Fifohazana fototry ny fampandrosoana ao Soatanàna [Fianarantsoa, MD]

Lalambe mizotra any Soatanana [Fianarantsoa, Madagasikara]. Sary: John Dean / Alliance Biblique Universelle [ABU/UBS – www.biblesociety.org]

I Soatanàna dia tanàna Malagasy kely ao amin’ny faritra andrefan’i Fianarantsoa. Tafiditra haingana any ankehitriny ny herim-baratra [électricité] satria nahay niara-nientana sy nazoto niara-niasa ny mponina mba hamitana malaky ireo asa mafy fanorenana ny tranom-baratra sy fananganana ireo andrin-jiro sy aratra (poteaux). Araka ny mbola itazonan’ny mponina ao Soatanàna ny « asam-piraisana » nolovaina tamin’ny fampianarana « fifohazana ».

Zavatra fito loha no nifaneken’ny mpitarika Rainisoalambo sy ireo mpiara-dia taminy tany am-piandohan’ny « fifohazana » dia ny :

1- Hianatra vakiteny handrosoana amin’ny Soratra Masina.

2- Hianatra marika [chiffre] sy soratra mba hahaizana manoratra sy hahafantarana ny marika ao amin’ny Soratra Masina.

3- Hanao bango volo ny vehivavy, ary ny lehilahy tsy ho lava volo fa izany no mahamendrika ny kristiana.

4- Hodiovina ny trano ho mendrika ho trano fivavahana, ary ny fanaovana afo kosa hanaovana lakozia. [ndlr: nofotsiana amin’ny ‘chaux’ ny trano tanimena ary sarahan-toerana any an-dakozia ny akoho].

5- Hanao saha ka hamboly hazo sy ny zava-pihinana rehetra mba hahabe ny hanina.

6- Hatomboka amin’ny fivavahana ny zavatra rehetra hatao mba hisy fitahiana.

7- Lamba sy akanjo madio [ndlr: fotsy mba tsy hisy loto miafina], ary hira sy fivavahana ary toriteny no hatao amin’ny maty, fa tsy holofosana. Izay ahafatesana no ilevenana. [ndlr: lofosana fomban’ny Betsileo maharitra andro maro, natao handaniana ny fananan’ny maty alohan’ny andevanana azy].

Hetsika tantsaha Betsileo [Malagasy] hoan’ny tantsaha Betsileo [Malagasy] izy io ka tena fahaleovan-tena ara-pivavahana sy ara-pitondrantena ela lavitra talohan’izay fahaleovantena politika, ary foto-pandrosoana sy fivoarana tamin’izany fotoana nipoirany izany.

Nampandroso haingana ny tanàn’i Soatanàna ny fampiharana ara-bakiteny ireo toro-marika nifanekena ireo ary vetivety dia niely sy lasa fanoharana tsara ny fampianarana sy ny fomban’ny « fifohazana ». Niantomboka tamin’ny faritra manodidina, nanenika ny Betsileo ary mitatra eran’i Madagasikara.

Ny fandraisan’ny fampianarana « fifohazana » anjara amin’ny fahatongavan’ny herim-baratra ao Soatanàna ankehitriny dia fanohizana ny asa fanazavana efa natomboka ela, fa tsy fanamaizinan-tsaina, mbola porofo sy marika fisokafana koa, fa tsy fikatonana amin’ny fandrosoana.


Soatanana :
– Naorin’i Lindo [misionera Norveziana Loterana] tamin’ny 1877.
– 1894 niova ho Kristiana i Rainisoalambo rehefa avy « niaina » alina manokana, nanomboka teo ny « fifohazana ».
– 1895 nanentana ny mpiara-dia aminy hanao fifanekena fito i Rainisoalambo.
– 2006 tafiditra any ny herim-baratra.
Ny « asam-piraisana » dia asa an-tsitrampo, amim-pirahilahiana sy fitiavana mahazatra ny mponina any Soatanàna ary mifototra amin’ny fampianaran’ingahy Rainisoalambo « rain’ny fifohazana ». Maro ireo rafitra ifampitondrana misy amin’ny fiaraha-monina fa tsy misy azo onoharana io « asam-piraisana » io izay tsy karazana hetra [impôt], na adidy [devoir], na dina [convention], ary tsy asa an-tery vozona koa [travaux forcés].

Soatanàna : « Et la lumière fut … » [Tribune 27.12.2006 >>]

Tantara Toby Fifohazana Soatanana [pdf >>]

83 réflexions sur “Fifohazana fototry ny fampandrosoana ao Soatanàna [Fianarantsoa, MD]

  1. Soa fianatsa, ny amin’ilay fandrosoan’ilay tanàna tena mahay mifanampy tokoa 🙂

    Tsy dia haiko loatra ny tantaran’ireto fifohazana ireto hatreto 🙂

    Nahaliana ahy tokoa ny famakiana ny tantaran’i Rainisoalambo 🙂 henoko sady hitako ihany ireny olona miakanjo fotsy atao hoe mpiandry na apostoly ireny fa tena diso hevitra mintsy aho izany raha ny momban’izy ireo.

    Mbola tsy nandalina akaiky azy ireny moa aho fa ny heniko fotsiny matetika dia ny hoe « mpivavaka any @ Neny Lava irey. Kay moa izany, zavatra hafa mihintsy.

    Diso ve aho raha manontany anao hoe , inona no hifandraisan’ny mpiandry sy Nenilava ? ary marina ve ilay hoe Maty Nenilava dia niakatra tany an-danitra dia velona tampoka indray etc. (sao dia mba fantatrao)

    Kiadaladala ny fanontaniako fa tena ao anatin’ny tsy fahalala tanateraka no hametrahako azy raha mba afaka manazava ahy ianao.

    Misaotra tami’ilay rohy sy ny tantaran’ilay toby 🙂

    OT. Izao vao azoko ireo hira zafindraony miresaka an’ Ambatoreny sy Soatanana etc …

  2. Tsy misy tsiny ry Harinjaka a satria « izay fantatro ihany no ambarako anao » izao ary :
    – « Fifohazana ara-panahy » na ‘mouvement de réveil spirituel’ dia nipoitra ‘spontané’ tany amintsika fa tsy vokatra fampianarana fomba vahiny na ‘importé’
    – « Toby » na ‘camp de réveil’ no iantsoana ireo toerana itoeran’ny fifohazana [misy kely sy lehibe]
    – Tobilehibe 4 no miombona ao amin’ny FFPM [Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy]
    – 1894, Soatanàna, Isandra (Fianarantsoa), Dada Rainisoalambo,
    – 1927, Manolotrony, Arindrano (Fianarantsoa), Neny Ravelonjanahary,
    – 1939, Farihimena, Vakinakaratra (Antsirabe), Dada Rakotozandry Daniel,
    – 1941, Ankaramalaza, Anala (Vohipeno), Neny Volahavana Germaine ‘Nenilava’,
    – « Mpiandry (ondry) » na ‘Berger’ no anarana raisin’ireo laika [laïc = tsy pastora] mpiasa amin’ny toby
    – Ny « Iraka » na ‘Messager (pélerin)’ kosa, izay mandeha mitoriteny mitety an’i Madagasikara hatrany Diego ka hatrany Taolagnaro dia ny tobilehibe any Soatanàna ihany no mandefa azy ireo.
    – Heverina fa isan’ny vokatry ny fampianaran’ireo Iraka ny fisokafan’ireo toby lehibe sy kely taty aoriana izay samy manana ny tantarany manokana.

    Sarotra ny mamintina fohy noho izay anefa afaka mikaroka lavidavitra kokoa amin’ny alalan’ireo anarana ireo ianao raha te hahalala bebe kokoa. Mirary taom-baovao feno fahombiazana sy fahasalamana ho anao 😀

  3. Izay vao azoko, ary mazava tena mazava:) aleo marina manontanitany foana toy izay miteniteny foana. Taloha aho mantsy tsy dia sahy manontany loatra raha resaka fivavahana fa dia izay nampianarina tany ampianarana sy izay hita tao an-trano fotsiny. Nefa mba liana ihany aho indraindray satria manjary mitsara ively amin’izay resaka re fotsiny.

    Misaotra betsaka To mavana fa tena voavaly tsara ny fanontaniana, ankiniko @ google izany ny ambiny araka ny voalaza tetsy ambony.

    Dia mamerimberina ny firariantsoa ho anao sy ny manodidina anao rehetra koa aho amin’izao taom-baovao izao.
    Misaotra amin’ny teny mamy sy ny fankaherezana 🙂

  4. Amiko indray raha resaka ‘tena’ fivavahana dia tsy tokony misy atahorana ny mametraka izay fanontaniana ‘ny manontany tsy mba diso’. Mazava ho azy fa anao ny mandanjalanja ny valiny 😉

    Ts’isy fisaorana fa izany no maha-namana sa ? Mandra-pihaona vetivety.

  5. na dia tsy nisy aza ny herimbaratra dia fahazavan’ny Fanahy Masina hatrany kosa no niely tao soatanana. Miarahaba anareo rehetra mpikarakara ny site, fifohazana manolotrony aty ampitandranomasina ihany koa aho kanefa rehefa mifoha amiko dia mitovy daholo. Misaotra fa mahafinaritra ny site, manantena hahitas vaovao eto foana. misaotra

  6. Zava-poana tokoa ny ‘fandrosoana sy ny herim-baratra’ fa ny tena ‘Fahazavana’ no tsara karohina, ary isan’ireo nahita izany ‘Fahazavana’ izany ireo zanaky ny fifohazana.

    Tongasoa etoana ary misaotra amin’ny fitsidihana 😀
    Samia hotahiana jiaby !

  7. Mahafinaritra be ny fahafantarana ny momba ny toby eto madagasikara amin’ny alalan’ny internet.ny tanjon’ ireo toby agamba de ny ialan’i sampy sy ny finoanoam-poana mba iorenan’ny olona rehetra ny finoana an’iJesosy.

  8. Ohatra, tany atsimo atsinanana dia noheverina ho fady ireo zaza kambana ka tsy maintsy sedraina araka ny fombafomba raha vao teraka ary tsy maintsy maty ny iray vao afaka ilay vitan-dratsy mandrahona ny mpiara-monina 😦

    Nimasoan’i Nenilava ny nangataka ireo zaza kambana hoe ‘avelao hianjady aty amiko ny vitan-dratsin’ireo zaza fa avelao izy ho velona’ 🙂 Resy lahatra sy afaka tamin’ny finoanoam-poana ireo olona rehefa nahita ny vokatsoan’ny finoana anaty amin’ny fiainana ety ivelany.

    Tongasoa etoana Manjakahery Tsirinirina, Misaotra amin’ny fitsidihana 😀 indrindra ny fijoroana vavolombelona.

  9. Misaotra tsika be dia be amin’ny fampahafantarana ny momban’ny fifohazana Soatanana.Izaho moa dia zanaky Soatanana monina aty la Réunion ary milaza mihitsy aho fa tamin’ny alalan’ny fampianarana ity fifohazana ity no itiliko ny fampianarana hitako amin’izao fotoana izao.Hoy dada Rajoelina izay(Mpitarika fifohazana 1932-1960)raha misy zavatra tsy manahirana anao eo amin’ny fiainanao arapanahy dia anontanio ny Fanahy Masina:marina tokoa io.FANOMEZANA AVY AMIN’JESOSY TOKOA NY FIFOHAZANA

  10. >FANOMEZANA AVY AMIN’JESOSY TOKOA NY FIFOHAZANA
    Mbola miteny tokoa Andriamanitra hoan’ireo izay manongilan-tsofina, tsy mitsahatra ny miasa Izy hoan’ireo izay manda ny hikipy.

    Mankasitraka ny fandraisanao fitenenana etoana Ravalison Raboana Faly 🙂 Misaotra koa amin’ireo teny mamy sy ny fampitana ny anatry i dada Rajoelina, fa misy hosaintsainina sy hotsakotsakoana.

  11. asa raha tsikaritrareo fa indraindray – matetika ka zary ny pasitera sy ny « mpaminany » ary ny fivavahana no lasa ivavahana.

    marihiko fa samihafa ny mivavaka tsotra sy ny « mivavaka amin’ny fivavahana ».

  12. Rehefa manondro ny volana ny tondro, ny adala ilay tondro no banjininy, Kong Fu Zi nadika ho Confucius amin’ny teny Latina (-551 al. J-K. – 479 al. J-K.) « Quand le doigt montre la lune, l’imbécile regarde le doigt »

    Marina ny teninao fa mihamaro tokoa ireo « intégriste » na amin’ny fombam-pivavahana inona na fombam-pivavahana inona. Rehefa tsy mitandrina dia ilay tondro no izingizinina 😦

  13. Faly miarahaba antsika rehetra @anaran’i Jesosy ny tenako.Hoy ny Tenin’Andiamanitra: »tsarovy ny mpitondra nareo fahiny,hevero ny fiafarany,araho ny finoany » Araka ny voalazako moa dia avy t@ Andtra tokoa ity fifohazana Soatanana ity ary fanomezana nomen’Andtra nomeny atsika malagasy tahaka ireo firenena maro izay misy fifohazam-panahy.Izaho dia manana fampianaran’ireo iraka taloha ary mitovy @fampianaran’ireo misionera lehibe taty andafy dia ny VAVAKA no voalohany

  14. Tsy manenjika fivavahana sanatria fa mahalala olona aho zanaka fifohazana tao Soatanana,ny Rar milevina ao fa dia tsy arakaraka izay ny toetra .Nefa  » Jesosy  » tonony ihany.Manimba ny imagen’ ny Fifohazana izany amiko.Lasa mihemotra ny olona satria tsy mitory izy fa mirehareha mitondra anarana fotsiny.

  15. @ Faly izay mahavangivangy hono tian-kavana, misaotra amin’ny fitsidihana.

    Mitovy hevitra aminao, vavaka no voalohany izany hoe fifandraisana mivantana amin’Andriamanitra ilay Mpahary. Tsy afaka mamahatra fitokisana amin’olombelona satria ny raràn’ny Soratra Masina izany ary ny olombelona, olombelona ihany ka mety solafaka.

    @ Fafah > Manimba ny imagen’ ny Fifohazana izany amiko
    Marina ny teninao ary mampalahelo ny zavatra toy izany, mamiratra ivelany anefa poaka anaty [vide]. Tsarovy anefa ilay adala lany andro mibanjina ny tondro ety an-tany fa tsy ny volana eny an-danitra [cf. fanoharana ery ambonimbony]. Tondro ihany izay rehetra milaza azy ho zanaka fifohazana ka aza variana mandinika azy ireny fa Andriamanitra no todiho, Izy no tanteraka [parfait].

  16. Faly miarahaba antsika rehetra indray ny tenako. Vitan’ny elabe hoy ny avy any atsimo. Raha niresaka ny Fampianaran Soatanana aho dia tsy milaza mihitsy fa ny azy irery no marina fa kosa fanomezan Atra hoan’malagasy io; araka ny voalazako dia manampy ahy betsaka ny Fampianaran Soatanana ary ampitahaiko @ Soratra Masina avy eo Misy pastora amerikana malaza David Wilkerson, mitovy @ Fifohazana ny fampianarana lazainy ny @ asa ny Fanahy Masina. Radaniela t@ andron Rainisoalambo no nanao Fampianar Fanahy Masina, mitovy @ ataon Wilkerson izao fotoana izao; 100 taona eo nefa ny elanalantaona niainan’izy mirahalahy. Ary anisan’ny iray mbola mampatanjaka ny fifohazana dia ny Fahamasinana ary rehefa aty ivelan Madagasikara dia hita mihitsy ny avantage namolavolana ny tena t@ fifohazana. Hitako misy fiarovana tsara @ société de consommation aty @ tany mandroso! Mahereza ao @ Tompo ê

  17. Vitan’ny elabe koa ianao Ra-Faly 🙂
    >hita mihitsy ny avantage namolavolana ny tena t@ fifohazana. Hitako misy fiarovana tsara @ société de consommation aty @ tany mandroso!
    Misaotra amin’ny fijoroana vavolombelona fa azo atrehina sy resena tsara tokoa ireo lafi-ratsin’ny @ « société de consommation » raha tsara fototra amin’ny Soratra Masina ny fitondra-tena, fa tsy mora arona atsy sy aroa, sy miovamiova manarak’izay toetr’andro fotsiny.

  18. Io fomba fiaina miainga amin’ny soratra masina io ihany amiko aloha hatreto no ahitam-pandrosoana sy fahombiazana; ary hanana fiadanana

  19. Tongasoa etoana Jean
    >Io fomba fiaina miainga amin’ny soratra masina io

    Maimaim-poana, tsy misy zavatra amidy izany fijery izany ka anivon’ny “société de consommation” izay manjaka ankehitriny dia mbola ny “culte de l’apparence” izay afahana mivarotra ihany no maro mpandoka.

    Misaotra @ fijoroanao vavolombelona. Mitondra hery ho ahy ny mahalala fa tsy samirery isika fa marobe no mizara izany fomba fijery izany na dia zarazarain’ny tokontany mahalana aza 🙂

  20. Salama jiaby e. Izay indray vao tafavangy fa simba lava ny net. Manahirana mihitsy anie ny fijoroana aty @ misy ahy aty. Asa raha mba azonareo ampiana aho @ famaritana ny atao hoe « filokàna ». Fa tena zanak’ondry eny afovoan’ny amboadia aho, mino kosa fa Jesosy miaro ahy, na dia esoina noho ny tsy fandraisako anjara aza, ary tena andrasana kendry tohana mihitsy rah sendra misy manjò. Trotroy ambavaka fa tsy maintsy mandresy raha mbola ny Tompo no miahy e. Mandrapitsidika.

  21. Miarahaba anao ry Aro, faly mandray anao etoana. Mahereza na dia misedra rivo-mahery aza ianao. Tsarovy fa raha iraka isika dia tsy isika no tompon’ny ady, satria dia fitaovana ihany isika.

    > Asa raha mba azonareo ampiana aho @ famaritana ny atao hoe “filokàna”

    Ny filokàna ve tsy vola kendrena ho azo amin’ny alàlan’ny lalao ? Izany hoe ilay lalao dia zary fitaovana fotsiny, fa ilay vola no tena tanjona.

  22. Misaotra @ fampaherezana, marina izany, iraka isika, Jesosy no miady. Hanomboka ny 22/10 zao ny fianarako ho Pasitera, mety mbola hihaona isika indray andro. Faly aho mba mizara amnareo izany sady mba hanohananareo ahy ambavaka ihany koa e. Mandrapitsidika.

  23. > Hanomboka ny 22/10 zao ny fianarako ho Pasitera

    Vaovao tsara vokatra fikasàna tsara izany amborakao aminnay mpamaky izany ka dia mahefà be 😀 raha tsy mahadiso, aiza kay no tanàna ianaranao ?

  24. Miarahaba antsika rehetra @ anaran’ Jesosy. Izaho izay manoratra dia zanaky ny Fifohazana toa an’i Faly ary fantatro tsara izy. Mipetraka eto Antananarivo (Paradisa II).
    Ny tiako homarihina fotsiny dia zavatra 2 :

    1) Ny amin’ilay zanaka fifohazana ratsy toetra : samy manana ny fiainany sy ny safidiny ny olona ka tsy azo sakanana. Na dia zaza ao antokatrano aza dia mbola misy foana ny mania. Izany akory tsy hanimbazimbana ny fiaviany sy ny finoany. Maro ny kristiana (katolika, protestanta) ratsy toetra dia ny fiangonana na I kristy ve no asina-teny ??? Mino aho fa tsy izany velively.

    2) Tsara ihany koa ho fantantsika fa I Soatanana dia tanana. Misy ao ireo karazan’antokom-pinoana ary misy aza ireo tsy mivavaka mihitsy. Noho izany dia tsy voatery hoe fifohazana avokoa ireo mponina ao.

    3) Ny fifohazana (avaratra) dia tsy miankina amin’antokom-pinoana fa mahaleo tena. Ny ao soatanana dia misy ny Fifohazana Loterana. Ny tena fifohazana mahaleo-tena dia tarihin’i Dadabe Ravita Petera Ankehitriny. IO no fifohazana tsy niankina manana ilay trano vato fiangonana lehibe ao Soatanana. Manana ny litorijia manokana ho azy fa tsy toy ny fifohazana sasany izay miray @ FJKM na FLM.

    Raha mila fanazavana dia mbola afaka manome aho raha ilaina.
    Misaotra tompoko.

  25. Miarahaba anao mandray anajara eto amin’ity sehatra ity ry Mamy 🙂

    Misaotra koa amin’ny fanampim-panazavanao ary manantena sahady ny fandraisanao anjara sy hameno izay banga fa mikasa ny hanoratra momba an’i Soatanana aho atsy aoriana kely atsy.

  26. Miarahaba anao.

    Vonona aho hanampy anao @ izay kely mba fantatro raha tianao. Misy mantsy ireo mpanoratra izay mijanona hatreo @ taona 1956 eo ho eo. Fa ny tohiny tsy misy satria nizara roa ny fifohazana : ny iray ilay miaraka @ FLM ary ny iray tsy miankina mahaleo-tena. Ka eo no mahasadaikatra ny olona satria tsy te-hanoratra momba ilay tena fifohazana tys miankina ry zareo satria FLM na FJKM.

    Mazotoa e!

  27. Misaotra amin’ny taridesaka, Isaorana ny Tompo ny fisian’ny fifohazana any Madagasikara satria fanoitra manetsika ny hafanampon’ny kristiana tsy ho roboka ao anaty famoizampo nohon’ny fiainana, misy site ity : http://fpma-dijon.org/content/view/152/ momba ny fifohazana, nanetsika ny saiko indrindra tao ny teny izao: « Ny matoanteny dia « mifoha », izany hoe miala ao amin’ny torimaso ho amin’ny fahatsiarovana ; miala ao amin’ny maizina mankao amin’ny mazava ; mifady ny ratsy mifidy ny tsara ; mahafady ny fahotana ka mandala ny fahamarinana ; mandresy ny fahafatesana ka misalotra ny fiainana mandrakizay »
    Ka matoa ny Firenena malagasy voatanisa ho isan’ny firenena manana manampinoana eto amin’ny tany dia satria mifoha, mifoha hatrany. misy manaitra hatrany.

  28. >Ka matoa ny Firenena malagasy voatanisa ho isan’ny firenena manana manampinoana eto amin’ny tany dia satria mifoha, mifoha hatrany. misy manaitra hatrany.

    Arak’ilay teny hoe « tsy ny salama no mila fanafody » dia tokony hampieritreritra antsika fa firenena tena isan’ny ilana famohazana izany isika Malagasy.

    Marina aloha fa maha-velom-panantenana ny nipoiran’ny fifohazana tany amintsika anefa velom-panontaniana koa aho ny amin’izay adidy efaintsika ho setrin’izany asa mahagaga izany.

  29. Miara-miaiky aminao aho raha velompanontaniana satria misy tokoa ny teny hoe: izay mahalala bebe kokoa dia adinina bebe kokoa;
    Ny zavatra tsapan’ny olona miangona amin’ny finoana hafa dia misy fiangonana sasany izay ny antsasaky ny lehibe ao dia mpiandry daholo, indrindra ny vehivavy: fijoroana vavolombelona eo anatrehan’ny fiaraha-monina ny maha-mpiandry ankoatry ny tafika masina atao: fijoroana vavolombelona eo amin’ny toetra aseho indrindra indrindra, ho toriteny velona.
    Amiko dia io no adidy lehibe indrindra voalohany tokony hokojakojain’ny mpiandry tsirairay ary koa tokony averimberina amin’ireny fivoriana amin’ny toby ireny, satria sao lasa itenenan-dratsy ny anaran’Andriamanitra ny mahampiandry. Ka fototry ny mampihemotra fanahy hafa : ny toetra sy fomba fiainan’ny mpiandry tsirairay ezahina tsy ifampisoronana anomezana voninahitra ny Avo

  30. > misy fiangonana sasany izay ny antsasaky ny lehibe ao dia mpiandry daholo

    Tena mitovitovy hevitra isika satria henoko koa io toe-javatra iray io, ka toa zary dingana manaraka ny maha-mpandray ny fanasan’ny Tompo na Kominio, ny filatsahana ho mpiandry.

    Averiko indray fa isan’ireo izay velom-bolo mihintsy aho mahita ny hamaroan’ny isan’ireo mpiandry. Anefa tena mipetraka mihintsy tokoa ny fanontaniana amin’izay fipetrahan’ny tena « toriteny velona » araky ny nambaranao.

    Isika samy mahalala fa tsy kely làlana ny ratsy, ka angamba tsy ho diso aho raha manambara fa milà fifampitondrana sy fifananàrana ny samy Mpiandry, araky ny fampianarana izay notsongaina tao amin’ny Soratra Masina ary nolovaina tamin’iray Ray sy Renin’ny Fifohazana ihany rahateo, mba tsy « itenenan-dratsy ny anaran’Andriamanitra » araky ny nolaizainao.

    Misaotra betsaka amin’ny tolo-kevitra 😉

  31. Miarahaba antsika rehetra. Izaho dia sendra nijery ao @ google ny fahalalan’ny olona na ny lazan’ny Fifohazana eto Madagasikara ao @ Internet no sendra nahita ity site ity.

    Raha liana ny handefasako vatsim-panahy na perikopa isan-kerinandro ianao dia manorata ao @ hraboana@yahoo.fr.

    Mirary soa ho antsika, ho tahian’Andriamanitra tompoko.

  32. Izahay koa dia anisan’ny zanaky ny toby, tao amin’ilay sekoly mpifohazana Lycée Privée RAINISOALAMBO izahay no nivoaka.
    Mahaleo tena tokoa io Fifohazana soatanana io satria anisan’izany ny fananana Sekoly,Tobim-pahasalamana, sns…. manokana ho azy
    Eto izahay dia manenatana sahady ireo zanaky ny toby amin’ilay fotoana lehibe izay ahatsiarovana ny nazahoan’ny Fifohazana fahaleovan-tena dia ny 17 septambra izany, fotoana iray tsy hadinon’ny maro izy io koa dia tongava maro eh! « aza mba manadino ny tanindrazanao »

  33. Ravalison Raboana Faly? mbô alefaso ny mail hifampitana vaovao fa izahay koa anie ka zanaky ny Toby eh!

    Azafady azo atao ve zany Tomavana!
     » Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo »

  34. Raha izaho manokana aloha dia tsy hitako izay maharatsy azy … saingy tsy maintsy miandry ihany izay hevitrareo aloha aho vao manatanteraka satria anareo ny fanapahana raha ampitaiko ireo imailaka napetrakareo ireo na tokony hijanona ho tsiambaratelo ihany 😉

  35. Miarahaba antsika rehetra mpamaky amin’ny anaran’i Jesosy.Tena tsara mihitsy ry reto ny fifoazana a.Otran’ny fiangonanay zao dia mampalahelo fa mbola tsy misy sampana fifoazana, izay angatahina amintsika mba ho entina ambavaka e.

  36. Faly mandray anao eto ry Haja 🙂

    Hoan’izay efa nanandrana ny fifohazana ka sy nahita vokatsoa taminy dia mety misy tokoa ny fiposahan’ny hevitra « hanery izay olona mbola aty ivelany » mba hanovo amin’izany loharanontsoa izany.

    Zavatra roa no heveriko : voalohany Andriamanitra tsy manao an-tery ka amim-kahalalahana no andraisan’ny tsirairay ny fahasoavana atolotra azy na handavany, ary ny mivavaka ho azy ireo mba hanao ny safidy tsara no anjarantsiky. Faharoa, ilàna faharetana ny fanarahana ny Tompo satria izy ihany no mahalala izay fotoana maha-mety ny hahatanteraka izany.

  37. Salama Tomavana, elaela tsy nahatsidika, sahirana e, be erehina. Mahafinaritra ny fiovàn’ny site, mety tsara amin’ny masoko. Azafady fa angamba mbola tsy voavaliko ny fanontanian’i Tomavana efa ela. Aty Rome no misy anay, ary vao nandefasan’i Jesosy Mpiandry mivady miaraka @ fianakaviany zahay, ka dia faly ery satria fantatrareo ihany ny regime. Betsaka ny fitsapàna nandalovana tao ho ao zay an! Saingy miharihary foana ny voninahiny, na dia kotsan-dranomaso aza ny tava, ny Tompo nampitsiky hatrany. Satry hijoro vavolombelona foana Tomavana, saingy ny ijoroana no tsy dia misy indraindray. Manao zava-mahagaga tsy takatry ny sain’olombelona ny Tompo, sady ivelan’ny teknika ambony, na mekanika ambony, na siantifika ambony, tena magie hoy ny hafa, impossible, … sahirantsaina ny be interpretation, nefa tsotra ny fanazavana, Mahery ny Tompo e. Mandrapitsidika.

  38. Tratry ny 17 Septambra aloha i Aro e ! Faly mamaky anao eto indray.

    MIsaotra amin’ny valim-panontaniana fa raha tsy diso aho, moa ve any amin’ny Faculté Valdese no azo ianarana ny Theolojia Protestanta any Roma ?

    Ankoatr’izay dia tsy misy tsiny ny fanatanterahina ny adidy fa ny blaogy dia ambiny ihany 😉 dia samy hotafian’Andriamanitra hery.

  39. Salama daholo. Misaotra @ fandraisana mahafinaritra e. Fa inona aloha ny 17 sept, fety angaha sa mba fiarahabana fotsiny hatrizay ela tsy nifamangiana zay? Tena marina, ao @ Facoltà Valdese di Teologia eto Roma aho no mianatra. Ary mahafantapantatra ny aty ianareo any izany, efa nandalo taty angaha sa?… Dia mirary soa sy faherezana hatrany. Mahefà be daholo @ asa e. Mandrapitsidika.

  40. Miarahaba anareo rehetra eto!
    Vao avy nisy kapoka mafy nanjo ahy, de mba nijerijery site hay moa sendra anareo. Mahafinaritra ary betsaka ny zava-baovao hitako tato, efa mpivavaka sy mahalala tsara an’Andriamanitra sy Jesosy fa saingy tsy zanaky ny fifohazana aho. Mangataka vavaka aminareo mba handresy @ ady atrehiko e!
    Manao veloma, samia hotahiana.

  41. Tsy misy ny kisendrasendra ry Vahiny sendra mandalo 😉 tongasoa eto ianao

    Misaotra koa tsy nisalasala nizara izay mavesatra … izaho dia isan’izay mihevitra fa ny maha-zanak’Andriamanitra dia ambony lavitra noho ny hoe « zanaky ny fifohazana » … Ao ambany elatry ny fiarovan’Andriamanitra no irariako hahitanao fiononana … koa maherezà dia samy hotahiana isika jiaby !

  42. Misaotra t@ vavaka, nandeha tribunal ny raharahanay, izaho no mpitory nefa afaka maina tsy nisy sazy sy onitra ilay notorina. Tsy nampaninona ahy izay satria tsy hanagadra olona no tena tanjoko fa fampafahantarana azy fotsiny fa fantatro hoe izy no nanao ny asa ratsy. Efa mionona be mitsy ny foko t@ zavatro very fa dia isaorana ianareo sy ny Tompo izay nampahery.

  43. Ny tso-drano atao antsika Kristiana amin’ny famaranana ny fotoam-pivavahana dia ny mba azahoantsika fiadanana na fiononana (paix, peace). Izany hoe ny mifanohitra amin’izay « mitebiteby lava » sy izay « mandry tsy lavo-loha. »

    Ka faly aho mandre fa feno izany fiononana izany ny fonao satria nahay nahafoy ireo zavatra very ireo.

  44. Manahoana vahiny. Salama Tomavana. Mampalahelo tokoa zany very zavatra izany ry vahiny, fa rehefa manaiky hoe Jesosy no mitantana dia manana fiononana mahagaga. Indroa nihatra tamiko io. Valo taona lasa, tsy henoko akory ny nangalan’ny mpangalatra ahy ny poketra eny antanako, na ny marimarina kokoa teo ampofoko tao anaty taxi-be ho any Tanjombato andeha hiasa. Efa lasa 200m teo @ fialàna vao hitako sy tsapako fa toa maivana be aho zany. Lay taxi-be efa lasa, ny olona naka tsy fantatra sy tsy heno ary tsy hita. Taloha kelin’izay aho no tena niorina t@ finoana, ka toy ny nampihomehy ahy indray ilay poketra very hoe: fa dia matory atoandro mihitsy zaho ity, nefa vao maraina @ 7ora io. Tsy dia nisy vola be aloha tao anatiny, fa maro be kosa ireo zavatra madinidinika noheveriko fa sarobidy tao anatiny satria avy any andafy. Taty aoriana tsapako fa toy ny sampikely manaraka ahy isan’andro ireny, satria nony nahazo poketra vaovao aho dia zara fa nisy zavatra sisa tao anatiny ka dia nasiako baiboly. Ny faharoa dia t@ 1er fevrier 2007, very ny fiaranay vaovao tsy ampy roa taona akory, teo anoloan’ny trano, fa rehefa avy nandohalika t@ Jesosy andranomaso zahay mivady, dia nahazo hery. Izahay indray no nampahery ireo mpiray tampo sy namana, havana samihafa izay nandre. Ny sasany moa dia toy ny sanatria ireny mahare fahoriana ireny. Atao ahoana moa fa tampoka ary tsy nisy nihevitra hoe hitranga izany, manaporofo koa fa tia anay izy ireo matoa taitra mafy sy malahelo. Nofantsihana tao andoha mafy ny hoe tsy mandao ianao Jesosy, ary mbola zavatra iny fa tsy aina, ka isaorana anao ny fahaverezany, isaorana ihany koa fa ny anay fa tsy ny an’ny hafa, satria misy tianao haseho na aminay na @ izay rehetra manodidina anay. Na dia toa fantampantatra ihany aza ny tao ambadika, nisy ihany ireo ahiahiana, dia nofoanana tao andoha mihitsy sao sanatria mahameloka indray. Manaik ny fahaverezany na iza na iza no nangalatra, an’Andriamanitra ny famaliana, ka raha olona akaiky eo dia ho hita eny ihany angamba indray andro, tsy hita moa dia efa ankinina Aminy. Efa voasolo t@ fomba mahagaga avokoa ireo zay tsy ho ary ho voasoratra etoana. Ny zavatra tena tsapako @ fahaverezan-javatra dia rehefa anankinana fo be loatra ny zavatra iray, dia mora very. Sady izao vahiny a! Jereo daholo anie ny fanananao manodidina e? eny hatramin’ny olona ao antokan-trano, tadidio fa mandalo daholo ireo, tsy maharitra, ary tsy fantatra mihitsy ny hanjavonany tampoka, na amn’ny fomba ahoana na @ fomba ahoana (Mampahatsiaro ahy ilay vazy seramikan-dreniko mamirapiratra be tsara tarehy, vao nomen’olona azy, hafaliana sy fankasitrahana ary fisaorana moa zany nataony zany, vao lasa ilay olona tsy azo nikitihina sy kizitim-belona mihitsy izy raha sendra miteny toerana tsy mifanaraka @ sainy sy ny eritreriny ianao asiana ilay vazy, kanjo inona hoy ianao, tsy niaina adiny roa tao antrano akory ilay vazy fa izy ihany no namaky azy. Hatairana ny nahenoinay ny fiparasahany, nangaina teo, zahay moa nihomehy tany ankam-po). Misy dicton frantsay izay toa marina ihany manao hoe « la meilleure façon de garder une chose, c’est de penser qu’un jour on va la perdre ». Asa zay hevitrareo, fa ny ahy dia tanako mafy Jesosy fa hainy ny manome fiadanana amam-piononana ahy n’inon’inona mitranga. Mahereza ary azafady Tomavana raha nandalo indray dia be kabary e. Satry hitory eto ihany. Mandra-piresaka ary ò.

  45. >Ny zavatra tena tsapako @ fahaverezan-javatra dia rehefa anankinana fo be loatra ny zavatra iray, dia mora very.

    Io izany no arak’ilay voasoratra momba ny « tananao ankavanana » manao hoe « mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin’ny helo. » [Mat. 5.30b]

  46. Miarahaba antsika rehetra. Ho an’i Tomavana! Fa nankaiza ilay loko mazava? Mba tiako iny satria ty maizina be ity sarotra vakiana, zaho mantsy efa nahazoazo taona ihany e. Mba faniriana iny fa zay tianao ihany e. Mandrapiresaka

  47. Tena marina izany … hatramin’ny nanovako ny bikabikan’ilay blaogy mbola mila mitady hevitra indray aho hanerena azy ho loko mazava, satria ankehitriny dia ny blaogy samirery no misafidy izay loko « tandrify » apetraka.

  48. Faly miarahaba antsika eto. Aty Canada aho, vao fotoana vitsisitsy izay no nahatongavanay mivady aty. Sendra nijery tato amin’ny internet dia tena faly tafiditra ato ary tena mino fa fitantanan’Andriamanitra no nahatonga ahy ato.
    Ny rafozako sy ny iray tampo amin’ny vadiko no misy mpiandry, ary efa mpamonjy ny fotoam-pifohazana tokoa izahay. Ny fifalianay dia misy fotoam-pifohazana ihany koa aty Montréal, ary miezaka arak’izay tratra mamonjy izany izahay, saingy aty amin’ny région lavidavitra kely moa no misy anay.
    Midera an’Andriamanitra mandrakariva izahay amin’ny fitiavany tsy lany ritra atobany aminay, ary mangataka vavaka aminareo namana satria dia maniry mafy ny hanan-janaka izahay (efa7 taona nivadiana), ary fantatray fa ny vavaky ny maro mahaloa-danitra. Matoky izahay fa mahery Jesoa Kristy ary tsy misy mahasakana ny voninahiny tsy hamirapiratra;

    Misaotra indrindra dia samy hotahian’Andriamanitra

  49. Mirary Noely feno fahasambarana hoan’ny ankohonanareo ry Hanitra na dia any amin’ny hatsiaka lavitry ny tanindrazana aza ianareo mivady ankehitriny.

    Misaotra anao nampahalala ny fijoroan’izany fihaonana sy fankaherezana ara-pifohazana any Montréal izany.

    Hotsarovakò ao amin’ny tonom-bavako izany fanirianareo mivady izany. Mamerina ny fisaorana tamin’ny hafatra napetrakao, samia hotahiana !

  50. Misaotra ny TOMPO fa mandroso ny asa fampahafantarana ny toby ao Soatanana. Faly nytenako raha nahita ny sary sy ny fanazavana an’ny Soatanana tato amin’ny Internet .
    Izaho moa dia zanaka Fifohazana mipetraka aty FRANCE ary maniry ny mba hitohizan’izao asa izao hivelatra bebe kokoa. Vonona koa ny tenako hifampidinika sy hifanakalo hevitra amin’ireo zanaka Fifohazana reahetra .

  51. Misaotra ny TOMPO fa mandroso ny asa fampahafantarana ny toby ao Soatanana. Faly nytenako raha nahita ny sary sy ny fanazavana an’ny Soatanana tato amin’ny Internet .
    Izaho moa dia zanaka Fifohazana mipetraka aty FRANCE ary maniry ny mba hitohizan’izao asa izao hivelatra bebe kokoa. Vonona koa ny tenako hifampidinika sy hifanakalo hevitra amin’ireo zanaka Fifohazana reahetra . Maniry ny mba hifandray amin’ny namana tia fifohazana rehatra.

  52. >Maniry ny mba hifandray amin’ny namana tia fifohazana rehatra.

    Faly mandray anao eto Rasolomampionona Andrianirina, marina fa mahamora tokoa ny fifandraisana ny fisian’ny sehatra Internet ka dia misaotra amin’ny fahavononana hifanakalo hevitra sy ny famporisihina 🙂

  53. Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesosy Kristy!
    Izaho indray dia tsy mba zanaka Fifohazana na mpiandry, ary tsy mbola mpandray ny fanasan’ny Tompo akory. Nefa izaho dia manaraka hatrany ary liana dia liana amin’ny fampianarana rehetra momba ny Tompontsika. Ao amin’ny Fiangona Loterana 67Ha aho no mandeha miangona ary mamonjy matetika ny fotoana anaovana ny Asa sy Fampaherezana omena ao.

    Be dia be ny zavatra tiako ambara sy anontaniana, fa ny hafaliako no hozaraiko aminareo, fa tsara tokoa Andriamanitra: Naniry mafy aho ny hanantona ny Toby 238 ary dia tanteraka izany ny 31 Décembre 2008 teo. Hafaliana sy « fierté » tsy misy hoatra’izany ny ahy.

    Talohan’izay dia anisan’ireo zavatra no-considérer- ko ho toy ny sarotra mihitsy izany noho ny asako sy ny « contexte » iainako, nefa rehefa nangataka mafy tamin’i Jesosy aho ny hitondrany ahy ao dia notanterahany izany ary mbola hiderako Azy.

    Ankehitriny dia tsapako fa mbola misy fampanantenana be dia be omen’i Jesosy ahy ary mbola mila mianatra zavatra betsaka aho ho fanampin’ireo izay efa nomeny ahy.

    MAHATOKY AZY AHO FA IZY IRERY IHANY NO HAHATANTERAKA IZANY!
    Amin’ny manaraka indray o!!!

  54. >Ankehitriny dia tsapako fa mbola misy fampanantenana be dia be omen’i Jesosy ahy ary mbola mila mianatra zavatra betsaka aho ho fanampin’ireo izay efa nomeny ahy

    Faly mandray anao eto ry Rasehenoniaina Harimanantena, misaotra amin’ny fijoroanao vavolombelona fa mamaly vavaka tokoa Andriamanitra 🙂 Maherezà hatrany amin’ny làlana efa nitondrany anao

  55. Misaotra anareo!
    Izaho kosa mba mitady olona mbola manohy mivavaka @fomba fifohazana (FFSM) aty Frantsa, raha mba misy dia isaorana sahady ny fifampilazana.

    Misaotra mialoha

  56. >Izaho kosa mba mitady olona mbola manohy mivavaka @fomba fifohazana (FFSM) aty Frantsa

    Faly mandray anao eto ry Rajoharisolo Heriniaina 🙂 heveriko fa tsy maintsy misy manoina ny hafatra napetrakao, fa dia mazotoa. Samia hotahiana isika mianakavy !

  57. Misaotra ano rahalahy Rajoharisolo,

    Tafahaona ny tia sy ny manina ary nangetahata hianao ka tojo loharanao.Izaho izay miresaka aminao izao koa toy izany. IO NY ADIRESIKO KA DIA NDAO HIROSO AMIN’NY FIFANKAFANTARANA BEBE KOKOA ANGAHA ALOHAN’NY HIFAMPIZARANA SY HIFANAKALOZANA IZAY METY MAHASO SY NY HAMPANDROSOANA NY FINOANA NAORINA TAMINTSIKA FONY MBOLA KELY…. ».. Fa amin’izao sisa izao kosa dia Finoana no handehanan’ity Fifohazana ity. » … io no teny napetraky ny Ray amamn-dReny tamintsika, ary io no fomba mampiavaka antsika ao amin’ny FFSM. HO LAVA NY RESAKA FA DIA HOMEKO ANAO KOA NY SEHATRA.

  58. Dia faly miarahaba ny rehetra tratry ny taona 2009 indray ny tenako; ny Fahasoavan’ny Tompo sy ny Famindram-pony anie ho amintsika rehetra mpiafanerasera eto @site ity. Mahatsiaro ny tenin’i dada Rabenja izay aho manao hoe: » any aoriana any ity fifohazana ity (Soatanàna) hitory teny any an-dafy any ». Faminaniana moa io ka raha ny heritreritra fotsiny @izao dia tsy mahatakatra azy mihitsy; hoy aho mantsy, izay mipetraka aty la Réunion ary mahita sy mba mandray anjara @asa fitoriana filazantsara aty: ahoana no fitory ny Filazantsara aty (Frantsa, Angletera, sns) ohatra, izay nandefa ireo misionera maro, nitondra ny Fahazavana teto Madagasikara? Ary izay no mahatonga ilay voalazan’i Rainisoalambo hoe: « finoana no handehanana @izao sisa izao fa tsy fahitana intsony » Ka dia finoana sy vavaka no handraisako io faminanian’ny Raiamandreny io. Vonona ny tena raha miantso ny hitondrana ity Fifohazana ity aty ivelany Jesosy. Eo manko no mahatonga ny karazana « secte » betsaka: ny eritreritra tsara, mety mahasoa mihitsy aza indraindray dia heverintsika fa sitrapon’Atra. Ary eo no hizahana toetra tsara ny fanahy na avy amin’ny tena na ny fahavalo na avy @ Jesosy. Ka hoantsika zanak’i Soatanàna aty ivelany dia samia miorina tsara @ vavaka in-telo isan’andro farafahakeliny ary miorina tsara @ finoana avy @ Tenin’Atra; hoy dada Rajoelina izay: « izay maharitra @ ity fampianarana ity dia hanao zava-dehibe fa izay tsy maharitra kosa dia hijery zava-dehibe hataon’olona ». Dia mametraka ny veloma mandra-pitafa indray ê! Vakio IKor15/58. Faly havanareo

  59. Miarahaba antsika rehetra amin’ny anaran’i Jesosy Kristy!
    Izao indray vao tafaverina eto. Dia mbola faly hatrany mamaky ireo teny sy fampianarana samihafa apetraka momban’ny Tompo sy ny Finoana. Nandritra izay nanginana kely izay dia hita tokoa fa mitondra mandroso tsy tapaka Andriamanitra, misy fitsapana mafy indraindray, nefa misy koa valim-pitia marobe. Ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompo no tena mila aorina, fa « hain’ny mino ny zava- drehetra ». Indraindray dia tena mahatsiaro entin’ny tafio- divotra mafy dia mafy, nefa tsy adino fa Jesosy ao mijery sy manohana, dia izay foana no mampitraka. Indraindray aza manontany tena hoe fa aiza Andriamanitra, ary fa maninona no avelany hitranga izao zavatra rehetra izao. kanefa Izy hono tsy mba manome zavatra tsy zaka ary mainka aza mampahatanjaka ireny. Tsaroana foana fa misy zavatra tiany hotanterahina ao ambadika ao ary ny hany azo atao dia ny manaiky Azy. Dia mbola ijoroako vavolombelona hatrany fa TIA ANTSIKA ANDRIAMANITRA, tiany ny fanantonantsika Azy, tiany ny fanompoantsika Azy, tiany ny fanaovantsika ny Sitrapony, mahafaly Azy ny fitadiavantsika Azy ary tiany isika hitia Azy tahaka ny Ray sy ny zanaka. Nisy fotoana ao anaty ranomasom- pahoriana be no miantso Azy, mivavaka foana…Fa Izy mampiseho hoe tiany ianao, amin’ny fomba tsy ampoizinao, ary tsy tokony hohadinoina fa ty voatery izay eritreretintsika foana no tanteraka, fantatra fa Izy mbola mahay, mahery sy tsara lavitra noho isika ka tokony Izy ihany no tokony avelantsika hiasa. Dia mivavaka sy mampahery ireo izay mobla misalasala, ireo izay mbola mitady handà, mandrosoa fa ao no tena fiainana. Dia mametraka mandrampihaona amintsika rehetra, Ny Fiadanan’ny Tompo anie ho amintsika rehetra.

  60. … Raha misy ny dera sy ny laza dia aoka ho an’ANDRIAMANITRA irery ihany !..

    Faly mandray anjara hiaraka aminareo ny tenako. « JESOSY NO TSY MIOVA OMALY SY ANIO ARY HO MANDRAKIZAY »

    Velona izay ary mahita ny fahoriantsika.Mhalala ny tokony homena antsika.ISIKA NO MILA MANGATAKA AMINY @ finoana.

  61. « An’ I Jehôvah ny tany sy izay rehetra eo aminy »(Sal.24:1)
    Faly raha faly koa aho nahavaky ny rakitra ato.Izany indrindra no itsiahivako io andinin-tSoratra Masina io mba ho tonga ao am-pon’izay rehetra mivavaka amin’Ilay Mpanorina ny Fifohazana , andry mihazona ny FINOANA marina, voasedra sy hita porofo ka tsy ho levona eto Madagasikara io
    Mazotoa mifampizara fa tena tandrify antsika kristiana izany!!!!!!!!!!!!!!!!

  62. Miarahaba @ anaran I Jesosy,mba te ahazo ny adiresy Emailn I Ravalison Raboana Faly ,izay namana tao Tsaralalana,mba omena azy ny adiresy manoelatina@yahoo.fr na Tel:+1646-515-2047.Dia samy ho tahian I Jesosy Hoy :Andriatsiafara Manoela Tiana New York USA

  63. Ah, ça y est, je les ai retrouvées, j’ai cherché ces sept « règles » sur le net depuis 2007 car je les avais « perdues ». Merci.

  64. Miarahaba atsika rehetra zanaky ny fifohazana ny tenako !!! faly aho satria mba afaka mifandray @ nareo namana any Madagasikara sy aty am’pita!!! mba saika mitady ny adress e-mail ny zanaky ny fifohazana monina ao la Reunion ny tenako!!! misaotra indrindra tompoko!!! dia samy hotahian’ny Tompo aby isika rehetra!!!

    1. Voaray ny fangatahan’i Rtoa Angèle: anay moa izany dia zanaky ny fifohazana Soatanana mipetraka aty la Réunion. FALY no anarako. Tel N° 0262692548880
      FAHASOAVAN’I TOMPO HO AMINTSIKA REHETRA Ê!

  65. misaotra betsaka tompoko t@ adresse nomenao A/toa FALY!! dia Andriamanitra anie homba atsika rehetra mandrakariva !!!

  66. Manao akory aby tompoko!!! mba te hifankafantara @ ny zanaky fifohazana avy soatanana mipetraka à France zahay raha misy!!!!misaotra indrindra tompoko!!! ny Tompo homba aantsika rehetra!!

  67. Hatreto aloha dia mbola resy lahatra aho fa ny tsy finoana sy ny tsy fahatahorana an’Atra ary ny tsy fankatoavana ny soratra masina ary ny tsy fiainana izany no tena mbola mampahantra an-tsika.
    Fa saino fotsiny anie hoe manatanteraka ireto fotsiny ny olona rehetra na mpitondra na ny entina e : « aza mangalatra », « tiava ny namanao tahaka ny tenanao » dia ho hitanao fa feno fiadanana sahady ny fiainana

  68. Faly tokoa nahita itv site ity. Te nandray dia te hizara ihany koa. Mbola maro nô hosoratana fa dia à tao miandalana . Mangataka vavaka fa mandala adimpanahy mafy loatra , mila fanal ana dévoly amin ireo afaka ma ao izany fa misy fanahy rats y mapihorohoro s’y mampitahotra ary tsy ma patron aho isa kalina, Misaotra tompoko

  69. salama tompoko, ahoana ny fandean’ ny asa fifoazana any Soatanana fa mba te hivantana any zaho sady hitondra olona any am fitoam pifohazana. la date, ny tomoabilona mankany, logement sns … tout les détails . misaotra mialoha tomoko o

Répondre à Ravalison Raboana Faly Annuler la réponse.