Malagasy nandray anjara tamin’ny Mini Bol d’Or 2008 | Tsipy kanetibe [Genève] (tapany faharoa)

« Volana mi-pointe » “Mini Bol d’Or” 2008, Genève

FIALANTSINY 1 : Mialatsiny amin’ireo mpiangaly tsipy kanetibe [pétanque] aho fa tsy ny fizotry ny fifaninanana no hovakianareo manaraka eto fa ny tantaran’ny diako fohy tany. Izany hoe lalao miisa 11 no natrehin’ny Malagasy tamin’ny fifanitsanana fa ny iray ihany no natrehiko.

Tsy tany an-tendrombohitra aho tamin’ity taona ity dia nanapak’hevitra ny hanohana ny mpiray tanindrazana amintsika mifaninana tsipy kanetibe.

Mbola vitsivitsy ireo mpijery dia vetivety aho dia tafahaona tamin’ireo mpilalao Malagasy izay niala sasatra eo am-piandrasana ny fihodinana faharoa. Tsotra sady tsy miavona ry zareo ka dia nanararaotra naka sary tambabe aho.

Ary satria aho tsy mahalala izay Atsimo sy Avaratra amin’ity taranja ity dia mbola izy ireo ihany koa no nanoro ahy izay toerana misy ny fandaharam-potoana sns … Tsy te hanelingelina anefa aho ka dia navelako ry zareo hiala sasatra fa izaho kosa nizohy naka seza hijery ireo mpifaninana hafa.

Nony fotoana fohy dia nipetraka tamin’ny seza tsy lavitra ahy ry zareo nanaraka koa ny fizotry ny lalao. Dia mbola nanararaotra nametraka fanontaniana aho momba ny fizotry ny fifaninanana “Mini Bol d’Or” manokana ka izao no tadidiko :
– mpifaninana telo isaky ny ekipa,
– maharitra 45 min eo ho eo ny fikatrohan’ny ekipa roa mifanandrina,
– rehefa maneno ny antsiva na “sirène” dia faranàna ny lalao,
– raha mbola eo am-pilalaovana dia laniana ny kanetibe sy atao ny antontan’isa,
– ny antontan’isa ankapobeany no ahitana ireo ekipa izay hifanandrina amin’ny lalao famaranana izay atao ny Alahady 17 Febroary manomboka amin’ny 15:00 ora tolakandro.

« Eliane mi-pointe » “Mini Bol d’Or” 2008, Genève

Ny lalao fihodinana faha-2 no natrehiko : Madagasikara [nahazo ny filaharana faha-11 amin’ny ekipa 24] mikatroka amin’i Soisa [faha-9]. Asa na nanao akory fa toa tsy mety daholo izay nataontsika Malagasy moa ireo tompontany kosa nahomby dia nahomby, ka zara aza isika nahavaky atody [1-10] raha naneno ny anjomara.

Raha ny mpandresy indray no asiana teny, dia tena azo lazaina fa zaridainan’i Ramatoa Florence Schopp [tompondaka Frantsa 1997, 2000, 2001, 2002, 2004 ,2006 ary 2007] ny kianja filalaovana tsipy kanetiben’i Queue d’Arve, Genève. Tamin’ny taona 2001 izy no nandrombaka voalohany ny amboara, ary ireo taona 2003 sy 2006 no mba hany tsy nandrombahany izany amboara izany, ary mbola izy ihany koa no tompon’ny amboara teo amin’ny fifaninanana “Mini Bol d’Or” tamin’ity andiany faha-22, taona 2008 ity.

FIALANTSINY 2 : Mialatsiny amin’izy telo mirahavavy mpilalao aho satria sao dia mba izaho sy ireo fanontaniako, sy ny vitan-dratsiko, sy ny fanelingelenako azy ireo, ets, ets … sady izay koa “lasa tsy nanao veloma” akory ka tsy nisy nifanakalozana imailaka handefasako ireo sary 😦

[laharan’ireo mpandray anjara – geneve-petanque.com >>]

[peta-drindrina – geneve-petanque.com >>]

« Madagascar 1 : Suisse 10 » “Mini Bol d’Or” 2008, Genève

3 réflexions sur “Malagasy nandray anjara tamin’ny Mini Bol d’Or 2008 | Tsipy kanetibe [Genève] (tapany faharoa)

  1. domaz classé 11ème t@ ty tona ty nefa t@ eritona 2ème, tsy maninona fa mety ny ékipa no mal montée.@ 2009 njay manao mety gros bisous dé any @ r n s mifankaita

  2. Faly mandray anao eto ry bera gougason 🙂

    Izany tokoa angaha no hoe boribory ny kanetibe ! Tena marina ny anao fa amin’ny taona manaraka indray manarina.

Laisser un commentaire