Sao mba misy hevitra tsara miandry vola fotsiny any ho any ?

Na ahoana na ahoana, tsy maintsy tafaresaka fodiana ihany rehefa tafahaona amin’ireo mpiray tanindrazana aty Soisa. Fodiana fialan-tsasatra aloha dia samy jejojejo mitantara izay diany farany eo – na dia tsy fombako loatra aza io dia hitantara ambetivetiny ihany ny diako farany teo aho atsy aoriana kely atsy – avy eo indray dia miresaka fodiana tena fifindra-monina dia tsy misy jejo intsony fa miha-entitra ny endrika. Matetika aza dia afindra any amin’ny hafa, ireo efa lasa, ny resaka mba tsy hanambarana izay hevitra samirery : mandeha tsara hono ny ataony na koa tsy mety tafavoaka hatramin’izao sns …

Indraindray tsy misy ialana intsony dia indreo fa milaza ny samy te-hody avokoa … indray andro any. Ary rehefa anontaniana hoe « indray andro rahoviana ary ? » Marobe ireo valiny heno fa azo aravona ho roa :
– ny sasany milaza fa rehefa tody ny tanjona na tonga ny fotoana, ohatra tapitra ny fianarana na koa misotro-ronono, ary matetika moa ireo vao tsy tonga ela no miresaka toy izany,
– ny hafa kosa mitsotra fa filàna ravinahitra ny andehanany aty Soisa ka rehefa mahangom-bola, izany hoe nahavita trano any an-tanindrazana, nahavidy kamiô hampiasaina, ets … dia hiverina.

Ireo voalohany moa dia ho hita eo ihany rehefa tonga ilay tanjona napetrany raha niova hevitra na tsia. Hoan’ireo faharoa kosa dia mitohy ny fanadihadiana « ny vola izany no olana ? » eo indray dia samihafa ireo valiny anefa toa azo aravona amin’ny hoe « tsy mety kosa ny mody tanam-polo ».

Samihafa moa ny fihevitra fa raha ny ahy manokana ny mody tsy mba tanam-polo satria efa tanteraka ny tso-dranon’ny ray aman-dreny « ho tsara mandroso, ho tsara miverina » sy ny hoe « tsy maty fo aman’aina ». Amiko dia ireo no ambony alohan’izay « diplaoma be » sy ny « harena be »😀 eto aho dia mirary fiverenana feno fahombiazana hoan’ny namana Harinjaka >> izay vao nitodi-doha vao tsy ela izay😉

Raha isan’izay mihevitra fa manana izay hevitra tena mahomby hampandrososana ny tanindrazana ianao saingy « ny vola ho enti-manatanteraka no tsy misy » dia mifalia ary katrohy dieny izao ny « Business Plan »-nao fa misy fifaninanana natokana hoantsika Afrikana Zanaka Am-pielezana monina aty Erôpa izay manana tetik’asa fampandrosoana an’i Afrika ka mitady famantsiam-bola [fe-potoana : Zoma 23 Novambra 2007 – 04:00 oran’ny Bruxelles | 40′000 $ na 72’520’000 Ar raha be indrindra] na Tsena hoan’ny Fampandrosoana hoan’ireo Zanaka Am-pielezana Afrikana any Erôpa [D-MADE | Development Marketplace for African Diaspora in Europe, Grant Competition >>].

Ela no naniriako ny hanatanterahan’ny fanjakana Malagasy hevitra toy izao izay anohanana ireo zanaka am-pielezana mody [na olon-drehetra] izay manana tetik’asa hampandrosoana firenena, hay moa ka ny Banky Iraisam-pirenena [Banque Mondiale | World Bank] no nanao azy mialoha. Enga anie ka ho marobe ireo tetik’asa ho an’i Madagasikara satria 10-15 ihany ireo hotohanana amin’ity taona voalohany ity😉

[Hevitra nipoitra tam-pamakiana vaovao tany @ Global Voices @ teny Malagasy – mg.globalvoicesonline.org >>]

[Promouvoir les projets d’investissement de la diaspora et l’entreprenariat innovateur en Afrique – dmade.org >>]

4 commentaires sur “Sao mba misy hevitra tsara miandry vola fotsiny any ho any ?”

  1. « Ela no naniriako ny hanatanterahan’ny fanjakana Malagasy hevitra toy izao izay anohanana ireo zanaka am-pielezana mody » ? sarotra izany satria isika avy aty an-dafy aza anie efa anisan’ny niangaran’ny vintana raha samy gasy e ! fitovian’ny samy galasam…

    kanefa koa amin’ny lafiny iray mety hoe raha ampiana ny vitsy manan-katao dia mampana-katao mitarika ny maro tsy manana ? asa !

  2. Aty Soisa [sy ny firenenea mandroso hafa] raha sarotra ny fidirana hipetraka aty nohon’ny hakelin’ny velarantany, raisina an-tanan-droa kosa ireo « atidoha ».

    Amiko misy lesoka kely ihany amin’ny lojikan’ny fandefasana zanaka Malagasy handrato fianarana raha toa ka rehefa vita ireo nataony dia tsy misy fivononana ny hitrandraka na « intégrer » azy ireny any amintsika fa fahatahorana sy ankasimparany aza no atao azy ireny. Anefa anie misy tombony roa hafa koa azo amin’izany :
    – fampitomboana harinkarena any an-tanindrazana,
    – fihenan’ireo fandosiran’ireo atidoha aty ivelany.

    Diso ve izaho raha milaza fa maro ireo antso atao ny vazaha hoe tongava re, tongava re anefa ange ny an’ny tena atao valalan’amboa😦 Sa marina ilay fiteny hoe tsy misy mpaminany masina an-taniny ?

  3. tsy hoe samy malagasy akory dia tsy hisy ny gidragidra ra-tomavana. ady ny fiainana, kely ny tsena any Dago. ary ny fanindrahindrana ny fihavanana dia tsy inona fa ezaky ny fiaraha-monina hanamboarana izay ratsy ateraky ny tena maha-olona izay dia ny adiady (voajanahary?) isan-karazany izany.

    ny ahy indray dia izao : rehefa tafita ny malagasy n’aiza n’aiza misy azy (satria tsy àry handeha hikotrakotrana any Dago avokoa ny rehetra) dia fandresena ho an’ny malagasy rehetra izay.

    anefa koa rehefa zohiana ka miakatra zana-tohatra vitsivitsy fotsiny aty amin’ny tany tandrefana dia hita fa ady saritaka ihany koa vao mahazo ny anjara-masoandrony.

    fehiny : aza matahotra (dia avelao « miminou » fotsiny ihany)

  4. > ny ahy indray dia izao : rehefa tafita ny malagasy n’aiza n’aiza misy azy … dia fandresena ho an’ny malagasy rehetra izay.

    Tena marina io, ary angamba ny firenena rehetra dia tahaka io, saingy mbola misy ireo firenena toa an’ Israely [sy ny hafa] izay manao tsaratsara kokoa amin’ny fananana ny « aliyah » izay tena politika fanasana sy fandraisana ireo zanak’am-pielezana tapak’hevitra ny hody. Angamba tsy misy mihevitra fa izany dia hampiato ny gidragidra misy amin’ny samy Israeliana, fa fampandrosoana tanindrazana no banjinina.

    Raha tiana hiasa sy hiady toy ny « diaspora » Israeliana ny Malagasy dia mila fisokafana kokoa sy fanomezana toerana ny zanak’ampielezana amin’ny fiainam-pirenena ny fitondrana Malagasy.

    fehiny : aza mitoditodika (dia avelao « anaovanay izay fahaizanay azy » fotsiny ihany)😉


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :