étourneaux | Genève


Io takariva io, nidorehitra ny fijery ny masoandro mody teny an-tsefatsehan-taho, izay zary tsy misy ravinkazo intsony. Nosoloin’ireo andiana voromadinika étourneaux, izay tsy ho ela intsony koa dia hitodi-doha, hikopak’elatra hianatsimo any amin’ny tany mafana.
Hilatsaka ety an-tanety ny orampanala … amin’ny faran’ny herinandro io sahady |

[FR] Ce soir, on pouvait admirer un coucher de soleil flamboyant au travers des branches désormais nues des arbres. Les bancs d’étourneaux ont remplacé les feuilles … pour un temps seulement car il ne tarderont pas à rejoindre leur quartier d’hiver.
La neige est annoncée en plaine … déjà ce week-end |

[ENG] This evening, we could admire a sunset blazing through the henceforth bare branches of trees. The benches of starlings replaced leaves … for a while only because they should not delay joining a warmer place too.
The snow is announced in plain … already this weekend |

© tomavana | étourneaux au soleil couchant |
[Grand-Saconnex, Genève]

2 réflexions sur “étourneaux | Genève

  1. Mampanembonembona tokoa izy izany. Izany tokoa no làlana sy lalàn’ny voahary …

    Mahafinaritra, sady toa miendri-tononkalo ilay lahatsoratrao 🙂 :

    Io takariva io,
    nidorehitra ny fijery
    ny fijery ny masoandro
    ny masoandro mody
    mody teny an-tsefatsehan-taho,
    izay zary tsy misy ravinkazo
    tsy misy ravinkazo intsony.

    Nosoloin’ireo vorona
    andiam-voromadinika étourneaux,
    izay tsy ho ela intsony koa dia hitodi-doha,
    hikopak’elatra hianatsimo
    any amin’ny tany mafana.

    Hilatsaka ety an-tanety ny orampanala …
    amin’ny faran’ny herinandro io sahady.

    Misaotra e 🙂

Laisser un commentaire