Jokwe mitombo hery avy nandao an’i Nosy Be, sary nalain’ny zanabolana Meteosat nadika tamin’ny storm2k.org >>
« Namela takaitra tany Nosy Be ny fandalovan’ny rivomahery Jokwe tany amin’ny tapany Avaratry Madagasikara.
Miisa 400 ireo tra-boina raha tranofoloam-polony maro [44] kosa no nirodana … »
Toy izany no havoaky ny gazety rahampitso na dia mbola tsy naharaisana tatitra aza ny Biraom-pirenena momba ny fitantanana ny loza voajanahary [BNGRC >>]. Izay toa manamarina izay tatitra napetraky Jaona teto omaly tolakandro :
« Izaho izao io dia aty nosy be, betsaka ny zavatra simba aty, be koa ny tra-boina […] betsaka ireo ankizy nandeha nianatra kanefa teo @ ora andehanana indrindra no tonga ilay rivotra be, sy orana , teo vao nisavoritaka … » Jaona >>
Tsy mbola nahazahoana vaovao hatramin’izao avy any Atsiranana ka satria mbola nalefaka sady vitsy kokoa ny orana tany dia antenaina fa tsy hisy voina firy.
Marihina fa na dia somary malefaka kokoa no sady kelikely velarana kokoa noho Ivan aza i Jokwe tamin’ny fiandohany, jereo topi-maso eto >>, dia azo ambara tsy am-pihambahambana fa tena ratsy fahatongavana izy noho ny fandalovany amin’ireo faritra maro izay mbola vonton-drano sy ireo renirano maro mbola avo. Araky ny hitantsika amin’ny sarin’ny zanabolana Meteosat io ambony io dia sady mitombo hery i Jokwe no efa manomboka mandrakotra rahona vonton-drano an’i Madagasikara sahady.
Tsahivina fa ireo mpizaha toetr’andro dia maminavina fa tsy hikasika an’i Madagasikara intsony ny ivon’i Jokwe fa hanaraka ny lakan-dranomasina mizotra mianatsimo Andrefana ho any Mozambika. Noho ireo hamaroan’ny rano izay sarihiny arak’izay voalaza tetsy ambony anefa dia isan’izay mahavelona ahiahy ireo faritra Andrefana anelanelan’i Besalampy, nandalovan’i Fame vao tsy ela, sy Morondava izay vao nandalovan’i Ivan.
Ankehitriny 23:30 ora [GMT+1] dia efa nidify an’i Mahajanga ary sahabo ho 150 km Avaratry Cap Saint-André no misy an’i Jokwe. Tsy mitsaha-mitombo ny heriny ary efa mahatratra 166 km/ora [90 kts] ny rivotra no sady mbola misondrotra hatrany [120 km/ora na 65 kts tamin’ny 15:00 ora GMT+1].
Izay aloha no azo ambara izao alina izao fa dia mirary soa ireo misedra izaoankason’ny zava-boahary izao no hany azo atao.
[Araho mivantana ao amin’ny saritanin’i Madagasikara ireo fivoatr’ireo vaovao voaray farany – maps.google.com >>]
FANAMPIM-BAOVAO : somary nilefy kely nandritra ny alina i Jokwe izay manohy miadana ny lalany manalavitra ny morontsiraka Andrefan’i Madagasikara. Na dia izany aza dia mbola manana fiantraikany amin’ny toetr’andro manerana ny nosin’i Madagasikara i Jokwe noho izy nitombo velarana ka manapariaka ireo rahona maro. Mbola haharitraritra sady miandalana vao hihena ny fiantraikan’i Jokwe amin’ny toetr’andro any Madagasikara izay manorana tokoa ankehitriny.
FANAMPIM-BAOVAO : mianalavitra miankandrefana ho any Afrika no sady mihalefy ny rivomahery Jokwe.
Misaotra an’Andriamanitra! fa afa doza ny malagasy!
dia maneo etoana ny fiara miory @ ireo tra baoiny ao nosy be isika mpiblaogy rehetra!
mahereza daholo
Rehefa mitsahatra ireo orambe ireo vao tena afa-dozy isika, ary soa ihany fa tsy nijanona ela iny rivomahery iny.
Na dia izany aza dia any amin’ireo mponin’i Mozambika izay hidiran’i Jokwe anio alina no alehan’ny eritreritro, satria nihamafy indray ny rivomahery ary tena lemaka be sady tondraka vao tsy ela iny faritra iny, ka mety ho marobe tokoa ireo tra-boina any 😦
ny voina napetrak’i ivan tsy voaarina akory dia efa nanao ny ataony koa i jokwe.
Mampalahelo mihitsy kah 😦
mirary soa ireo izay niaran-doza t@ ireo rivo-doza
Marina ireo teninao ireo.
Isan’ny mampalahelo koa ny mahita fa miverimberina isan-taona hatrany ireo tantara ireo 😦 asa angamba rahoviana vao hiova ny « famerenana » [refrain] ?