Fiarovana ny aina ny fitandrovana ny rano

« Toa-rano », sary nadika tamin’i Aérobrush >>

Nijery ‘Fiarovana ny aina ny fiarovana ny rano’ aho omaly alina. Io no fandaharana faharoa amin’ny andiam-pandaharana ‘Topi-maso avy any an-danitra’ nototonsain’i Yann Arthus-Bertrand izay mikasika ny rano ‘mamy fisotro’ [eau douce potable] [Protéger l’eau, c’est défendre la vie | Vu du ciel | France2 TV, Alakamisy 4 Janoary 2007, 08:50 ora alina].

« Tsy misy mahalala ny hasarobidin’ny rano … Raha tsy mbola nisedra tsy fisiana rano ! » hoy i YAB [On ignore la valeur de l’eau… Tant qu’on n’en manque pas !]. Ary satria maro ireo tsy mbola nisedra izany, dia asain’i YAB hitety faritra eran-tany amin’ny alalan’ny sary nalaina avy any an-danitra ny mpijery mba handinika ny toe-java misy hafa iainan’ny mponina raha ny mikasika ny rano mamy no resahina.

Ny fanehoany ohatra maro eran-tany amin’ny voka-dratsin’ny fanimbana ny fifandanjana [équilibre] nisy tamin’ny mponina sy ny zava-boahary dia entiny hampitandremana ireo mponina izay zatra manao fandaniana tsy am-piheverana ny rano. Ny mahasadaikatra ahy manokana dia ny 70 % n-ny fandaniana rano mamy dia ampiasaintsika amin’ny fambolena. Ireo fampiasana zezika mihoa-papana amin’ny fambolena anefa dia anisan’ny tompon’andraikitra amin’ny fanimbana maharitra ny rano mamy fisotro.

Sarotra ny hamintina ny fandaharana manontolo [100 minitra] fa amin’ny ankapobeany dia azo lazaina fa tsy sahala ny mponina raha ny rano mamy fisotro no resahina, ao ny nambinina ary ao ny tsy manam-piry. Fototry ny fiainana anefa ny rano mamy. Tsy fisotro ihany, fa ho fidiovana, fanadiovana ny akanjo sy ny fonenana, ilaina koa amin’ny fambolena sy ny fiompiana ets … Tsy mandrakizay anefa ny rano fa ny eo ihany no miodina sy avaozin’ny tontolo. Ary mila fotoana sy faharetana izany fanavaozana/fanadiovana izany ka raha terena dia tsy maintsy vidiana lafo arak’angovo [énergie].

Tsy azo isaina ho isan’ireo manao fandaniana tsy am-piheverana ny rano mamy ny mponina any Madagasikara, anefa manomboka mirona amin’ny fanondranana rano any ivelany isika izao [Madagascar Tribune, 02/11/2006 sy L’Express de Mada, 02/11/2006]. Ary ny fisian’ny mpividy vonona hanao fandaniana lafo dia porofo fanampiny ny maha-sarobidy azy. Raha ampiharina any amintsika ny tsoak’hevitr’ilay fandaharana dia misy anjoria [risque] ny fanovana ny fifandanjana misy eo amin’ny zava-boahary amin’ny fanovan-dàlana na fampihenana ny rano mikoriana.

Tsy eto ambany masoko izay valin’ny fanadihadiana nahatonga ny fanjakana Malagasy hivarotra ny reniranontsika fa ny heveriko ho mitombona izao dia izay vidin’ny rano rehetra dia tokony atokana hanatsarana ny fitsinjarana ny rano hoan’ny vahoaka Malagasy [L’eau se tarit et se raréfie – L’Express, 23/08/2006], sy ny fitandrovana ny hadion’ny rano mamy amin’ny alalan’ny fanorenana ‘usine de traitement des eaux’ amin’ny tanàn-dehibe ohatra, fa tsy sanatria hividianana solika na zezika izay hanampy trotraka ny fandotoana rano. Amiko tsy ampy ny fampanantenana asa hoan’olom-bitsy sy ny fandrotsahana ny vidin’ny rano any amin’ny ‘Kitapo iombonan’ny fanjakana’ [Trésor public].

Ankehitriny dia manomboka antsoin’ny mpandinika hoe ‘Volamena manga’ [or bleu, ny solika mantsy or noir] ny rano mamy azo sotroina [eau potable]. Harena hoan’ny taranaka ny fananàna sy fitandroana azy, ary ‘mandrora miantsilany izay tsy mihevitra ireo fampitandremana mikasika ny tokony hanajana ny ‘hasarobidin’ny rano’.

[jereo tahirintsarin’ny fandaharana – L’internaute.com >>]
[lire aussi: Protéger l’eau, c’est défendre la vie >>]
[discussion à propos de l’exportation de l’eau par Mada
initiée par Many | Merci Lova ! >>
]
[Safe water and more … – Lova >>]
[lire aussi: l’eau virtuelle par le worldwatercouncil.org >>]

15 commentaires sur “Fiarovana ny aina ny fitandrovana ny rano”

  1. Misotra anao manokatra ny maso amin’‘hasarobidin’ny rano’. Tohizoko aminy teny frantsay fa ny teny malgasiko mbola tsy « tafita ».
    Si ma memoire est bonne, Many avait lance un sujet de discussion sur l’exportation de l’eau par madagascar mais je ne retrouve pas le site exact.
    Un temoignage assez parlant d’un vahiny US parle de la secheresse croissante a Mada:
    http://www.rachelinafrica.com/archives/93

  2. Ianao no isaorako amin’ireo rohy sy vaovao. Nampiako etsy ambony ilay lahantsoratrao mikasika ny paompy Canzee.

  3. […] [Vakio koa Fiarovana ny aina ny fitandrovana ny rano >>] […]

  4. Mahagaga tokoa ity resaka hivarotra rano amin’ny vahiny ity nefa efa isan-taona isika dia mahareha ihany isika fa misy kere any androy any araka ny voalazan’i Lova etsy ambony😦

    Tiako ho hita ery ilay fandaharan’i Yab, tsy tratrako ilay afak’omaly azony tsy mijery fahita aliavitra firy intsony aho – ny sombiny fotsiny no hitako tamin’ny internet😦
    http://www.linternaute.com/video/nature-et-animaux/yann-arthus-bertrand-et-l-eau/

    Misaotra « Toum » a🙂

  5. Misy mahalala ve raha nisy ONG tsimiankina niara-niasa tamin’ny Fanjakana na raha mba azo topaza-maso ny vokatry fanadihadiana natao ?

    Harem-pirenena io ka rariny sy tsara raha mba misy adihevitra hahatsara ny raharaha « ny hevitry ny maro no mahataka-davitra » hoy ny Ntaolo.

    Mitovy izany, izaho koa tsy dia mpijery fahitalavitra loatra fa mba kisendrasendran’ny fotoana fialan-tsasatra. Ianareo ao Frantsa afaka mividy DVD [jereo rohy Malagasy miray] fa aza malahelo🙂

    « Vu du ciel il n’y a pas de frontière … on avait tourné en juin (ndlr. 2006) avant la guerre (ndlr. Liban) » Tsy misy faritany tokoa ny voahary fa isika olombelona no mametra hoe hatreto dia ahy ary hatreo anao. Rehefa tsy mifanaraka dia mamorona ady.

    Misaotra amin’ny rohy misy ny interview-n’i YAB, nojereko izy telo 😀 vangio koa fa misy rohin’ny tahirintsarin’ny fandaharana.

  6. Miombon-kevitra aminareo aho mikasika ny rano…

    Rehefa mihena ampitoerana ka tsy misy mampijaly; rehefa be loatra ny entin’ny cyclone vao maika manahirana.

    a+

  7. A propos des ONGs j’ai rajoute qq liens sur MM🙂
    plutot control de l’eau que protection de l’eau mais bon….

  8. @ toOK marina fa misy ilay lafiny tsy mety afa-po amin’ny olombelona fa mimenomenona foana.

    @ Lova misaotra betsaka amin’ireo rohy. Amin’ny maha mpandraharaha azy ireo, asa izay mba heviny amin’ity raharaha ity ?

  9. […] Marley (rat race) Je rejoins mes co-blogueurs Tomavana – Lova – Many – dans le bain de la sensibilisation pour l’importance de l’eau à […]

  10. […] nozaraina tamintsika teto ny mahasarobidy azy fa “fitandrovana ny aina ny fiarovana ny rano.” Tena mampalahelo izay mahazo ny Malagasy mikasika ny rano, izay tsy manan-kialofana tsy mahazo […]

  11. No comment


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :