lalany nody avy eny Ivato. Izany moa dia taorian’ny nanambaran’ny filoha teny an-tserananm-piaramanidina fa ho hentitra ny raharaha manombok’izao, izay nadikan’ireo mpanara-maso ho toy ny antso avo ho fisamborana an’i Andry Rajoelina.
Tao anatin’ny fisavorovoaroana no nifohazan’Antananarivo io maraina io. Toa hoe nifandimby tapaka tsirairay ireo Radio tsirairay tao an-tanana. Ny vohikalan’ny gazety Soisa Le Matin sy ny RFI [Radio France Internationale] dia samy manambara fa nirehitra ny RNM [Radio Nasionalin’i Madagasikara]. Ary satria mbola mandeha ny rohy internet dia tsy mitsahatra ny mampita vaovao tweets ho ren’izao tontolo izao hatrany ireo namana dieny misy azo ambara.
Ireo vaovao hafa toy ny poa-basy, ireo olon-tsotra namoy ny ainy, ny tranon’ny Praiministra may sy mpanao politika hafa na koa ny fiomankomanan’ny fiaramanidin’ny filoham-pirenena hanainga … dia samy tokony iandrasana fanamarinana daholo aloha satria mivoatra malaky dia malaky ny raharaha … ary be ny tsaho amin’ny fotoana toy itony.
Araho ao amin’ny twitter ny tohiny >> na koa ato amin’ny mg.globalvoicesonline.org >>.
[PLUS TÔT]
Après des semaines de bras de fer l’affrontement a éclaté à la capitale de Madagascar entre les partisans de Andry Rajoelina, maire d’Antananarivo et ceux du président malgache Marc Ravalomanana.
Sur ce dessin de presse de jeudi passé, le dessinateur Ndriana illustrait le mince espoir que l’urgence de venir au secours des 40’000 personnes sinistrées par les cyclones « jumelles » Eric et Fanele >> allait calmer les ardeurs des deux protagonistes pour un temps.
Hier soir, le président est rentré précipitamment de l’Afrique du Sud. Ses nombreux partisans sont venus à sa rencontre dès sa descente d’avion. D’après des images publiées par le site présidentiel, le cortège semble avoir reçu des jets de pierre suite aux déclarations de fermeté du président à son retour qui présageait l’arrestation du maire Andry Rajoelina.
La capitale s’est réveillée dans la confusion ce matin. Il semblerait que les uns après les autres la quasi-totalité des radios de la capitale ont cessé d’émettre. Le sites de le Matin et RFI [Radio France Internationale] annoncent l’incendie de la radio nationale RNM [Radio Nationale de Madagascar]. Pour l’instant les connexions internet fonctionnent toujours et des amis sur place continuent de poster des tweets informant le monde des développements de la situation.
Les annonces de nouvelles telles que des coups de feu, des civils tués, l’incendie de la résidence du premier ministre et d’autres hommes politiques, l’avion du Président prêt à décoller … tout ceci devrait être confirmé d’abord, car la situation est très volatile … et les situations de ce genre tendent à favoriser les rumeurs.
Vous pouvez suivre la suite sur twitter >> et sur globalvoicesonline.org >>.
08:59 [Madagascar: la radio nationale saccagée, le maire de la capitale harangue la foule – lematin.ch – 26.01.2009 >> ]
11:03 [Madagascar: la radio nationale saccagée, le maire de la capitale harangue la foule – lematin.ch – 26.01.2009 >> ]
[Un rassemblement de l’opposition dégénère – rfi.fr – 26.01.2009 >> ]
**********************************************
FANAMPIM-BAOVAO 1 :
– Maro ireo vaovao mifanohitra ka tsy fantatra na nandao an’i Madagasikara an’Antananarivo i Ravalomanana Marc na tsia.
– Henoy ny antso an-tariby fijoroana vavolombelona nataon’i Moks [asa raha i Ramandimbilahatara Moks ??] izay ambaran’ny RFI ho mpanolotsaina akaikin’i Ravalomanana Marc. Norobain’olona marobe ny fananany rehetra, trano sy ireo fiarakodia efatra. Afaka nandositra ihany izy mianakvy ka tsy manahy. Saingy very ny fananany rehetra.
– Vaky Saika nanararaotra ny korontana sy handositra ireo gadra tao amin’ny ny fonjan’Antanimora.
– Nanao fanambarana tamin’ny Radio i Rajoelina Andry nangataka ny hitsaharan’ireo fandrobana sy hiverenan’ny filaminana ary hijoroan’ireo andrimasom-pokonolona sy fiambenana amin’ny alina. Nomeny baiko koa ireo mpamono afo mba hanao ny asany raha misy ny ilana izany dia hiaraka aminy ny tenany.
– Tsy misy andrenesam-peo na ny filoha amperin’asa, na ny Praiministra, na ireo Ministra sy tompon’andraikitra isan-karazany.
FR
– Toujours des nouvelles contradictoires à propos de la possible fuite à l’étranger de la capitale du président Marc Ravalomanana.
– Écoutez le témoignage de Moks [s’agit-il de Ramandimbilahatara Moks ??] que RFI présente comme étant un proche conseiller du président Ravalomanana « Une centaine de personnes sont venues, nous ont menacés, ont voulu incendier la maison, ils sont arrivés, ont tout saccagé, il ne reste plus rien… » Y compris 4 voitures … mais il a pu prendre sa fuite avec sa famille qui est saine et sauve. Mais il a tout perdu.
– Tentative Évasion généralisée de mutinerie à la prison d’Antanimora à Antananarivo.
– Le jeune mairie Rajoelina Andry vient de faire une déclaration à la radio demandant la fin du pillage et le retour tout en demandant « aux comités de vigilance des quartiers d’ériger des barrages pour sécuriser les intérêts des uns et des autres » et veiller durant la nuit. Il a aussi ordonné aux pompiers de faire leur travail, se proposant même de les accompagner personnellement.
– Toujours « silence radio » du côté de la présidence et des autorités en générale.
12:25 [Madagascar: la contestation menée par le maire de la capitale tourne à l’émeute – lematin.ch – 26.01.2009 >> ]
17:38 [Appels au calme après une journée d’émeutes Madagascar, le bras de fer se durcit – rfi.fr – 26.01.2009 >> ]
18:15 [Madagascar: un partisan du maire tué par balles – lematin.ch – 26.01.2009 >> ]
19:53 [Manifestations anti-gouvernementales à Madagascar – france-info.com – 26.01.2009 >> ]
**********************************************
FANAMPIM-BAOVAO 2 :
– Nanao fanambarana tao amin’ny radio niantso hoamin’ny filaminana koa ny Praiministra Rabemananjara Charles.
– Nifanaraka tamin’ny Rajoelina Andry Nanambara ny fisian’ny fahavononan’ny roa tonta amin’ny tokony hisian’ny fifanantonana hitadiavana vahaolana izy.
– Henoy ny tafatafa nifanaovan’ny Rabemananjara Charles tamin’ny mpanao gazetin’ny rfi.fr [rohy etsy ambany].
FR
– Le premier ministre Rabemananjara Charles a fait une déclaration à la radio appelant au calme.
– Il a aussi annoncé que des discussions étaient en cours la volonté de dialogue existait entre les deux protagonistes.
– Écoutez l’interview du premier ministre par rfi.fr [lien ci-dessous].
20:34 [Appels au calme après une journée d’émeutes Madagascar, le bras de fer se durcit – rfi.fr – 26.01.2009 >> ]
20:47 [Madagascar: appels au calme du Premier ministre et du maire d’Antananarivo – romandie.com – 26.01.2009 >> ]
[Madagascar: Radio station burns as riots turn deadly – observers.france24.com – 26.01.2009 >> ]
**********************************************
FANAMPIM-BAOVAO 3 :
– Jereo ny lahatsarin’ny vaovao tao amin’ny TV Plus, talohan’ny fanapahana izany fahitalavitra izany.
– Mialatsiny fa tsy azo jerena intsony ilay lahatsary [23:00 ora aty Eorôpa].
– Ny gazety l’Express de Madagascar hitranga rahampitso 27.01.2009 dia manambara olona 11 namoy ny ainy vokatry ny fifanosehana tamin’ny famakiana ny tranombarotra vaventy iray.
FR
– Vidéo de l’édition spéciale de TV Plus, avant que cette dernière ne cesse d’émettre.
– Désolé la vidéo vient d’être retirée [23:00 h en Europe].
– L’édition de l’Express de Madagascar pour demain 27.01.2009 annonce 11 morts consécutive à la bousculade pendant le pillage d’un grand magasin.
[Vidéo: édition spéciale vu sur TV Plus à Madagascar – dailymotion.com – 26.01.2009 >> ]
23:50 [Lundi noir, Tana s’enflamme – lexpressmada.com – 27.01.2009 >> ]
**********************************************
FANAMPIM-BAOVAO 4 :
– Toa nitohy nandritra ny alina manontolo ireo fandrobana.
– Naharenesana poa-basy manodidina ireny toerana ireny.
– Androany Talata 27.01.2009 vao maraina dia nanao fanambarana tamin’ny radio Rajoelina Andry hanafoanana ny fivoriana izay nokasaina notanterahina tao ampovoan-tanana fa hahemotra rahampitso.
– Mihidy ny ankamaroan’ny birao sy tranombarotra, tsy nandefa ny zanany hianatra ny vahoaka.
– Vitsy ireo gazety mivoaka androany.
– Nanao fanambarana koa i Ravalomanana Marc filoham-pirenena miantso amin’ny hamerenana ny fahatoniana sy ny fandriampahalemana.
– Nanomboka ny sava ranon’andon’ny fihaonana heverina hifampidinihan’izy roalahy. Saingy mety mbola haharitra ny raharaha satria samy mametraka fepetra mialoha izy roa tonta.
FR
– Les pillages semblent avoir duré toute la nuit.
– Des échanges de coups de feu ont été entendus aux alentours des endroits pillés
– Tôt ce mardi 27.01.2009 matin, Andry Rajoelina a reportée à demain la réunion prévu au centre de la capitale.
– La majorité des bureaux et magasins sont fermé, les parents n’ont pas envoyé leur enfants à l’école.
– Peu de titre de journaux aujourd’hui.
– Marc Ravalomanana président de la République est intervenu sur la radio, appelant appel au calme et a la retenue ainsi qu’au rétablissement de l’ordre.
– Les tractations autour de la probable rencontre entre le maire et le président ont commencé. Mais la négociation risque d’être longue comme les deux parties posent des conditions au préalable.
[Scènes de pillage en série – midi-madagasikara.mg – 27.01.2009 >> ]
07:27 [Madagascar, Appels au calme alors qu’une nouvelle manifestation est reportée ce mardi – rfi.fr – 27.01.2009 >> ]
08:39 [Madagascar: le président Ravalomanana appelle au calme et à la discussion – lematin.ch – 27.01.2009 >> ]
12:11 [Madagascar: climat à l’apaisement au lendemain de rassemblements ayant dégénéré – lematin.ch – 27.01.2009 >> ]
**********************************************
FANAMPIM-BAOVAO 5 :
– Niato aloha ny fifampidinihana izay nokasain’izy roalahy. Nambaran’i Rajoelina Andry ny nitakiany fepetra roa mialoha izany fifampidinihana izany dia ny fandroahana ireo mpikarama an’ady vahiny [Afrika Atsimo Kôngô ??] izay heveriny karamain’i Ravalomanana Marc sy ny fanolorana ilay miaramila nitifitra ka namono nahafaty omaly.
– Mikorotana koa ny tanana maromaro any amin’ny faritany any.
– Ao Antananarivo kosa, dia nanomboka ny fampandrian-tany ireo mpitandro ny filaminana.
– Nandefa fanambarana ny Fiadidiana ambony ny Zandarimariam-pirenena « mandrara ny fitangorongoroana mba ahafahana manavaka avy hatrany izay mpandroba ain’ny olon-tsotra. »
– Namoaka fanambarana ny tananan’Antananarivo fa Rarana ny mivezivezy manomboka amin’ny 21:00 ora alina ka hatramin’ny 04:00 ora maraina. Tokony mitondra taratasy fanamarinana toy ny kara-panondro sy ireo taratsy hafa mety ho ilaina ny tsirairay rehefa mivoaka ny trano.
– Mahazo alalana « hampiasa hery » raha ilaina izany.
– Azonao arahina mivantana amin’ireo rohy etsy ambony ireo radio Antsiva sy Don Bosco ahafahanao mandre izay fivoatry ny raharaha.
– Jereo ny vaovao an-tsarin’ny fahitalavitra tvplusmadagascar.com.
FR
– Les négociations sont au point mort. Andry Rajoelina a annoncé avoir exigé au préalable le renvoi des mercenaires étrangers [Afrique du Sud Congo ??] qu’il croit être à la solde de Marc Ravalomanana l’actuel chef de l’état et la reddition du militaire auteur du coup de feu mortel.
– Plusieurs localités des provinces sombrent dans la violence.
– A Antananarivo, les forces de l’ordre se lancent actuellement dans une vaste opération de maintient de la paix.
– La haut-commandement de la gendarmerie nationale annonce ainsi l’interdiction d’attroupement afin de « pouvoir immédiatement distinguer les casseurs de simple badaud. »
– La commune urbaine d’Antananarivo [CUA] a sorti un arrêté stipulant un couvre-feu a partir de 21 heures jusqu’à 4 heures du matin. Chacun est invité à se munir de ses papiers d’identité pour tous déplacements.
– « L’usage de la force » est autorisé si nécessaire.
– Écoutez en direct, en malgache les radios Radio Antsiva / Radio Don Bosco pour les toutes dernières dépêches.
– Suivez le TJ de tvplusmadagascar.com.
**********************************************
FANAMPIM-BAOVAO 6 :
– Nanomboka nipoiran’ny rotaka sy fandrobana ireo tanan-dehibe any amin’ny faritany [27.01.2009].
– Azo ambara fa tony ihany ny alina [27.01>28.01] na dia nisy aza ny fandrarana fivezivezena [couvre-feu] tao Antananarivo.
– Androany vao niseho ampahibemaso i Ravalomanana Marc raha namangy ny trano main’ny RNM [Radio Nasionalin’i Madagasikara]. Nandritra ny fampandrenesana nataony dia :
– nampangainy i Rajoelina Andry ho « mpitarika ny korontana »
– nampangainy i Ratsiraka Roland ho « atidohan’izao raharaha miseho izao »
– nampangainy ny Jeneraly Dolin [Dolin Rasolosoa ?] ho mpanao « recrutement » [ndlr. ireo mpanakorontana ?]. Tsahivina fa Dolin Rasolosoa dia talen’ny kabinetran’yn ben’ny tanana’Antananarivo ankehitriny.
– nambarany fa nandefa didy fisamborana an’i Ratsiraka Roland sy ny Jeneraly Dolin izy.
– Lavin’i Ratsiraka Roland ireo fiampagana azy ireo.
– Toherin’i Rajoelina Andry ny fomba fanao toy izany satria heveriny fa raha misy olona tokony hogadraina dia ilay nitifitra nahafaty tamin’ny Alatsinainy lasa teo.
– Novorian’ny ben’ny tanana indray ny vahoaka ka vory maro androany tao Antananarivo.
– Alakamisy 29.01.2009, atao ho toy ny tanana haolo i Antananarivo.
– Asabotsy 31.01.2009, fivoriambe indray ao an-tananan’Antananarivo.
– Any amin’ireo tanana any amin’ny faritany, azo ambara ho tonitony ihany ny andro androany saingy zary napetraka any amin’izy ireny avokoa ny fandrarana fivezivezena [couvre-feu].
– Isan’ny maty any amin’ireo Faritany : Toliary 16, Antsirabe 4, Fianarantsoa 2, Toamasina 2, Sambava 1, Mahajanga 1.
– Miampy ireo olona may tao anaty trano fivarotana nisy nandroba dia tafakatra 68 raha kely indrindra ireo aina nafoy, 80 kosa araky ny fanisan’ny fitondram-panjakana Frantsay.
FR
– Une à une les localités de provinces sombrent dans la violence et les pillages [27.01.2009].
– Nuit de couvre-feu [27.01>28.01], relativement “calme” à Antananarivo.
– Marc Ravalomanana a fait sa première apparition publique ce matin lors de sa visite des locaux calcinés de la RNM [Radio Nationale de Madagascar]. Durant sa déclaration il a :
– accusé Andry Rajoelina d’être « l’initiateur de troubles »
– accusé Roland Ratsiraka d’être le « le cerveau des événements »
– accusé le général Dolin [Dolin Rasolosoa ?] d’être celui qui fait le « recrutement » [ndlr. d’individus perturbateurs ?]. Dolin Rasolosoa occupe actuellement le poste de directeur de cabinet du maire de la capitale.
– annoncé avoir lancé des mandats d’arrêts contre Roland Ratsiraka et le général Dolin
– Roland Ratsiraka réfute les accusations.
– Andry Rajoelina déclare sa désapprobation estimant que « … Si quelqu’un doit être arrêté, ce serait plutôt celui qui a tiré sur la foule et tué un innocent qui n’a fait qu’exprimer sa soif d’une véritable démocratie dans ce pays… ».
– A la demande du maire, une nouvelle manifestation dans le calme s’est tenue au centre d’Antananarivo.
– Jeudi 29.01.2009, Tana est déclaré ville morte.
– Samedi 31.01.2009, nouvelle manifestation programmée à Antananarivo.
– Dans la plupart des villes de province, journée plus ou moins calme mais Couvre feu presque généralisé.
– Nombre de morts en province : Toliara 16, Antsirabe 4, Fianarantsoa 2, Toamasina 2, Sambava 1, Mahajanga 1.
– Avec le charnier de 30 personnes découvert après l’incendie d’un magasin à Antananarivo, le décompte provisoire des victimes a brusquement pris l’ascenseur au minimum 68, selon les autorités françaises 80.
21:06 [Dialogue de sourds – rfi.fr – 28.01.2009 >> ]
22:11 [Madagascar: 68 morts depuis lundi, plus de 80 selon Paris – lematin.ch – 28.01.2009 >> ]
**********************************************
FANAMPIM-BAOVAO 7 :
– Efa zatra ny fandrarana mivezivezy sahady ve ny vahoaka ? Satria tony ny alin’Antananarivo.
– Tony androany tao andrenivohitra Antananarivo.
– Tsy azo ambara hoe tanana maty koa anefa satria andro faran’ny volana ka fandraisan-karama.
– Azo lazaina koa hoe tony ireo tanana any amin’ny faritany amin’ny ankapobeany.
– Novana ny lehiben’ny Zandarimariam-Pirenena, ka ny Jeneraly Raharijaona Lucien izay lehiben’ny l’Emmo/nat [état-major mixte opérationnel] dia soloina ny Jeneraly Gilbain Pily avy hatrany.
– Notoherin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny Frantsy fa tsy niampanaga an’i Roland Ratsiraka sy Dolin Rasolosoa veliveli i Bernard Kouchner. Raha nitafatafa tamin’ny mpanao gazety i Ravalomanana Marc dia io fanambarana io mantsy no nomeny ho fanazavana ny fiampangany azy roalahy.
– Ny tena azo ambara ho matoam-baovao dia ny nanekan’izy roalahy hihaona sy hifampidinika.
– Tamin’ny FFKM no nanambaran’i Ravalomanana Marc ny fanekeny ny hifandinika.
– Taty aorina dia nanambara koa i Rajoelina Andry fa vonona amin’izany.
– Zoma 30.01.2009, heverina ho andro hihaonan’izy roa tonta, heveriko fa any amin’izay toerana tsiamabaratelo sady tsy momba na ny atsy na ny aroa.
– Dia miandry izay vokatr’io fifampidinihana io angamba izany ny hoavin’ilay fihaonambe kasain’i Rajoelina Andry hataony Asabotsy 31.01.2009 ao Antananarivo sy ireo tanana hafa any amin’ny faritany.
FR
– Couvre feu déjà entré dans les moeurs ? Car nuit sans trop d’histoires à Antananarivo .
– Journée calme à la capitale Antananarivo.
– Pas vraiment ville morte car c’est la période de la paie, mais pas la foule non plus, surtout en comparaison des derniers jours.
– Calme relatif dans les villes de provinces aussi.
– A la tête de la Gendarmerie Nationale, le général Lucien Raharijaona qui était également le commandant de l’Emmo/nat [état-major mixte opérationnel] est imédiatement remplacé par le Général Gilbain Pily.
– Démenti formel du Ministère des Affaires Etrangères français que Bernard Kouchner ait tenu de propos tendant à accuser Roland Ratsiraka et Dolin Rasolosoa. Lors de son point de presse hier, Marc Ravalomanana avait sorti cet argument pou étayer ses accusations.
– La véritable information c’est le principe de la rencontre accepté par les deux parties.
– Susceptibilité oblige, c’est à la Fédération des Eglises Chrétienne à Madagascar ou FFKM [anglican, catholique, luthérien, réformée] que Marc Ravalomanana a délivré son accord.
– Plus tard, Andry Rajoelina a aussi fait savoir son accord pour une rencontre.
– Vendredi 30.01.2009, rencontre probable entre les deux adversaires dans un lieu tenu secret et « neutre » je suppose.
– De l’issue de ces pourparlers dépendra cette manifestation programmée à Antananarivo et les autres villes de provinces ce samedi 31.01.2009.
19:00 [TV5 : Les commentaires d’Andry Rajoelina, Maire d’Antananarivo, en direct de Madagascar – tv5.org – 29.01.2009 >> ]
Eric Chevallier porte-parole du Ministère des Affaires Etrangères français, Quai d’Orsay dément formellement que Bernard Kouchner ait tenu de propos tendant à accuser Roland Ratsiraka et Dolin Rasolosoa version vidéo >> et version texte >> ]
**********************************************
FANAMPIM-BAOVAO 8 :
– Omaly, Zoma 30.01.2009, toa mbola tsy nisy ilay fihaonana nokasaina hatao raha ny fandaharam-potoan’izy roalahy no jerena.
– Miaraka amin’ny fanamorana izay entin’ny fiaramanidina vaovao « Force One II », Ravalomanana Marc dia tsikaritra nifanesy :
– tany Toamasina ny maraina [fihavian’i Ratsiraka Roland ilay ampangaina ho mpandrafitra izay tetiky ny fanakorotanana ka nandefasany didy fisamborana ],
– tany Mahajangy ny tolakandro,
– tany Toliary ny hariva,
– tany Sambava io marainan’ny Asabotsy 31.01.2009 io.
– I Rajoelina Andry kosa :
– nihaona tamin’ireo « solontenan’ny fiaraha-monina » [aleo vakiana hoe antoko mpanohitra] dieny mitatao-vovonana tany amin’ny Hotely Carlton ao Antananarivo,
– Milaza ho tohanana’ny vahoaka manerana ny nosy ny tenany. Marina aloha fa misy tokoa ireo hetsiketsika any amin’ny faritany, ny iray aza tany Mahajanga ny harivan’ny fandalovan’i Ravalomanana Marc.
– Nitafatafa tamin’ny mpanao gazetin’ny RFI [Radio France International] izay nanambarany fa tsy « rotitra amin’izay ho filoham-pirenena raha ny tenany »
–Niverina mandeha indray ny VIVA TV. Tsahivina fa ny fanidiana io fahitalavitry Rajoelina Andry io no niantombohan’ny fihenjanan’ny tady ary i Ravalomanana Marc no nanome baiko ny governemanta mba hamerenana ny fitaovana rehetra izay notanana.
FR
– Hier, vendredi 30.01.2009, la rencontre semble ne pas avoir eu lieu au vu du programme chargé des deux protagonistes.
– Avec le concours du tout nouvel avion présidentiel « Force One II » Marc Ravalomanana a été tour à tour aperçue:
– le matin à Toamasina [fief de Roland Ratsiraka, celui sur qui le président a lancé des accusations et un mandat d’arrêt sous présomption d’être le cerveau des « casses »],
– l’après-midi à Mahajanga
– le soir à Toliary
– finalement ce matin du samedi 31.01.2009 à Sambava.
– Quant à Andry Rajoelina :
– rencontre les représentants de la « société civile » [lire l’opposition] dès la mi-journée à l’Hotel Carlton à Antananarivo,
– Andry Rajoelina se targue d’avoir le soutient des provinces il est vrai que des manifestations s’organisent dans divers villes dont une à Mahajanga l’après-midi où Marc Ravalomanana y effectue sa visite.
– Interviewé sur RFI [Radio France International] Andry Rajoelina dit « ne pas être intéressé à court terme par le poste de président »
-La station VIVA TV émet de nouveau. Pour rappel, c’est la fermeture de cette station télé appartenant à Andry Rajoelina qui servait de détonateur à ce conflit, c’est Marc Ravalomanana lui-même qui ordonna au gouvernement la restitution de tous le matériel confisqué.
[L’appel au dialogue du chef de l’Etat – rfi.fr – 30.01.2009 >> ]
[Tournée en provinces, Ravalomanana rassure l’opinion – lexpressmada.com – 31.01.2009 >> ]
**********************************************
FANAMPIM-BAOVAO 9 :
– io marainan’ny Asabotsy 31.01.2009 io dia tamim-pilaminana no nanombohan’ny fihetsiketsehana,
– Nandray fitenenana i Rajoelina Andry ao main’ny kianjan’ny faha-13 May ao Antananarivo,
– Mandritra izany kabary izany, ho valinteny ireo tsikera izay mihevitra ny hetsika ataony ho « tsy manaja ny lalam-panorenena [constitution] », dia manome toky izy ny hitanisa ireo fihetsika tsy fanajana ny lalam-panorenena [constitution rehetra izay nataon’i Ravalomanana Marc [mitanisa 20 ?].
– Nambaran’i Rajoelina Andry mandritra ny kabariny fa mamanombok’izao dia izy no « mpitondra vaovaon’i Madagasikara » mandra-pijoron’ny governemanta tetezamita [gouvernement de transition].
– Valintenin’i Ravalomanana Marc izay namangy an’i Nosy-Be tamin’ny maraina » [ndlr. raha izahay aloha dia] manaja ny lalam-panorenana izahay »
– Any Mahajanga i Ravalomanana Marc, antitranteriny fa izy no filoham-pirenena Malagasy.
– Nirava tamim-pilaminana ny fivoriana.
– Efa hariva ihany vao nahenoana vaovao i Ravalomanana Marc. Namafisiny teo anolona’ireo mpanao gazety fa «araky ny andininy faha 44n’ny Lalàmpanorenana dia : Ny Filohan’ny Repoblika no Filoham-panjakana.»
– Mijanona ho filoham-pirenena izy izany ary ny andraikiny dia ny hampandroso an’i Madagasikara.
– Nomarihin’i Ravalomanana Marc koa fa iray amin’ireo ben’ny tanana miisa 1’546 eran’ny Madagasikara ihany i Rajoelina Andry.
– Talohaloha moa dia nanao antso avo i Rajoelina Andry mba hikatonan’ireo ministera sy biraom-panjakana samihafa amin’ny Alatsinainy 02.02.2009.
– Mifanohitra amin’izany kosa no takian’i Ravalomanana Marc,satria ampy izay ho izy fa mila miverina miasa daholo amin’ny Alatsinainy.
– Amin’izao ankatoky ny fivoriamben’ny Vondrona Afrikana [Union africaine], dia nanambara avy hatrany ny filohan’ny Komisiony Jean Ping fa araky ny rafitry ny Vondrona Afrikana dia «homelohina avy hatrany izay fiovam-pitondrana rehetra mifandika amin’ny lalam-panorenana.»
[Fanambarana nataon’Andriamatoa Ravalomanana Marc, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara – madagascar-presidency.gov.mg – 31.01.2009 >> ]
FR
– ce matin du samedi 31.01.2009, la manifestation prévue débute dans le calme,
– Andry Rajoelina a pris la parole sur la place du 13 mai au centre de la capitale Antananarivo,
– au cours de son discours pour répondre aux reproches fait à son mouvement qui « ne respecterait pas la constitution », il promet un déballage de la liste toutes les violation de la constitution de Marc Ravalomanana [il cite environs 20 ?].
– Dans son discours Andry Rajoelina annonce être le « nouveau dirigeant de Madagascar » jusqu’à la constitution d’un gouvernement de transition.
– Réponse de Marc Ravalomanana en visite dans l’île de Nosy-Be « nous respectons la Constitution et la legalite [ndlr. de notre côté] »
– Marc Ravalomanana est à Mahajanga, il déclare demeurer le seul président de Madagascar.
– Fin de la manifestation, la foule se disperse dans le calme.
– En soirée, Marc Ravalomanana a réafirmé devant les journalistes que «selon l’article 44 de la constitution : le Président de la République est le Chef de l’Etat.»
– Il reste donc chef d’état et sa tâche est de développer Madagascar.
– Marc Ravalomanana a aussi fustigé le fait que Andry Rajoelina n’est qu’un parmis les 1’546 maires en activité à Madagascar.
– Plus tôt dans la journée, Andry Rajoelina avait appelé lundi 02.02.2009 à la fermeture de tous les ministères et de toutes les administration publiques.
– Au contraire Marc Ravalomanana exige le retour au travail sans plus tarder.
– A la veille du sommet de l’organisation de l’Union africaine [UA], son président de la Commission Jean Ping a immédiatement déclaré que conformément aux statuts de l’UA «tout changement anticonstitutionnel à Madagascar serait condamné.»
[Madagascar, Andry Rajoelina se proclame dirigeant du pays – rfi.fr – 31.01.2009 >> ]
13:31 [Madagascar: le maire d’Antananarivo revendique le pouvoir, le président conteste Le maire d’Antananarivo se proclame en charge des affaires à Madagascar – lematin.ch – 31.01.2009 >> ]
[Madagascar : le bras de fer se durcit pour la direction du pays – lemonde.fr – 31.01.2009 >> ]
[Déclaration du Président de la République de Madagascar – sobika.com – 31.01.2009 >> ]
[Madagascar, la riposte du président – rfi.fr – 31.01.2009 >> ]
[Rajoelina demande la destitution de Ravalomanana et se proclame responsable de l’exécutif – madagascar-tribune.com – 31.01.2009 >> ]
[Trouble institutionnel, réaction très mesurée de Ravalomanana – madagascar-tribune.com – 31.01.2009 >> ]
**********************************************
la françafrique est déjà de retour aux affaires >> analyse
Ra8 vs TGV pour les nuls >>
[Marc Ravalomanana vs Andry Rajoelina] par le cartoonist POV
Jereo ny vaovao an-tsarin’ny tvplusmadagascar.com >>
Suivez le JT en malgache
Henoy mivantana ny Radio Antsiva / Radio Don Bosco mivantana >> na @ ity rohy ity Radio Antsiva / Radio Don Bosco mivantana >> isaorana ny namana Rabeza
Henoy mivantana ny radio Antsiva / radio Don Bosco avy any Madagasikara atolotr’i Rabeza
Ecoutez en direct de Madagascar la radio Antsiva / radio Don Bosco. Merci à Rabeza
Live audio streaming : listen to the radio Antsiva / radio Don Bosco Madagascar. Thanx Rabeza
Jereo ny vaovao an-tsarin’ny fahitalavitra tvplus avy any Madagasikara
Video News from tvplus Madagascar
Regardez le TJ de tvplus de Madagascar
Aza dia mitanila loatra ianareo raha hanangana demokrasia marina. Aza atao ary fadio toa ny fanajana ny zava masina rehetra ny mampirehitra korontana. Ohatra ilay mampirisika oe tsy ny japonais fa ny koreana toa milaza sy mankasitraka fa azo potehana ireto farany. Tadidio fa sady mivantana no be lavitra noho ny lasa rehetra ny fampandrosoana kasaina apetraka eto. Olona nianatra ka aza mampihinana am-bolony ny vahoaka.
Ataovy madio sy mendrika ny adihevitra dia milamina io.
potika MADAGASIKARA AMIN’IRETO MPANAO POLITIKA IRETO MIALOKALOKA AO AMABADIKY NY TANORA AO
Mba lasa ihany ny saina amin’ilay zalahy iry (tgv) hoe mba nahita fianarana v TGV?J
d tsy mbola ampy anao v ny fahantran’ny vahoaka hatr’izay?tena boay klely,ts d hoe
b baoritra toy ry Sarko sy Dominique Straus kan ianao? mahamenatra no mihevera tena,velom-panotaniana ny olona hoe tu n’es pas fière.
Aza variana miady seza fa mb
Mouais… un sacré anniversaire ce lundi noir… et encore le mardi et mercredi ne fut pas mal non avec les fusillades à Antanimora, les essais de pillage des shoprite ayant survécu… pffff.
Quelques vidéos sur Antanimora et ces fusillades sur dailymotion avec mon pseudo 1975jmr… De bien mauvais souvenirs sur Antananarivo l’an dernier 😦