Topazo-maso kely ange i Madagasikara


vinanindranon’i Sambava [estuaire] | Madagascar en plein vol | pejy 85 |

© Frank Mulliez

Sambo

Topazo-maso kely ange,
Ity misy sambo iray lehibe,
Mivesatra mpandeha,
Mitety ranomasim-be,

Ity onja be masiaka,
Sy rivotra mikiaka,
Manembatsembana ny dia,
Ho potika sy toro,
Tsy ho ela dia hikoro,
Herezo izany dia,

Ny anaran’ity sambo ve ?
Angamba tiana mba ho re,
I Madagasikara,
Ilay nosintsika lehibe

Irina mba ho tody,
Hiroso tsy himpody,
Ity sambo vonona sy sahy,
Hiaritra ny mafy,
Hanohitra mpandrafy,
Tsy kivy na manahy,

Rolland-Seth Rasolondraibe

Izany hira izany no mamelombelona ato an-tsaiko raha mankafy mijery ireo sarin’i Madagasikara asan’i Frank Mulliez aho, Madagascar en plein vol [Tana éditions | octobre 2006 | 200 pages | 27×27 cm].

Tsy ho tanteraka anefa ny tenin’i Tontolontsika « andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko » raha tsy fantatsika akory ny fisian’ireo olo-manga Malagasy ankehitriny toa ireo mpamoron-kira ngezalahy hoan’ny antokom-pihira [chorale].

Tena anisan’ireo mpamoron-kira ngezalahy ireo i Rolland-Seth Rasolondraibe raha ny momba ahy manokana. Mirary koa aho raha mirary, fihatsarana ara-pahasalamana ho azy amin’izao fotoan’ny fety izao.


sambo rendrika amin’ny morontsirak’i pointe-à-Larée [lakandrano manelanelana an’i Madagasikara sy i Sainte-Marie] | Madagascar en plein vol | pejy 75
| © Frank Mulliez

11 commentaires sur “Topazo-maso kely ange i Madagasikara”

  1. […] A l’instar du grand compositeur Malagasy Rolland-Seth Rasolondraibe, il n’est pas le premier à voire en Madagascar un bateau fendant les flots de l’océan […]

  2. Rasolondraibe Rolland Seth fantatrin’ny rehetra amin’ny anrana hoe Raprezy dia sady mpamoron-kira no mpamorona tantara ihany koa. Betsaka ny chorale efa notarihiny, anisan’izany ny Akon’ny lanitra any Fort -dauphin, ny Antsan’ny salema Fianarantsoa, KT ambatovinaky, ny Tarika artistika Ly Andriamamy. Mandrak’androany dia tsy mitsahatra izy mampita izany talentany izany ho fitoriana ny asan’i Tompo ka matetika no miseho amin’ny fahitalavitra Malagasy ny zava-bitany. Hihira ho an’i jehovah aho raha mbola velona koa

  3. Voalohany aloha dia faly mandray anao etoana Jewel😀

    Miombon-kevitra aminao aho amin’ny talentan’i Rasolondraibe Rolland-Seth fa izy tokoa no ‘Boss’. Ary satria ianao mahalala betsaka ny momba azy dia angamba mahazo manantena fiaraha-miasa aminao aho hampahalalana bebe kokoa ny mombamomba azy sy ireo traikefany.
    Mamerina ny fisaorana amin’ny fitsidihanao indrindra ny fanampi-pahalalàna.

  4. misaotra betsaka fa mahafiraritra ny fifandraisana ary mbola te hahita vaovao maharitra isika
    veloma hoy florine

  5. Mankasitraka ny fitsidihanao sy ny famelanao hafatra. Satria izay mahavangivangy tokoa no tian-kavana dia izaho no faly [mampiantrano] sy misaotra anao Florine😀

  6. […] lohateny anefa dia mampatsiahy antsika fa i Felana sy i Rija Rasolondraibe dia zanak’ ingahy Rolland-Seth Rasolondraibe izay isan’ireo ngezalahy mpamoron-kira hoan’ny antokom- pihira Malagasy [chorale] sady […]

  7. ry mpamaky hajaina
    amin’ny alahelo lehibe no ampandrenesako anareo fa Atoa Rolland Seth Rasolondraibe dia nantsoin’ilay Ray Nahary azy tamin’ny asabotsy maraina faha 08 sept lasa teo tamin’ny 01 ora maraina tao antananarivo, nahavita be tokoa Ratompokolahy tamin’ny fahavelony na teo amin’ny fiangonana na teo amin’ny firenena. dia mampahery ny fianakaviana manontolo

  8. Misaotra anao Diamondra nampita ny vaovao.

    Sendra aty an-tanindrazana aho dia efa namangy sy nitsapa alahelo ny fianakaviana tany Ambohibao. rehefa manam-potoana aho mbola hanoratra lavalava kokoa fa mbola mamaly hafatra vetivety fotsiny aloha izao.

  9. […] [topazo-maso kely ange i Madagasikara >>] Publié par tomavana rempli dans iza, hira […]

  10. Namorona piesy teatraly an-kira ihany koa izy fony fahavelony « Noely ho an’ny rahalahy » ny momba ny 29mars sns … fa mba isan’ny hirany tiako i « Barimaso »

  11. tiko ianao ry madagasikara ! tany mamko


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :