Fiomanana hisorohana ireo takaitran’ny rivomahery (1) : Inona no ilana izany ?

12076933.jpg
Cyclone Ivan, Alakamisy 21 Febroary 2008 fototra nindramana >>

[traduit du français – Prévention cyclonique (1) : pourquoi ? >>]

Tsy mbola tapitra akory ny tonon-taonan-drivomahery 2007-2008 anefa dia indro efa nahitana sahady rivomahery izay tena nahery vaika sahady na tany amin’ny ranomasina Atlantika na taty amin’ny Oseana Indiana izany. Mitombo isan’andro ny fitakian’ny fiomanana hisorohana ireo takaitran’ny rivomahery anefa mbola firenena maro no tsy ampy fampitaovana fisorohana tandrify izany dia isan’ny fanazavana ny fidangan’ireo olona nanjavona na koa tsy manan-kialofana.

Tsy hiverenako eto intsony izay antom-piforonan’ireo rivomahery, na ireo sokajy samihafa na ireo teoteotrany izay azonareo vakiana amin’ny teny Frantsay ao amin’ny “Fiches techniques” ao amin’ny blaogin’i mariesophie araky ny lohateny hoe “Tempêtes tropicales et cyclones.”

Ny mombamomba ireo faharavana izay entin’ireny voina voa-janahary ireny no hofakafakaiko eto sady hamaliako ity fanontaniana manaraka ity hoe : Inona no antony ilàna ireo fiomanana tandrify izay kendrena hisorohana ireo takaitran’ny rivomahery ?

3491321743-l-amerique-centrale-frappee-par-l-ouragan-felix-retrograde-en.jpg
Rivodoza Felix, tànanan’i Puerto Cabezas, Honduras, Reuters, Alarobia 5 Septambra 2007

ireo tranga voajanahary 4 izay tena fototr’ireo fahasimbana :

  • ny orana izay mety hifonjaka tokoa. Ireo dia fototry ny voina maro samihafa toy ny : tondra-drano, tany mihotsaka sy reniranom-potaka. Ireo tranga notanisaina tetsy ambony ireo no anton’ny ankamaroan’ireo maty mahatratra 9’000 tany Honduras syet au Nicaragua, tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Mitch tamin’ny taona 1998;

Ny rivodoza Mitch izay nitondra rivotra mahatratra 290km/ora no isan’ireo tena nahafaty olona be indrindra amin’ireo rivomahery fahita tany amin’ny lema-drano [bassin] Atlantika.

zm38.jpg
USGS : Tondraka sady mamalana ireo poti-javatra isan-karazany ny renirano Rio Choluteca, Tegucigalpa, Honduras

  • fisondrotry ny haavon’ny ranomasina, mihoatry ny mahazatra ary mandritra ny fotoana voafetra (“marées cycloniques” sahala amin’ireo “marées de tempête” mintranga mandritra ny ririnina any Eorôpa). Io tranga iray io dia niseho nandritra ireo rivomahery isan’ny nahafaty olona be indrindra;
  • ny onja ateraky ny rivomahery izaymety hahatratra metatra maromaro ny haavony ary indraindray dia mialoha làlana ireo rivomahery hatramin’ny 1’000 km ary dia mampitondra loza tokoa ireo fonenana amorontsiraka;

26-02-2007-les-degats-de-gamede-_38_bis.jpg
Onja nateraky ny rivomahery Gamède 2007, làlana amorontsiraka “route du littoral,” Nosy La Réunion

  • ny rivotra, izay mety hahatratra 350 km/ora ny hamafiny. Ireo fiovan’ny fizotrany tampoka sady henjana izay fototry ny fanimbana be matetika.


Rivomahery Gamède, Nosy La Réunion, 27 Febroary 2007

Manampy trotraka ireo fahasimbana ireo dia, misy ireto sehatra 3 lehibe izay tsy maintsy tandrovana :

  • Ny olombelona : miampy ireo isan’ny maty izay matetika maro dia maro tokoa (vinavinaina ho mahatratra 6’000 isan-taona), dia misy ireo tsy manan-kialofana, mitombo arakarak’izay hamafin’ny fanimbana ireo fonenana. Isan’ny manampy vesatra ireo isan’ny tra-boina ireo ny maha mbola andalam-pandrosoana ireo firenena izay voadona, nohon’ny fampitaovana tsy ampy; matetika ireo trano fonenana dia tsy noheverina hiatrika toetr’andro toy ny rivomahery akory. Ireo anton’ny fahafatesana sy ireo faharatrana matetika dia noho ireo fisondrotry ny haavon’ny ranomasina [marées cycloniques] sy izay ateraky ny orana be loatra (tany mihotsaka, sns …).

2105280436-la-martinique-balayee-par-le-cyclone-dean.jpg
Fonenana rava tany amin’ny nosy Martinique, Rivomahery Dean, AFP, Zoma 17 Aogositra 2007

  • Ny toe-karena : mety mitarika famotehana izay fitaovam-pamokarana ara-toekarena ny rivomahery. Fahasimban’ireo trano, ireo làlana, ireo lalam-by na koa ireo orinasa isan-karazany dia mitarika fandaniam-bola tokoa : fandaniana mivantana hoan’ny fanamboarana sy fanarenana izay simba, na miolana na ambadika toy ny tsena very sy ny fitsaharan’ny famokarana. Izany fahavoazana ara-toekarena izany dia azo ampirohina koa amin’ny fahatapahan’ny serasera an’habakabaka, an-dranomasina, na ireo serasera famatsiana hafa koa (rano, telefaonina, herin’aratra). Farany, satria ny fambolana dia mitazona toerana lehibe any amin’ireo firenena izay iharan’ny rivomahery ireo, ny fahasmiban’ny sehatry ny famokarana dia mitarika voina goavana tokoa.


2285691168_7189cc6353.jpg
Rivomahery Ivan, Traboina eny Anosizato, Antananarivo, 23 Febroary 2008, sary nindramina tamin’i Avylavitra

  • Ny tontolo iainana : azo sokajiana ho roa ireo voina hoan’ny tontolo iainana (zava-mananaina sy zavamaniry, tontolo an-tanety sy tontolo an-dranomasina sy an-dranomamy) nohon’ny rivomahery : ireo fahavoazana mivantana (fahasimban’ireo reniala noho ny rivotra, tondra-drano, sns …) sy ireo fahavoazana ambadika (fandotoana ny morontsiraka noho ireo sambo rendrika, na koa fahasimban’ny orinasa miteraka fandotoana hoan’izay faritra manodidina, sns …).

[vakio amin’ny tapany faharoa ny tohiny – Fiomanana hisorohana ireo takaitran’ny rivomahery (2) : Ahoana no fametrahana izany ? >>]

Isaorana manokana i mariesophie izay nanoratra ny lahatsoratra tao amin’ny planetevivante.wordpress.com >> tamin’ny nanamboarany ny saritany namehezany indray mijery ireo vaovao farany >> mikasika ny rivomahery nihatra tany Madagasikara sy ny nanaikeny ahy sy Jogany ho mpiara-dalana aminy 😀

Laisser un commentaire