Fanamboarana ny « Backbone » any amin’ny RN7


Fikasako ihany ny mba hampita vaovao tsindraindray eto amin’ny blaogy tamin’ny diako farany tany Madagasikara saingy tsy tanteraka izany noho ny antony maro fa indrindra nohon’ny hafohin’ny fotoana sy ny haelan’ny fampiasana ny aterineto. Ary satria ao Antananarivo no mifamotoana ny mpiblaogy Malagasy amin’ny farany herinandro ho avy izao : Antananarivo miblaogy 4.0 [18.10.07-18:30] >> sy ny Foko Blog Club [20.10.07] >> dia mino aho hizotra tsara ireo fotoana ireo ary tsy ho ela dia hampita vaovao izy ireo.

Diako hianatsimo ary, dia nanararaotra niditra « Cyber » izay mampiasa tambanjotra fifandraisana ADSL-256 aho tao Antsirabe. Azo lazaina fa tsara ny fifandraisana saingy satria marobe izahay no indray nirohotra tao, tsy Malagasy tsy vahiny, tsy mpitsidika, dia niadana ihany ny zava-drehetra. Tao aho no nanoratra ity filazana manjo ity >>.

Efa nampitandrina ihany ny tapaka sy namana fa tsy mbola tody any Atsimo ny « fibre optique » na koa « backbone » fa mbola eo am-panamboarana azy izao ka tsy mbola misy tambanjotra miridiridy >> any atsimon’Antsirabe. Inona tokoa fa vao teny Manandona fotsiny izahay dia indreo ireo mpiasa marobe eny amoron-dalàna ankavanan’ny RN7 mihady ilay tatatra handevenana ity backbone ity.

Variana aho fa tsara tetik’asa ny mpanamboatra satria niaraka natomboka eran’ny lalàna ireto tatatra ireto hany ka efa vita aza ny amin’ny faritra sasany ary olona manodidina ihany no ampiasaina.

Rehefa madiva hiakatra an’i toby Mandalahy, dia nijanona hividy arina na saribao ny mpamily dia tafaresaka tamin’ity mpiady tatatra hoan’ny backbone ity aho.

Dimy arivo Ariary no karamany isan’andro [5’000.- AR na 25’000.- FMG ~3.- CHF na 2.- €], ary mivatsy sakafo avy any an-trano izy. Folo andro izay no niasany teo ary efa madiva hijanona izy na dia tsy mbola tapitra aza ny santie [chantier] satria tokony hanomboka hanetsa ny tanimbariny satria mpamboly sy mpiompy no tena asa fivelomany.

Somary taraiky izy satria sendra izay vato izy amin’ny faritra nolavahany ka tsy maintsy mamita amin’ny « barre à mine » na dia efa lasa nialoha aza ireo mpiara miasa aminy.

Na dia izany aza, tsy mitaraina ny lehilahy fa satriny aza misy ity asa manantona azy ity satria tsy misy « karataka » firy azo atao any amin’io faritra io.

Mbola raikitra eny amin’ny tavako ny tsiky raha niverina niakatra tao anaty fiara aho, nahita ity tetik’asa izay nahay mampivady karataka azahoan’ny madinika karama sy teknolojia avo lenta toy ny « fibre optique » ity 😉

FANAMPIM-BAOVAO :

« Araka ny vaovao nampitain’ny orinasa Telma tompon-draharaha amin’ny fitantanana io tetikasa io, dia efa nihoatra ny tanànan’Ambalavao ankehitriny ny « backbone » [izay mitanjozotra ny RN7 mianatsimo hizohy an’i Toliary] »
[lexpressmada.com – 05.01.08 >>]

[tohiny : Liam-baovao ny Malagasy >>]

10 réflexions sur “Fanamboarana ny « Backbone » any amin’ny RN7

  1. Eo anelanelan’ny 70 cm – 80 cm eo ho eo ny halaliny raha ny fahitako azy.

    Ny olona koa angamba anie tsy dia ho manao akasimparany maimaim-poana fa ohatra izao ny vy-n’ny bilao avadika ho antsy ary ny varahina, firavaka. Ary satria tsy misy azo amadihana azy ny « fibre optique » dia antenaiko fa mba tsy haninona 😉 Anefa dia asakasak’izay mpisotasota ihany

Laisser un commentaire