Rivomahery Ivan : Aoka hoan’ireo mitady vonjy, niantso an-tariby, ny fitenenana !

« Antso an-tariby miisa 150 no nataoko mba hampandrenesana ny olona rehetra [azoko nantsoina], samy nantsoiko daholo hatramin’ireo miaramila ka hatramin’ny tompon’andraikitra samihafa anivon’ny fitondram-panjakana. Tsy nisy vokany »

Simon Rabenatoandro, Dadan’i Judith [ilay vehivavy niantso avy any amin’ny Nosy Boraha], rehefa nitsena ny zanany tonga soa aman-tsara teny Ivato – lexpressmada.com – 21.02.08 >>

« Niantso ny pompier izahay hanapaka hazo mitady ianjera dia hoy ry zareo oe ! Rehefa mianjera mihitsy ny hazo vao tokony hiantso ! Tena tankina ianao maheno izany valy boraingina izany ! Kanefa dia izany no zava-misy ento an-tanindrazana ! »

news2dago, hafatra napetrany tamin’ny 19.02.08 – Rivomahery Ivan : Hiantso vonjy, dia iza anefa no hantsoina ? >>

Tsy nitsahatra ny nandre tantara milaza fiaraha-mientana aho hatramin’ny omaly. Ireo akaikin’ny voina, mpiara-monina sy mifanolo-bodi-rindrina, nifanampy sy nifampiantrano. Ireo lavidavitra kosa, tsy gasy, tsy vazaha, samy niezaka nanao “ampitapitao” ireo vaovao mba hitondra fahatoniana anivon’ireo fianakaviana maro mitebiteby.

Toy ny namana hafa, izaho koa dia mba te hidera ny fandraisan’andraikitry ny tsairairay, nandritra ireo fotoan-tsarotra ireo, sady mampahery azy ireo koa mba haharitra amin’izay atao satria mbola ho lava ny fanarenana ireo simba.

Mety tsy mbola tonga hatrany aminao ny antson’izy ireo, sy ny tantaran’ny voina nidona tamin’ireo mpiray tanindrazana amintsika. Anio izao isika samy mahafantatra. Aza ny hakelin’ny 1.- Ar [na 1.- CHF, na 1.- €, na 1.- $ sns …] eo am-pelatànantsika tsirairay avy no jerena … fa ny hamaron’ireo vonona hiara-misalahy hanarina ny simba.

Asa ianareo, fa raha izaho manokana aloha, dia fantatro izay hataoko manoloana izao “antso ilana valiny” ataon’ny tra-boina sy tsy manan-kialofana any an-tanindrazana izao.

P.S: isan’ireo tsy mankasitraka ny fanaovana bango tokana ny tenako, ary satria efa nambarako tetsy ambony ny hamaroan’ireo nijoro sy nandray andraikitra angamba mba afaka mizara aminareo ihany izay mahalasa eritreritra ahy ihany aho … atao inona tokoa moa 112 na 9-1-1 raha izay olona “nantenain-kanirina indray no vao mainka mampivandravandra” ?

[Araho mivantana ao amin’ny saritanin’i Madagasikara ireo fivoatr’ireo vaovao voaray farany – maps.google.com >>]

Une réflexion sur “Rivomahery Ivan : Aoka hoan’ireo mitady vonjy, niantso an-tariby, ny fitenenana !

  1. J’ai été taggée !
    Donc comme ceux que j’ai désigné … Go … C’est votre tour !
    Vous êtes invités à révéler sept choses qu’on ignorait de vous !!!! voir sur mon blog netgasy.com/Shoan … >>

    Et comme ceci est une chaîne, j’invite désormais les bloggeurs suivants à révéler 7 choses que l’on ignore d’eux. A mon tour maintenant de sévir, et mes victimes seront :
    Laza – Lazarbi – Lazounet Miss Nancy Mialy Tomavana
    tattum Saint-Amand Tino Kallie Diamondra Seksilady Aurélie-Miss Rouen 2006

    Bizoooooooooooooooooooo

Laisser un commentaire