07|10|02 – Andro iraisam-pirenenana ho fandavana ny herisetra | Journée mondiale de la non-violence | International Day of Non-Violence [IDNV 07]

Nandresy, anefa tsy nanitsakitsaka ny fahavalony [vaincre sans humilier]. Nandresy tamin’ny alàlan’ny fandavana tanteraka ny ny herisetra. Mbola mampihaika ny maro mandrak’ankehitriny ny nahazoan’i Inda fahaleovantena tambany fitarihan’i Gandhi raha nitolona tamin’ny Anglisy, izay firenena isan’ny matanjaka indrindra eran’izao tontolo izao, hoan’ny fahafahany.

Nandritra ny taona maro dia nankalazain’ireo mandala ny fampianaran’ilay « be fiantrana » Mahtma Gandhi [fanahy tsara, fanahy ambony no azo andikana ny Mahtma amin’ny fiteny sanskrit] ny 2 Oktobra. Nanomboka tamin’ity taona 2007 dia neken’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana ny hanokana io andro, izay ahatsiarovana ny nahaterahan’i Gandhi io, ho andro iraisam-pirenenana ho fandavana ny herisetra [Journée mondiale de la non-violence | International Day of Non-Violence].

Ny tanjon’ny Firenena Mikambana dia ny « hampita ireo hafatra fonosin’ny fandavana ny herisetra, amin’ny alàlan’ny fampianarana sy ny fampahalalana » ary koa ny « hampiditra rivo-pandriampahalemana, sy fifanajana, ary fifankahalalana bebe kokoa » [diffuser le message de la non-violence, notamment par des actions d’éducation et de sensibilisation | favoriser une culture de paix, de tolérance, de compréhension et de non-violence].

Ao anivon’izany fankalazana izany dia hisy lahateny « ny fandriampahalemana sy ny fandavana ny herisetra ankehitriny » [la paix et la non-violence aujourd’hui] izay arahina fifanakalozan-kevitra hotanterahina any Lausanne, anio hariva, Talata 2 Oktobra 2007, manomboka amin’ny 05:00 ora hariva ka hatramin’ny 07:00 ora alina [salle Rosa Luxembourg, Maison du Peuple, Chauderon 5, Lausanne].

Bio express : teraka ny 2 octobre 1869 tany Porbandar, faritanin’i Gujarat, any Inda i Mohandas Karamchand Gandhi. Ny fampianarany dia mifahatra amin’ny faka roa, dia ny fanoherana ny fangejan’ny fitondrana jadona amin’ny alalan’ny tsy fanoavam-bahoaka [satyagraha] sy ny « fandavana tanteraka izay rehetra mety ho herisetra amin’izay endriny rehetra » [ahimsa]. Tsarovan’ny Indiana ho toy ny « rain’ny firenena » amin’ny fankalazana ny 2 Oktobra ho andro tsy fiasana any Inda i Gandhi. Tamin’ny 30 Janoary 1948, raha namonjy fotoam-bavaka any akaikin’i Birla House any New Delhi i Gandhi, dia maty novonoin’olona. Tsy nitsahatra teo anefa ny tantaran’ny fandavana ny herisetra fa mbola mitohy mandrak’ankehitriny any amin’ireo olona mijoro sy mitolona hoan’ny fahafahan’ny madinika.

[Journée mondiale de la non-violence – Malag@sy Miray >>]

[La paix et la non-violence aujourd’hui – avenirsocial.ch >>]

[Communiqué de presse – un.org/News/fr-press >>]

[« Mahtma » Mohandas Karamchand Gandhi
chez wiki.org – en FR >> | in ENG >>]

2 commentaires sur “07|10|02 – Andro iraisam-pirenenana ho fandavana ny herisetra | Journée mondiale de la non-violence | International Day of Non-Violence [IDNV 07]”

  1. […] ny fanamelohana ho faty, sady mifanipaka amin’izay heveriko ho zon’olombelona sy ny fanoherana ny herisetra izany. Ary satria na dia ireo « fara-faikany » amin’ny jiolahy aza dia mbola olombelona […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :