Fiomanana hisorohana ireo takaitran’ny rivomahery (2) : Ahoana no fametrahana izany ?

Rivomahery Ivan, Alatsinainy 18 Febroary 2008, sary nindramina tany amin’ny rakotonews.blogspot.com >>

[traduit du français – Prévention cyclonique (2) : comment ? >>]

[tapany voalohany – Fiomanana hisorohana ireo takaitran’ny rivomahery (1) : Inona no ilana izany ? >>]

Amin’ny fomba ahoana no ametrahana izay fiomanana mahomby hisorohana ireo takaitran’ny rivomahery ?
Any amin’ireo firenena manan-katao, dia zary efa fahazarana ka dia tsotsotra ny raharaha, na dia mbola misy hatrany aza ireo fahasimbana satria tsy misy azo atao mba iadiana mahomby sy hanakanana ireo fahasimbana vokatr’ireo rivomahery mahery vaika.

Na dia izany aza, n’aiza n’aiza toerana ipoiran’ny rivomahery dia tsy maintsy hajaina ireo toro-marika hentitra, mazava ho azy fa raha afaka ampahalalan’ny manam-pahefana  mialoha ny vahoaka ny fahatongavan’izany rivomahery mpandrava izany. Marina fa tsy afaka manafoana ireo rivomahery ny zanak’olombelona saingy kosa afaka miomana sy miary ireo loza amin’ny alalan’ny fitiliana sy fanaraha-maso ny toetr’andro, sy ny fanapariahana ireo fampandrenesana vonjy taitra hoan’ny vahoaka, ary ny fametrahana fepetra mikasika ireo fitsipika tokony harahina mba hanatsarana ny toe-draharaha.

Ny fanaraha-maso ny toetr’andro no ifotoran’izay fiomanana hisorohana ireo takaitran’ny rivomahery. Ny Fikambanana Iraisam-Pirenena hoan’ny Toetr’andro na  OMM / WMO [Organisation Météorologique Mondiale | World Meteorological Organization], izay mandrindra ny fiambenana ireo fiforonan’ny rivomahery eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia nanendry centre météorologique régional spécialisé [CMRS] iray isak’ireo lema-dranomasina [bassin océanique] manerana ny boribori-tany.

Dimy ireo CMRS :
– Miami (Ranomasimbe Atlantika Avaratra sy Pasifika Avaratra-Atsinanana) ;
– Tokyo (Ranomasimbe Pasifika Avaratra) ;
– New-Delhi (golfe du Bengale sy Ranomasin’i Omana) ;
– Fidji (Ranomasimbe Pasifika Atsimo-Andrefana) ;
– Saint-Denis ao amin’ny nosy LaRéunion (Atsimo Andrefan’ny Ranomasimbe Indiana).

Ireo CMRS manerana izao tontolo izao :

800px-7_zones_dels_ciclons_tropicals.jpg

Fototra nakana ny sary : NOAA


Ny andraikitr’ireo CMRS ireo dia ny hamantatra ireo tranga voajanahary dieny am-piandohany, ny haminavina izay mety ho fivaotrany [fitomboan’ny heriny, làlana izorany] ary ny hanapariaka ireo fampitandremana amin’ireo sampana mandinika ny toetr’andro any amin’ireo faritra voakasika (avy eo dia andraikitr’ireo sampan-draharaha isam-pirenena kosa ny mananapariaka izany vaovao izany amin’ireo fiaraha-monina).

Ireo rafitra mipetraka mikasika ny fandinihana ankapobeany ataon’ny OMM dia ampy hanadihadiana sy hanangonana ireo vaovao farany mikasika ny toetr’andro manerana izao tontolo izao.

instruments_donnees.jpg

Vokatry ny fiaraha-miasan’ireo zanabolana miisa 14, ireo “bouées océaniques,” ireo fiaramanidina natokana ho fandinihana ireo rivomahery, ireo sambo maro sy ireo toby fanaraha-maso ny toetr’andro miisa 10’000. Mihoatry ny 50’000 isan’andro ny isan’ireo tatitra ary aman’arivony maro ireo sary izay natao hanazava ny toetr’andro izay aparitaka eran’ireo sampan-draharahan’ny toetr’andro izay miparitaka manerana izao tontolo izao. Ireo vaovao marobe ireo anefa dia mila trandrahana sy ampiasaina amin’ny fomba mahomby sy haingana mba ahafahan’ireo sampan-draharaham-pirenena sy ireo vahoaka manana fotoana, azahoana mandray fepetra, alohan’ny ahatongavan’ireo rivomahery.

Ankoatr’ireo rafitra efa mipetraka ireo dia firenena 8 any Atsinanan’i Afrika sy ao amin’ny Ranomasimbe Indiana, izay miatrika rivomahery sy tondra-drano isan-taona, no vao nifanaraka tsy ela ny mba hametrahana fiaraha-miasa mba ho fisorohana ireny voina voa-janahary ireny. Nandritra ny taona 2007 monja, dia mihoatry ny 1’000’000 [iray tapitrisa] ny isan’ireo olona tany amin’iny faritra iny izay very antom-pivelomana nohon’ny famotehan’ireo rivomahery. Ireo firenena ireo dia i Afrika Atsimo, ireo vondro-nosy Kômôriana, Madagasikara, Malawi, Mozambika, Namibia, Zambia, sy i Zimbaboe. Efa nosoniavina amin’i Afrika Atsimo sy i Madagasikara ankehitriny ny fifanakalozana teknisiana sy hai-tao amin’ny tonon-taonan-drivomahery 2008 [foto-baovao].

Ny fanapariaham-baovao mialoha dia tokony hifototra amin’ny zon’ny tsirairay ny ho voakasiky ny seraseram-pahalalam-baovao mikasika ireo voina vaventy. Anjaran’ny tsirairay ny mihevi-tena sy mahala izay fahelemen’izay toerana misy azy mihoatra amin’ny fanambanan’ny rivomahery, mba ahafahany mandanjalanja ireo loza sy manamaivana izany. Ilaina mihitsy ny mahalala ireo karazana loza izay mihantsy, sy izay fepetra tokony ho raisina hiatrehana izany mba hahatanteraka izany. Izany kolo-tsain’ny lozan’ny rivomahery izany, izay efa nanomboka nipariaka tsikelikely any amin’ny vondro-nosy Antilles Frantsay sy La Réunion, ohatra, dia saiky nanafoana tanteraka ny isan’ireo olona maty tamin’ireo rivomahery nianjady farany tany.

Mampalahelo anefa fa io fampandrenesana vonjy taitra rivomahery io matetika no tsy isan’ny lesoka any amin’ireo firenena andalam-pandrosoana. Miankina betsaka amin’ny fahafahana manapariaka amin’ny fomba haingana ireo vaovao farany izay ampitain’ireo sampan-draharaha mpanara-maso ny toetr’andro [fivoatra sy herin’ny rivotra] ny fahombiazan’ireo fiomanana hisorohana ireo takaitran’ny rivomahery ataon’ireo sampan-draharaha isan’ambaratongany sy ny vahoaka.

Mazàna dia misokajy ho 5 ireo fampandrenesana vonjy taitra ireo anivon’ny CMRS :

  • ny fampitandremena ireo sampan-draharaha samihafa : tsy apariaka ho rem-bahoaka izy ity, satria dieny mbola 72 ora alohan’ny ahatongavan’ny rivomahery sady dieny mbola tsy fantatra mazava akory ireo faritra andalovany ;
  • ny fampitandremana ny sarambabem-bahoaka, izay alefa eo amin’ny 48 ora ka hatramin’ny 72 ora alohan’izay mety ihavian’ny rivomahery. Ity fanambarana ity dia apariaka ombieny ombieny arak’izay tratra ary dia fampitandremena hoan’ny tsirairay ;
  • ny loza manambana : efa mby akaiky ny rivomahery (24 ora ka hatramin’ny 36 ora alohan’ireo tafio-drivotra) ; mila miomana ireo mponina ;
  • ny loza mihatra : apariaka 6 ora ka hatramin’ny 8 ora alohan’ny ihavian’ireo tafio-drivotra, izany dia mitaky ny fampiatoana ireo raharaha rehetra ary famonjena fialofana hoan’ny mponina ;
  • ny fandalovana : mandalo ny faritra ny rivomahery ; raràna ny fifamoivoizana amin’izany faritra izany.

Io karazana sokajim-pampandrenesana io dia mitaky traikefa eo anivon’ireo sampan-draharaha isan’ambaratongany ary eo amin’io lohahevitra io no tokony handraisan’na fanampiana iraisam-pirenena andraikitra bebe kokoa, indrindra any amin’ireo firenena izay matetika iharan’ny fahasimbana goavana.

Mazava ho azy anefa fa mba hahalavorary izany dia ilaina koa ny mandray fepetra samihafa mialoha :

Fepetra mikasika ny fanorenana ireo trano fonenana :

– fanajana ireo fepetra ireo izay napetraka sahady am-piheverana ireo herin’ny rivotra ;

– fanajariana ireo manodidina ny trano samihafa [fandratsanana izay sampan-kazo mety hianjera hanimba trano, fanapahana izay hazo mety hampitondra loza, fampirinana izay mety zavatra ho zakan-drivotra, sns ….] ;

– ny famerana na fandraràna ireo toerana azo anorenana fonenana amin’izay faritra tena hantsian’ireo loza mivantana [amoron-dranomasina, toerana mora tondraka na tandrify tany mihotsaka, ambany rohin’herin’aratra mahery vaika (lignes électriques à haute tension), sns …].

Ireo fepetra farany ireo anagamba no isan’izay sarotra apetraka indrindra any amin’ireo tany andalam-pandrosoana nohon’ny tsy fisian’izay tetik’asa fanajariana ny fonenana sy ny tanàna [plan d’urbanisme] hentitra sy mahomby hiarovana amin’ireo rivomahery ireo. Aoka koa anefa tsy hadino fa nohon’ny fisondrotry ny mari-pana ankapobeany [réchauffement climatique], dia mety mbola hitombo ny herin’ireny voina voa-janahary ireny [vakio ny lahatsoratra hafa nosoratan’i mariesophie “fisondrotry ny mari-panan’ny toetr’andro sy ny rivomahery” – Réchauffement climatique et cyclones >>].

Ho fanampim-panazavana dia azonao vakiana ETO ireo andraikitra hafa izay raisin’ny OMM amin’ny ezaka fampihenana ny fiantraikan’ireo voina voa-janahary manerana izao tontolo izao [IDR].
Isaorana manokana i mariesophie izay nanoratra ny lahatsoratra tao amin’ny planetevivante.wordpress.com >> tamin’ny nanamboarany ny saritany namehezany indray mijery ireo vaovao farany >> mikasika ny rivomahery nihatra tany Madagasikara sy ny nanaikeny ahy sy Jogany ho mpiara-dalana aminy😀

11 commentaires sur “Fiomanana hisorohana ireo takaitran’ny rivomahery (2) : Ahoana no fametrahana izany ?”

  1. […] [tapany voalohany – Fiomanana hisorohana ireo takaitran’ny rivomahery (2) : Ahoana no fametrahana izany ? >>] […]

  2. Entre pas.. t’es taggée

  3. misaotra tomavana a!
    aiza ho aiza izao i Kamba?

    mazotoa e!

  4. I Kamba efa tamin’ny Alarobia 12 Martsa 2008 no levona, mbola talohan’i Jokwe izay vao levona omaly 15 Martsa 2008 koa aza.

  5. misaotra an’Andriamanitra aloa fa afadoza indray!
    lasa mafana be indray izao ny andro aty ary azo inoana fa hiverina ny orana!
    milaza vaovao eo ihany rehefa misy!
    mahereza

  6. Amin’ny fotoana toy izao mihintsy no mila andraisana anatra tamin’izy zavatra vao nitranga teo … ahafahana manatsara hatrany.

    Misaotra amin’ny tsiditsidika e.

  7. misaotra nizara fa tena hahalalana zavatra tokoa🙂

    raha ny any amintsika no asiana resaka manokana dia ny fanapariahana ilay vaovao no tena hitako olana. Ny eo afovoantany izao tonga dia mahare avy hatrany hoe misy rivo-doza fa raha any amorontsiraka vitsy ny olona afaka maheno vaovao nohon’ny tsy fahampian’ny serasera sy ny tsy fahatomombanany

    Manaraka izany dia marina mihitsy hoe ny trano sy ny fotodrafitrasa atao manaraka norme anti-cyclonique, mba hampiena ny vokadratsy ny cyclone.

    saingy ny entimanana any @firenenana toy ny antsika no tena mbola tsy ampy, mampalahelo😦

  8. Marina daholo ireo nambaranao mikasika ny tsy fahatombanan’ny serasera. Sady matetika ny olona no mamono ny radio rehefa matory amin’ny alina ka na dia misy filazana fanairana aza dia tsy tonga any amin’ny ireo tokony handre izany ny hafatra.

    Ankoatr’izay, heveriko fa tsy trano mafy orina fa trano « mora vita » no tetika ambadiky ny trano falafa fahita any amorontsiraka, roa andro ihany no ilaina hanarenana azy. Asa tokoa re izay fomba hanovana izany fomba fihevitra izany sy ny hampitaovana azy ?

  9. Azafady fa hitaingitaingina!

    Angaha moa any amorontsiraka ireny rehefa misy loza toy izao tsy misy sirène mampilaza ny daholobe?!

    Fa na izany aza raha vao misy olona iray maheno amin’ireny dia haingana ihany dia re-ny loza satria izahay izao tamin’ny tsunami tany Vatomandry, teo @ 2 maraina teo nikotaba be sady nisy nandefa ohatran’ny sirène dia niantso tamin’ny microphone hoe ‘mitsoaka daholo fa tsunami » dia nitsoaka daholo ny olona. Dia mifampiatso ny mpifankahalala dia izay dia efa refotra feno olona ny làlana

    Eny e, fa io koa aloha any @ faritra akaiin’ny hotely ka asa ny any @ faritra enclavée any e

  10. Marina tokoa ny teninao fa ny fipetrahan’izy ireny matetika dia vokatry ny fandraisan’andraikitry ny olona mahatsapa tena, fa tsara kokoa angamba raha apetraka isak’izay tanana amorontsiraka tsirairay ireo rafitra mikasika vonjy taitra toy izany tantarainao izany.

    Misaotra betsaka amin’ny fanamarihana r’Ikalakely !


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :