Malagasy faha-2 amin’ny pétanque | Mini Bol d’Or 2007 [Genève, CH]

Notanterahina teto Genève tamin’ity faran’ny herinandro ity ny « Bol d’Or 2007 » [33e International de Pétanque de Genève] gaga aho fa tsy nisy Malagasy tamin’ity taona ity na dia kalaza amin’ny lalao « tsipy kanetibe » aza isika [misaotra an’i Harinjaka amin’ny voambolana].

Rehefa nikarokaroka aho dia hitako fa tamin’ny herinandro lasa no nanatanterahana ny « Mini Bol d’Or 2007 » [21e International Féminin de Pétanque de Genève natao ny Asabotsy 17 sy ny Alahady 18 Febroary 2007] izay nandraisan’ny ekipa Malagasy anjara [vehivavy]. Ny fahasamihafan’ireo fifaninanana roa ireo dia ny lehilahy milalao tsy an-kijanona mandritra ny 27 ora raha ny vehivavy kosa matory nony alina.

Arahabaina Rtoa isany Ramananandro Hortense Annick [Tatie], sy Randrianarizafy Véronique [Vero], ary Rajaonasy Eraste Eliane [Fanja] izay niaro avo ny voninahitr’i Madagasikara ka nahazo ny laharana faha-2. Ekipan’i Rtoa isany Papon Angélique, sy Schopp Florence, ary Virebayre Marie-Christine avy any Frantsa no nandrombaka ny loka, ary ekipa roa kosa no naka ny laharana fahatelo dia an-dRtoa isany Beji Mouna, sy Ben Abdesselem Nadia, ary Sahal Monia avy any Tonizia [Tunisie] sy ny an-dRtoa isany Gélin Nathalie, sy Grémy Carole, ary Moulin Michèle izay mpampiantrano ny fifaninanana [Genève].

Mbola tany an-tendrombohitra aho tamin’io ka tsy afaka nanatrika😦 fa indreo ireo sary ho anareo😀

[laharan’ireo mpandray anjara – geneve-petanque.com >>]

[sarin’ireo mpandray anjara – geneve-petanque.com >>]

[peta-drindrina – geneve-petanque.com >>]

[midi-madagasikara via fr.allafrica.com >>]

4 commentaires sur “Malagasy faha-2 amin’ny pétanque | Mini Bol d’Or 2007 [Genève, CH]”

  1. hafa hiany eto aminao, misaotra amin’ilay sary, efa hitako tamin’ny gazety ihany izy ity tamin’ny herinandro ary efa nanitikitika ahy ny hanontany azy aminao kinanjo moa nifanena ny tia sy ny manina 🙂

    Ny tanana misy anay koa mantsy tena adalan’itony lalao kenety be itony anie e. spaoro malefaka😀

    hoy ilay gazety:

    (demi final)

    « Avec la manière de surcroît puisque les Tunisiennes avaient déjà cinq boules en main pour conclure lorsque Tatie choisit de tirer avec brio sur le cochonnet pour annuler le jeu. L’exploit redonna des couleurs à toute l’équipe malgache qui s’imposa finalement par 8 à 7… »

    I ianao ve mba milalao kanety ?😀

  2. Tsaroako fahiny fa ny ankizy namana dia namboatra kanetibe amin’ny alalan’ny kapoaka fenoana vato dia pepoana ho boribory😀 avy eo ry zalahy lasa tena nahay ka miloka ny alahady eny Antanimbarinandriana😦

    Mba manao ihany aho rehefa fialan-tsasatra saingy mitoratora-poana ary sanganehana rehefa anontanian’ndrizalahy hoe « tu tires ou tu pointes ? » Inona hoeee ?

  3. […] Faha-11 ny Malagasy tamin’ity taona 2008 ity raha faha-2 kosa izy ireo tamin’ny taon-dasa >> […]

  4. […] Tsy tany an-tendrombohitra aho tamin’ity taona ity dia nanapak’hevitra ny hanohana ny mpiray tanindrazana amintsika mifaninana tsipy kanetibe. […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :