Fanamelohana ho faty | Peine de mort | Death penalty | Madagasikara

Toy ny mpiray tanindrazana namana maro dia gaga aho tamin’ny taon-dasa [2007] raha nandre fa hay mbola manameloka ho faty ny fitsarana Malagasy >>.
Madagasikara :
[0] Araky ny nambaran’i Jentilisa dia tsy mbola nisy famonoana naterak’ireo fanamelohana ireo hatramin’ny nazahoantsika fahaleovantena tamin’ny taona 1960.
[44] No isan’ireo voaheloka ho faty tany am-pigadrana tamin’ny volana Martsa 2008, ireo voaheloka hafa kosa na izy nandositra na izy notoloran’ny filoham-pirenena famotsoran-keloka.
[50] Araky ny isa nampitain’ny ACP [Aumônerie Catholique des Prisons] dia heverin’i Mialy ho mahatratra 50 isan-taona, ny isan’ireo voaheloka ho faty.
[Fehin-dalàna] Ny fanamelohana ho faty dia sazy ampiharina hoan’izay namonona olona [§ 295, sy § 296 ary § 297] na nanapoizina olona [§ 301, sy § 302 ary § 317].
Izao tontolo izao :
[60] No isan’ireo firenena izay mbola mampihatra ny famonoana vokatry ny fanamelohana ho faty, ary fitsarana mikasika raharaham-pamonoana olona izy ireny mazàna.
[104] Nandritra nyfivoriamben’ny Firenena Mikambana izay natao ny faha-18 Desambra 2007, i Madagasikara dia isan’ireo firenena 5 vaovao [Kôngô, Kiribati, Nauru ary Palaos] izay namonjy ireo firenena 99 hafa teo aloha [104 ny tontaliny] izay nanaiky ny hanao antso avo ho fanatsaharana ny fampiharana ireo sazy fanamalehona ho faty [izany hoe tsy vonoina intsony ireo izay efa voaheloka ho faty].
[137] No isan’ireo firenena izay nampitsahatra ny fanamelohana ho faty, na ara-dalàna izany na ara-mpampiharana.
[1’252] No isan’ireo famonoana ho faty ara-dalàna izay notanterahina tany amin’ny firenena 24 samihafa ary voa-rakitra nandritra ny taona 2007 [heverina ho mihoatra lavitra noho izany ny isa tena izy].
[88 %] No tahan’ireo famonoana ho faty ara-dalàna nandritra ny taona 2007 izay notanterahina tany amin’ireto firenena 5 ireto : Shina, Irana, Arabia Saodita, Pakistàna ary Amerika.

[FR] En 2007, comme beaucoup de malgache j’étais surpris de découvrir que le verdict de condamnation à mort était toujours en pratique au sein de la justice à Madagascar.
Madagascar :
[0] Dans les faits, aucune peine de mort n’a été appliquée à Madagascar depuis notre accession à l’indépendance en 1960 comme le rappelle Jentilisa.
[44] Seuls 44 condamnés à mort sont sous détention en mars 2008, ceux qui ne sont pas toujours en cavale sont au bénéfice d’une grâce présidentielle.
[50] Se basant sur les chiffres de l’ACP [Aumônerie Catholique des Prisons], Mialy estime à 50 le nombre de condamnation annuelle.
[Code pénal] Sont passibles de la peine de mort, l’assassinat [articles 295, 296 et 297] et l’empoisonnement [articles 301, 302 et 317].
Monde :
[60] Le nombre de pays qui continuent d’appliquer la peine de mort, le plus souvent dans des affaires de meurtre.
[104] Durant l’Assemblée générale des Nations unies du 18 décembre 2007, Madagascar fait partie des 5 nouveaux pays [Congo, Kiribati, Nauru et Palaos] qui ont rejoins les 99 pays [104 au total] pour une résolution appelant à un moratoire sur les exécutions.
[137] Le nombre de pays qui ont aboli la peine capitale en droit ou en pratique.
[1’252] Le nombre d’exécutions recensé en 2007, dans 24 pays [le chiffre exacte est sûrement supérieur].
[88 %] Est le pourcentage des exécutions recensées durant l’année 2007 qui se sont déroulé les 5 principaux pays qui sont la Chine, l’Iran, l’Arabie saoudite, le Pakistan et les États-Unis.

[ENG] Last year [2007], like many Malagasies I was surprised to discover that the death sentence was still practiced by the courts in Madagascar.
Madagascar :
[0] In fact, no death penalty has been applied in Madagascar since our independence in 1960 as recalled Jentilisa.
[44] Only 44 prisoners are are under detention in the death row in March 2008, those who are not fugitives are holding a presidential pardon.
[50] Based on figures from the ACP [Catholic Chaplaincy of Prisons], Mialy estimated around 50 the number of convictions annually.
[Penal Code] The murder [Articles 295, 296 and 297] and poisoning [Articles 301, 302 and 317] are punishable by death penalty.
World :
[60] The number of countries which still use the death penalty, most often in cases of murder.
[104] During the UN General Assembly on 18 December 2007, Madagascar is one of 5 new countries [Congo, Kiribati, Nauru and Palau] who have joined the 99 countries [104 total] for a resolution calling for a moratorium on executions.
[137] The number of countries that have abolished the death penalty in law or practice.
[1’252] The number of executions recorded in 2007 in 24 countries [the exact figure is certainly higher].
[88 %] is the percentage of executions during 2007 that have held in the top 5 countries which are China, Iran, Saudi Arabia, Pakistan and the United States.

Madagascar s’est prononcé pour un moratoire sur les exécutions des peines de mort – Malag@sy Miray >>

Ekena sa tsia ny fanamelohana ho faty ? – jentilisa.blaogy.com >>

Peine capitale : 44 condamnés, aucune exécution | madagascar-tribune.com – 01.03.08 >>

Madagascar – abolition.fr >>

Madagascar – peinedemort.org >>

La Coalition mondiale contre la peine de mort – worldcoalition.org >>

Amnesty against the Death Penalty – amnesty.org >>

5 commentaires sur “Fanamelohana ho faty | Peine de mort | Death penalty | Madagasikara”

  1. Misaotra tomavana fa voaray tsara ! Dia aoka hijanona ny famelohana ho faty ary aoka ny Tompo irery no hanana izany fahazahoan-dalana hampiato ny ain’ny olombelona izany.

  2. >aoka ny Tompo irery no hanana izany fahazahoan-dalana hampiato ny ain’ny olombelona izany

    Marina fa Kristiana no niandohan’ity fitakiana ity, anefa ankehitriny dia azo ambara fa ampahany vitsy sisa ny Kristiana raha oharina amin’ny totaliben’ireo olona eran-tany izay miara-mitaky ny hanatsaharana ny fanamelohana ho faty.

    Ary any Amerika, na ny filoham-pirenena na ireo Governora isam-paritra dia milaza azy ho Kristiana avokoa … anefa dia samy manao sonia manome baiko ny hanatanterahana ny famonoana vokatry ny sazy navoaky ny didim-pitsarana izy ireo😦

  3. That’s so sad😦

    I believe that those who are for the death penalty are killers as well 👿

  4. I do believe that there could be many reasons to wish the death penalty … but killing did never resolves anything

  5. Update: Madagascar signe le « deuxième protocole facultatif se rapportant au pacte international relatif aux droits civils et politiques visant à abolir la peine de mort » le 24 septembre 2012 à New-York, 75 Etats font partie de ce traité.

    treaties.un.org >>]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :