08|02|17 – Rivomahery Ivan [Analanjirofo]


Lahatsary ara-radar nadika tamin’ny cimss.ssec.wisc.edu >>

Maro ianareo mpanaraka ny toetr’andro indray mi-topi-maso eto >> indro sary amin’ny fomba hafa [ny ivon’ny rivomahery no atao fototra ary ny tany no ahetsika] ahafahana manaraka ny fivoatry ny rivomahery. Rehefa avy nandalo ny nosy Boraha [Sainte-Marie], dia niditra an-tanety omaly alina [Asabotsy 16 mifoha Alahady 17 Febroary 2008] any Avaratra-Atsinanan’i Madagasikara ny rivomahery Ivan [cyclone tropicale intense], tandrify an’i Fenoarivo Atsinanana [Fenerive-Est] sy Mananara Avaratra, any amin’ny faritry Analanjirofo.

Araka ny hitantsika amin’ny sary topi-maso io dia mandrakotra an’i Madagasikara manontolo ary tafahoatra hatrany Mozambika raha ny velaran’ity rivodoza vaventy dia vaventy ity. Mahatratra 169 km/ora araky ny vinavinan’ny ny fitsinjovana ny toetr’andro eny Ampandrianomby, Antananarivo [notaterin’ny madagascar-tribune.com], 203 km/ora araky ny kajikajin’ny CIMSS any amin’ny Anjerimanontolon’ny Wisconsin-Madison [110 kts | Cooperative Institute for Meteorological Satellite Studies] na 230 km/ora mihitsy aza araky ny kajikajin’ny fanaraha-maso ny toetr’andro any amin’ny nosy La Réunion [notaterin’i mariesophie ao amin’ny planetevivante.wordpress.com] ny herin’ny rivotra amin’izy vao miditra an-tanety izao.

Ary na dia hihen-danja aza izany rehefa mamakivaky ny nosy [afaka 12 na 24 ora], ireo tondra-drano izay vokatr’ireo rahona vonto-drano dia hampitondra takaitra tokoa ireo faritra iva maro any amintsika, indrindra nohon’ny fahapotehan’ny vokatra sy ny fahatapahan’ireo lalàna izay manasarotra ny fanapariahana ny vonjy hoan’ireo tra-boina ka mampanahy ny kere toy ny tamin’ny taon-dasa izay nianjady tamin’ny faritra Avaratra Andrefan’ny nosy.

Tsahivina fa na dia tsy mafy loatra aza ny rivotra nentin’i Indlala tamin’ny taon-dasa dia maro tokoa ny rano nindaosiny tamin’ny faritry SAVA sy Masoala. Tsahivina koa fa vao tsy ela no nianjady mafy tany amin’ny tananan’i Besalampy, any amin’ny faritry Melaky, ny rivomahery Fame araky ny vao notaterin’i Tattum >>.

[Ivan entrera dans la Region d’Analanjirofo – madagascar-tribune.com >>]

[Le cyclone Ivan a touché terre sur la côte Est de Madagascar – planetevivante.wordpress.com >>]

[Araho mivantana ao amin’ny saritanin’i Madagasikara ireo fivoatr’ireo vaovao voaray farany – maps.google.com >>]

FANAMPIM-BAOVAO : nihena ny heriny ka naidina [17.02.2008 tamin’ny 16:00 ora] ho “forte tempête tropicale” ilay “cyclone tropicale intense” teo aloha. Vaovao misongadina havoaky ny Gazetiko rahampitso Alatsinainy mikasika ny fandalovan’ny rivomahery Ivan tany amin’ny nosy Boraha [Sainte-Marie] :

« Araka ny vaovao re tao amin’ny radiom-pirenena omaly tolakandro dia nisy hotely iray nianjera tany Sainte Marie ka olona sivy no voatsindry tao. »

[Olona 9 nianjeran’ny trano, an-jatony ny traboina – gazetiko.mg – 18.02.08 >>]

FANAMPIM-BAOVAO 2 : mikasika ilay Hotely nirodana tany amin’ny nosy Boraha [Sainte-Marie], tsy tafita mihitsy ny hafatra nalefa finday hitadiavam-bonjy. Novakian’i gazetyavyalavitra tamin’ny gazety anio maraina fa maty ireo olona 9 :

« Omaly dia nisy vehivavy niantso maika ny rainy taty Antananarivo nilaza fa nianjeran-javatra ny hotely nisy azy ary dia nirodana ka tototra ao miaraka amin’ny olona valo hafa izy. Ary dia io rainy io kosa nandefa antso vonjy tao amin’ny RNM (Radio Nasionaly Malagasy) […] Tapaka daholo ny fifandraisana tany an-teorana taorian’ilay antso nataon’ilay ray mahantra. Eny fa na ny BLU tokony ho nampiasain’ny BNGRC >> (sampana misahana ny vonjy taitra mandritry ny tranga toy izao) aza dia tsy nandeha […] Nivoaka tamin’ny gazety rehetra androany maraina fa tapitra maty avokoa ireo olona sivy tototra tao amin’ity hotely tra-doza ity. Indrisy, mampalahelo. »

[Cyclône Ivan – gazetyavylavitra.wordpress.com – 18.02.08 >>]

FANAMPIM-BAOVAO 3 : tsy nanamarina vaovao akory dia nanapariaka vaovao ireo gazety [satria tsy nisy fomba anaovana izany, vakio ny gazetiko.mg tetsy ambony] araky ny filazan’i Jentilisa :

« Nahoraka dia nahoraka fa nisy olona 9 nianjeran’ny trano tany amin’ny fandraisam-bahiny iray any amin’ny nosy Sainte-Marie. Nisaritaka tanteraka ny filazam-baovao omaly. Nisy nilaza fa maty ireo olona voalaza ireo. Nisy kosa ny nametraka fisalasalana fa tsy mahalala ny tohin’ny raharaha. Ny marina dia tapaka avokoa ny tambajotram-pifandraisana rehetra tany amin’io Nosy io. Dia nanitsy ny tany an-toerana androany atoandro fa tsy nisy namoy ny ainy velively tany amin’iny toerana iny. »

[Mila fitandremana ny mamoaka vaovao – jentilisa.blaogy.com – 19.02.08 >>]

FANAMPIM-BAOVAO 4 : namangy ny nosy Boraha tamin’ny alalan’ny angidim-by ny filohan’ny Antenieram-pirenena Jacques Sylla, sady solombavambahoaka avy any an-toerana. Mikasika ireo olona 9, natintraterin’ny Biraom-pirenena momba ny fitantanana ny loza voajanahary [BNGRC >>] tamin’ny fanambarana nataony tamin’ny 06:00 ora maraina, anio Alarobia 20 Febroary 2008 fa :

« Velona soa aman-tsara ireo olona ireo ankehitriny. Raha ny tena izy dia niafina tany amin’ny trano fidiovan’ny Hotely Antsara, izay toerana azo nitokisana indrindra ry zareo [satria rafitra biriky ka matanjaka]. »

[Ivan: la route reliant Ranomafana à Ikelilalana coupée – moov.mg – 20.02.08 >>]

FANAMPIM-BAOVAO 5 : nitafatafa tamin’ny mpanao gazety ny ilay vehivavy nirodanan’ny hoteliny tamin’ny fahatongavany tany Antananarivo :

« [Asabotsy 16 mifoha Alahady 17 Febroary 2008 no miseho ny tantara …] Tena nahery be ny rivotra. Tsapanay fa nihetsika ny trano falafa “bungalow” natorianay ary dia tafavoaka soa aman-tsara izahay talohan’ny nahapotehany nohon’ny fianjeran’ny hazo teo amboniny. Namonjy ny trano fisakafoanana “restaurant” mitondra ny anarana hoe Antsara izahay, mba hialoka tao […] Ary tao no nahitany velarany zara raha 1m2 monja, tany amin’ny trano fidiovan’io trano fisakafoanana io mba nialokalofanay. Tamin’io fotoana indrindra aho no niantso an’i Dada namapandre azy izay toe-javatra nitranga »

[Bloqués à Sainte-Marie, deux rescapés racontent – lexpressmada.com – 21.02.08 >>]

[Rivomahery Ivan : Hiantso vonjy, dia iza anefa no hantsoina ? >>]

12 réflexions sur “08|02|17 – Rivomahery Ivan [Analanjirofo]

  1. FANAMPIM-BAOVAO : eo am-piandrasana ireo tarehimarika mikasika ny fahasimbana rehetra naterak’ity rivo-doza Ivan [vao manomboka] ity, dia efa fantatra fa Hotely iray no nirodana tany Sainte-Marie.

  2. matetika rehefa misy cyclone dia antalaha foana no voa. Tato ato dia tanàna hafa foana indray no hidirany…
    Prions pour que les dégâts soient les moindre possibles…

    Misaotra nizara

  3. Marina fa tamin’ity indray mitoraka ity aloha mba taty Atsimotsimo kokoa e. Anefa mety hisy voakasiky ny orambe ihany ny voly Lavanila 😦

    Resa-bola ihany anefa izany, fa tena marina ny anao ny hitondrana amim-bavaka ireo olona izay iharan’ny voina.

  4. Rehefa misy voina toy itony dia ny statistiques foana aloha no jerena hilazana ny hamafiny. Fa tsy afaka miantraika @ isam-batan’olona mintsy ve? Misy cyclone foana anie isan-taona e! Mankahery ireo tra-boina ary manentana ny tsirairay handray andraikitra.

  5. Faly mandray anao eto Maheva amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny tanindrazana izao.

    >statistiques foana aloha no jerena hilazana ny hamafiny

    Tena marina ny anao fa tsy tarehimarika sy antontan’isa fotsiny ihany tokoa fa misy fianakaviana voadona mafy, trano rava, aina afoy.

    FANAMPIM-BAOVAO 2 : i gazetyavylavitra no mitatitra ny fitaintainany raha nandre ny antson’ny ray nitady vonjy tao amin’ny RNM, hoan’ny zanany nirodanan’ny Hôtely tany amin’ny nosy Boraha.

  6. hita marina fa rehefa aty ivelany itsika dé ny statistiques sy ny gazety foana no manome vaovao tamin’ity dia hitako fa nisy « intimité » kokoa l vaovao tao @ avylavitra. Hita mihitsiny fa ilaina ny point de vue tiers rehefa misy zavatra manjo any @ tanana.
    Ary za hotrany lasa mamerina anio journalisme citoyen io foana….

  7. >Ary za hotrany lasa mamerina anio journalisme citoyen io foana…

    Tsy misy izay maharatsy ny mamerimberina izay mandra-paha-tafiditra tsara e. Ary amin’ny fotoana toy itony, andro Alahady, tsy misy gazety ets… dia tena hita mihintsy ny tombon’ny fananana azy.

    Izaho dia tena manohana ny hevitrao : ILAINA MIHINTSY NY MANOME FEO ireo izay tsy fandre matetika. Tohizò fa tsara ny fanentananao !

  8. FANAMPIM-BAOVAO 3 : i jentilisa no milaza ny vaovao tsara voalohany hatramin’ny niantombohan’izao raharaha izao : tsy maty ireo olona tany amin’ny nosy Boraha.

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s