Rivomahery Ivan : Hiantso vonjy, dia iza anefa no hantsoina ?

[version française – Cyclone Ivan : Appeler à l’aide, oui mais qui appeler ? >>]

Androany Talata 19 Febroary 2008, vao afaka nisidina am-piaramanidina sy angidim-by ireo faritra tra-boina ireo tompon’andraikitra, satria voatery nahemotra izany nohon’ny toe-tr’andro tsy azo nanoharana. Mbola haharitra vao ho voaray avokoa ny mombamomba ireo tra-boina rehetra nohon’ny rivomahery Ivan [cyclone].

Na dia izany aza dia hita fa misy zavatra miova amin’ny fampiasana ireo tambajotram-pifandraisana vaovao toy ny blaogy sy ny finday ary ny SMS sy ny imailaka. Tsy manolo izay fampiasa teo aloha fa manampy … indrindra rehefa misy fahatapahan’ny sasany, toy izay nitranga tamin’ny faran’ny herinandro teo.

Raha mbola raikitra amin’ny maha-andro Alahady ireo gazety tany an-toerana dia ireo mpiblaogy sy ireo mpianakavy no nifampita vaovao. Sady amin’ny fomba haingana (finday, SMS, imailaka) sy mahomby no sady vaovao matotra tokoa.

Efa nampitaina teto ihany ny momba ireo olona 9 tototry ny firodanan’ny hotely nisy azy tany amin’ny nosy Boraha. Ary na dia afaka niantso an-drainy aza ilay vehivavy dia tsy hita izay tompon’andraikitra tokony handefasana izany antso vonjy maika izany, ny andro Alahady rahateo.

Tamin’ny taon-dasa dia niresaka taminareo izay momba an-dRaMaLa na ICE aho. Amin’izao fotoan-tsarotra sy fahoriana izao, satria heveriko fa tsy mbola ny fametrahana ny fanontaniana mikasika izay tompon’andraikitra izao, na dia izany tsy aritro fa tsetsatsetsa ihany ny ahy, ka manontany raha mba misy laharana fiantso an-tariby sy finday, izay « tokana sady maimaim-poana » any Madagasikara toy ny 112 aty Erôpa na koa ny 9-1-1 any Zamerika.

Mety hamalivaly ahy amin’izay tsy fahampian’ny ho enti-manana ny sasany dia hovaliako tsotra koa amin’ny hoe « tsy misy mafy tsy laitry ny zoto », satria ahavitana zavatra maro ny finiavana, anefa koa na dia misy aza ireo fitaovana maro … rehefa tsy te hanao dia rava maina.

Mandra-piandry vaovao hentitra azo ampitaina dia azonareo karokarohana hatrany ny Aterineto fa maro ireo feo izay mipoitra sy tsy mitsahatra ny manangona sy mamintina ary mampita ireo vaovao farany mikasika ny fandalovan’i Ivan any Madagasikara, santionany amin’izany ry :
– jogany ao amin’ny purplecorner.com >>
– mariesophie ao amin’ny planetevivante.wordpress.com >>

[Araho mivantana ao amin’ny saritanin’i Madagasikara ireo fivoatr’ireo vaovao voaray farany – maps.google.com >>]

FANAMPIM-BAOVAO : Eo am-piandrasana ireo vaovao avy any amin’ny faritra hafa, dia toa izao ny fivoatry ny raharaha eo Antananarivo araky ny vaovao misongadina havoaky ny Gazetiko rahampitso Alarobia 20 Febroary 2008 :

« Raha ny zava-misy hita omaly dia fefiloha telo izao no vaky. Anisan’izany, ohatra, ny fefilohan’Ikopa manamorona an’Ampasika sy Ankasina. Vaky toy izany koa ny fefilohan’i Sisaony, akaikin’Ambohijafy-Fenoarivo, ary ny teny Anosimahavelona.

Efa mahatratra 8388 izao ny traboina manerana an’Antananarivo ka ny 7960 amin’izay dia eny Atsimondrano, araka ny tarehimarika vonjimaika nomen’ny Biraom-pirenena momba ny fitantanana ny loza voajanahary na BNGRC >> [Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes]. »

[Tondra-drano : fefiloha 3 vaky, 8388 ny traboina – gazetiko.mg – 20.02.08 >>]

FANAMPIM-BAOVAO 2 : manapariaka lahatsary narafitra avy tamin’ny sarin-gajety maro samihafa teo am-pelatanany ny namana mariesophie, no sady mizara fehin-dahatsoratra gazety nivoaka anio Alarobia 20 Febroary 2008 :

« Efa nampahafantatra ny fitondrana Malagasy sahady ny fahavononany hanampy amin’ny famonjena aina sy fanarenana izay simba ny Plate-forme d’intervention régionale de l’océan Indien (Piroi) eto amin’ny nosy La Réunion. Ny mahazendana anefa dia tsy mbola nandefa fangatahana hoan’ny fivondronambe iraisam-pirenena amin’ny fomba ofisialy ny governemanta Malagasy hatramin’izao. »

[Cyclone Ivan : l’Est du pays ravagé, la capitale sous les eaux – planetevivante.wordpress.com – 20.02.08 >>]

16 réflexions sur “Rivomahery Ivan : Hiantso vonjy, dia iza anefa no hantsoina ?

  1. za ato mbola sahirana madika sms i To efa any amin’ny great post sahady!!
    zany atao hoe team work ! ainga né ka mba misy maharé zao antsotsika zao….
    efa fantatrao lé momban’ny ushahidi any Kenya? tokony anomboka vigile kely koa tsika sa ahona?.

    Biz’oroka comme on dit chez serasera!

  2. tena sarotra ny fifandraisana e! sahala ahy manokana ohatra dia mba saika hamoaka vaovao t@ blaogiko aho no indrisy fa tapaka ny herin’aratra ka tsy nisy hevitra mihitsy ny hitantarana ny zavatra manjo e!
    ny olana @ fiantsona ny mpamonjy voina dia ny ho entimanana hatrany satria ohatra niantso ny pompier izahay hanapaka hazo mitady ianjera dia hoy ry zareo oe! rehefa mianjera mihitsy ny hazo vao tokony hiantso! tena tankina ianao maheno izany valy boraingina izany! kanefa dia izany no zava-misy ento an-tanindrazana!

  3. Arahabaina tsy maty fo aman’aina e !

    Ankoatr’izay dia misaotra amin’ny fijoroanao vavolombelona mikasika izay toe-draharaha mipetraka mikasika izay fandraisana andraikitra ankehitriny.

    Mbola ho lava ny ezaka satria raha ny mpamonjy mahazo antso indray no manatsafa sy malai-mihetsika rehefa antsoina amin’izay andro mahaporitra dia inona fotsiny izany no antony anakaramàna azy ? Araky ny filazan’ny Ntaolo azy “raha Razana tsy hitahy mifohaza hiady mangahazo !” 😉

    Manantena ny hamaky anao tsy ho ela e.

  4. Sao dia mbola haharitra elabe izany Blackout-nareo izany e ? Izahay efa te hamaky vaovao mafy 😉

    Maherezà fa vazivazy ny ahy fa fantatra tsara fa manao arak’iza yazo atao ianareo any … mamerina ny fisaorana !

Laisser un commentaire