Fa angaha misy fanamelohana ho faty any Madagasikara ?


Zendana fotsiny aho namaky ny gazety « l’Express de Madagascar » androany Zoma 12 Oktobra 2007 izay mitantara ny didim-pitsarana fanamelohana ho faty an’i Tsimibôsy aka Tsimianatse Liva sy olona roa mpiaradia taminy, tamin’ny namonoany diplômaty tamin’ny 22 Janoary 2005. Fa angaha mbola misy fanamelohana ho faty any Madagasikara ? Dia amin’izay dia ny ampitson’ny andro iraisam-pirenena natokana hanoherana ny fanamelohana ho faty izay ankalazaina isaky ny 10 Oktobra no ivoahan’ny didim-pitsarana.

Tamin’ity taona manokana 2007 ity, « Atsaharo ny fanamelohana ho faty ! Mandray fanapahan-kevitra izao tontolo izao » [Non à la peine de mort ! Le monde décide | Stop the death penalty ! The world decides] no lohahevitry ny fankalazana faha-dimy izay ahitana ny fiheveran’ny fivoriambe faha-62-n’n’ny Firenena Mikambana [Assemblée Général des Nations Unies] ny fangatahana « fampihatonana ireo fampiharana ireo fanamelohana ho faty » [appel à un moratoire global sur l’execution des peines de mort] ho dingana voalohany mitondra any amin’ny fandraràna maharitra ireo fanamelohana ho faty.

Dia nihevitra aho aloha hoe : angamba didim-pitsarana ihany izany fa tsy ampiharina, izany hoe mivadika avy hatrany ho fanagiazana mandra-pahafaty tsy azahoana famelana intsony. Samihafa mihitsy anefa ny « fanamalehona ho gadra mandra-pahafaty » sy ny « fanamelohana ho faty avy hatrany » araky ny ambaran’ilay gazety. Sa ve isan’ireo lalàna vaovao izy ity ka i Tsimibôsy no vao hisantatra azy ? Dia ahoana no fomba noheverina ho fanatanterahana izany ?

Izaho dia isan’ireo resi-lahatra fa tsy mitondra vaha-olana eo amin’ny fiaraha-monina velively ny fanamelohana ho faty, sady mifanipaka amin’izay heveriko ho zon’olombelona sy ny fanoherana ny herisetra izay arahiko izany. Ary satria na dia ireo « fara-faikany » amin’ny jiolahy aza dia mbola olombelona ihany, dia manohitra tanteraka ny famonoana olona aho na dia hoe amin’ny anaran’ny fitsarana / fahamarinana aza.

Tsahivina fa ireto firenena dimy ireto no loha-laharana amin’ny isan’ireo gadra novonoina i Shina, i Irana, i Arabia Saodita, i Nizeria ary i Amerika [Chine, l’Iran, l’Arabie Saoudite, Nigéria, Etats-Unis]. Inoako fa tsy izaho irery no maniry ny haha firenena faha-enina an’i Madagasikara 😦

[Voaheloka ho faty i Tsimibôsy – lexpressmada.com >>]

[Telo mianadahy voaheloka ho faty – taratramada.com >>]

[La Coalition mondiale contre la peine de mort – worldcoalition.org >>]

[Amnesty against the Death Penalty – amnesty.org>>]

7 réflexions sur “Fa angaha misy fanamelohana ho faty any Madagasikara ?

  1. Mbola manameloka ho faty ny lalàna malagasy, raha ny antontan’isa farany avy @ ACP dia misy eo @ 50 isan-taona eo ireo voaheloka ho faty. Fa saingy tsy mihatra io fa mivadika ho asa an-terivozona.

    ny mahagaga dia tsy mba ady hevitra maha rototra mihintsy ny fanamelohana ho faty eto amintsika ( eto Dago no tiako lazaina). na ny herisetra @ ankapobeny aza e. tadidinareo ve ilay mpangalatra tratra teny Ankatso ka nodoran’ny mpianatra velona? Matin’ny afo sy ny daroka izy… Eny @ anjerimanontolo no ahitana izany habibiana izany…Ka na ireo avara-pi aza moa no blasé à ce point dia ho inona intsony? tsy kivy a fa boooof be fotsiny. :)))

  2. Faly mandray anao etoana ry Mialy 😀 Misaotra fa tena feno tokoa ny fanampim-panazavanao.

    Mampieritreritra tokoa io vaovao tsahivinao io, ary mitovy hevitra aminao fa tena mampalahelo tokoa ny tsy fisian’ny adihevitra momba io lohahevitra io. Anefa raha tsy misy fiheverana ny momba ny herisetra dia vao mainka hitombo izany fa tsy hihena velively [dahalo, halatra, vono-olona, halatr’olona, herisetra madinidinika isan-karazany …]

    Asa raha tena lavitry ny zava-misy tanteraka aho, fa heveriko fa tokony heverin’ireo mpitondra sy ireo mpanabe isan’ambaratongany ny « fampianarana » ireo tanora handia ny lalan’ny « fanoherana ny herisetra ». Satria tsy hisy zava-tsoa ateraky ny fitombon’ny herisetra anivon’ny fiaraha-monina any amintsika mihintsy. Efa iaraha-mahita ireo ohatra maro eran-tany …

    > raha ny antontan’isa farany avy @ ACP dia misy eo @ 50 isan-taona eo ireo voaheloka ho faty

    Inona hay ilay ACP ?

  3. ACP: Aumônerie catholique des prisons. Manana antontan’isa azo antoka io fikambanana io, izay mikarakara ny voafonja eo @ lafiny maha olona fa koa @ fanomezana mpisolo vava hiaro azy ireo. Ny 20% ny olona voatana @ fonja gasy ihany no tena tokony hijanaona ao: Ny ambiny, miandry fitsarana…Misy mpahay lalàna vitsivitsy miara-miasa @ ity ACP mba ahafahana mikarakara haingana ny dossiers an’ireo prévenus ireo.

  4. Tsy mbola nahafantatra io vondron’asa io aho izay mahaliana ahy ny foto-keviny. Ny ahy ny mba hany fantatro dia ny Fondation DiDé aty Genève [ Dignité en Détention | dide.ch >>]. Misaotra amin’ny fampahalalana 🙂

    Aleo ihany tokoa manontanitany foana satria saika noheveriko aza fa sao dia diso tsipelina ianao APC = American Press Center.

  5. FANAMPIM-BAOVAO : « Miisa 44 ankehitriny ireo niharan’ny fanamelohana ho faty any amin’ny figadrana Malagasy fa tsy mbola nisy fampiharana « famonoana » ireny gadra ireny hatramin’izay nahazoantsika fahaleovantena » vakio ny tafatafa feno nifanaovan’Atoa Ranaivo Andriamaroahina Tovonjanahary, Directeur de l’administration pénitentiaire, de l’éducation et de la surveillance, tamin’ny mpanao gazety mikasika ny « tsy fampiharana » ny fanamelohana ho faty | madagascar-tribune.com – 01.03.08 >>

Laisser un commentaire