Lahatsary ara-radar nadika tamin’ny cimss.ssec.wisc.edu >>
Nikasitany any amin’ny faritr’i Morondava anio alina ny rivomahery Chanda
Any andrefan’i Madagasikara, somary Atsimokelin’i Morondava, any amin’ny faritry Menabe no nidiran’ny rivomahery Chanda anio alina (Alahady 8 Janoary 2012 hifoha Alatsinainy 9 Janoary 2012). Na tsy dia mahery loatra aza i Chanda raha ny hafaingan’ny rivotra (tafio mety mihoatry ny 84 km/ora) sy ny habetsaky ny rahona entiny no heverina dia tsara ny manamarika fa maro faritra iva any Morondava sady miadam-pihetsika ka mety mirongo orambatravatra izay hampihoatra renirano ity rivomahery ity. Manampy trotraka koa ny hafaingan’ny niforonany tayn an-dranomasina sy ny fotoan’ny faran’ny herinandro izay mampanahy ny fahafahan’ireo sampandraharaha mampitandrina mialoha ireo olona ambanivohitra.
09.01.2012 Talohan’ny nikasihan’ny rivomahery tany dia efa niakatra sahady ny rano tany amin’ny faritry Menabe. Mpanarato iray no tsy nahazahoam-baovao hatramin’ny Asabotsy 7 Janoary 2012 any amin’ny faritry Miandrivazo.
09.01.2012 – Morondava: tsy misy aina nafoy araky ny tatitra farany eo am-pelatanana fa ny jiro sy ny rano no matetika tapaka.
« azo ambara fa tsy misy fahapotehina firy raha oharina amin’ireo rivomahery hafa teo aloha […] saingy ny tondra-drano no manambana mafy »
10.01.2012 « Tsy misy ny aina nafoy » araky ny tatitra vonjimaikan’ny Biraom-pirenena momba ny fitantanana ny loza voajanahary. Efa nandao an’i Madagasikara koa ankehitriny ny rivomahery Chanda. Na dia izany aza dia mila fitandremana ny loza mety ateraky ny tondradrano sy ny tany mihotsaka
vaovao farany 11.01.2012 Misy ihany koa ireo mponina any Morondava izay ravo tamin’ny fandalovan’i Chanda: »Ny fisondrotry ny lakandrano Dabara izay manondraka ny tanimbary saika efa ho ritra any Mahabo sy Miandrivazo, dia hampitombo ny vokatra vary amin’ity taona ity »
lexpressmada.com – 11.01.2012 >>
[FR] C’est au sud de Morondava, dans la région du Menabe, que la tempête tropicale modérée Chanda a touchée l’île de Madagascar, dans la nuit de dimanche 8 janvier 2012 au lundi 9 janvier 2012. La tempête Chanda peut paraître modeste avec des rafales de 84 kmh et un faible diamètre, mais la lenteur de son déplacement et la topographie de cette région qui comporte beaucoup de zones inondables font craindre de très fortes pluies et les crues de rivières qui en résulteraient. De plus, compte tenu du développement rapide de ce système dépressionnaire, les services de secours n’ont eu que très peu de délais pour informer la population des zones reculées.
09.01.2012 « La partie sud-ouest de Madagascar est déjà sous les eaux bien avant que la tempête tropicale modérée Chanda n’ait touché terre très tôt ce lundi. A Miandrivazo, un pêcheur a été porté disparu samedi et les rivières commencent à déborder. »
09.01.2012 – Morondava: aucune perte humaine enregistrée jusqu’ici mais de très fréquentes coupures d’eau et d’électricité.
« aucun dégât matériel majeur comparé aux précédentes perturbations cycloniques […] mais la montée des eaux reste une menace réelle »
10.01.2012 « Le bilan provisoire établi par le bureau national de gestion des risques et des catastrophes [BNGRC] ne mentionne aucun décès suite au passage du cyclone Chanda dans la partie sud ouest de Madagascar […] Le cyclone Chanda est sorti en mer cette nuit. Malgré la levée des avis de dangers précédemment publiés, les services de la météorologie recommandent la prudence face aux risques de crues des rivières ou d’éboulements »
dernière 11.01.2012 Chanda a aussi fait le bonheur de certain à Morondava: »« L’augmentation de la quantité d’eau du canal de Dabara qui alimente les rizières de Mahabo et de Miandrivazo et qui risquait de tarir, permet une amélioration de notre production rizicole », se réjouit un riziculteur. »
Bonjour Mavana ,
Hélas, nous entendons toujours très peu parler des tempêtes sur Madagascar !!!! Comme si cet endroit de la planète n’existait pas !!! J’espère qu’il n’y aura pas trop de dégâts !!!
Cordialement – Lili