Malagasy nandray anjara tamin’ny Mini Bol d’Or 2008 | Tsipy kanetibe [Genève] (tapany voalohany)

« Minuzzo Volana, Randrianarizafy Véronique, Rajaonasy Eliane » [ankavia miankavanana] nandritra ny “Mini Bol d’Or” 2008, Genève

Notanterahina teto Genève, ny Asabotsy 16 sy ny Alahady 17 Febroary 2008 ny andiany faha-22 amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena “Mini Bol d’Or”, taranja tsipy kanetibe [pétanque].

« Minuzzo Volana, Randrianarizafy Véronique, Rajaonasy Eliane » ireo mombamomba azy arak’izay hita eo amin’ny peta-drindrina eo am-pidirana any amin’ny “Mini Bol d’Or” 2008, Genève.

Toy ny tamin’ny taon-dasa dia nahazo fanasana handray anjara ny ekipa Malagasy, izay nahitana an-dRamatoa isany Minuzzo Volana [nisolo an’i Ramananandro Hortense Annick maro mpahafantatra amin’ny anaram-bosotra hoe “Tatie”], sy Randrianarizafy Véronique, ary Rajaonasy Eliane tamin’ity taona ity.

Faha-11 [amin’ny ekipa 24] ny Malagasy tamin’ity taona 2008 ity raha faha-2 kosa izy ireo tamin’ny taon-dasa >>

[sary hafa any amin’ny tapany faharoa >>]

[laharan’ireo mpandray anjara – geneve-petanque.com >>]

[peta-drindrina – geneve-petanque.com >>]

« Vero no milalao amin’ny tànana ankavia, Eliane [mijoro ankavia], Volana [mijoro ankavanana] » “Mini Bol d’Or” 2008, Genève

3 commentaires sur “Malagasy nandray anjara tamin’ny Mini Bol d’Or 2008 | Tsipy kanetibe [Genève] (tapany voalohany)”

  1. […] 18 février 2008 [Ity lahatsoratra ity dia tohin’izay efa nambara teto >>] […]

  2. Faly miarahaba nareo ny tenako aminizao zavatra miseo @ firenena izao izao dia tsy mpanao politika fa matsapa fa misy mvanga be ny firenena tsika. eto madagasikara fa naomboka niseoany ny fanokoratana teto a madagasikara dia tsy milamina eto a madagasikara eto satria tsy mety vita ny adiady politika. Tsy ho farana mihitsy io adiady manadrakikizay doria satria ahoana , satria hitanareo ihany toe-javatra miseo ankehitriny fa lasa fangalahanolotaka fotsiny ny hadiseza, fanongana fahefana, adiady politika izany no mameno firenene antsika eto amitsika eto raha misy zavatra tsy mety dia toga dia fanonganana fotsiny no hita mameno ny firenena amitsika eto. Hataminy mpianatra ao andakilasy ange dia efa manao anizany rehefa mitaky vola madinika fotsziny ny mpampianatra dia efa, reveny ry zareo na masika be ka noy izany tsy tsara ny fanongana ny rfanajakana io lasa lalaovany ankizy fotsiny io. izahay dia tsy manampy anizazaniza fa mba hananatra anireo manao anizany zavatra izany .misaotra betsaka indrindra namaky è

  3. « izahay dia tsy manampy anizazaniza fa mba hananatra anireo manao anizany zavatra izany »

    Misaotra amin’ny famangianao sy ny hafatra napetrakao doyaula fa misy hoeritreretina tokoa!


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :