Allez observer les lémuriens dans leur habitats naturels à #Madagascar

Tsy ela akory izay no nandrenesako tamin’ny alalan’ny fahitalavitra Soisa, fa hay misy Babakoto mangamaso aty akaikikaiky aty ary « hosoloana hono izany Babakoto mangamaso izany satria tsy maha-bevohoka ny akamany …nohon’ny hataviny« .

Tsy dia haiko loatra raha nohon’ny toetrandro mamirifiry vokatry ny rivotra manara nitsioka tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo? Asa raha nohon’ny hakelin’ny sakafo omena azy ireo ankehitriny, na koa izato ravin-kazo zara fa misy? Fa tena malazolazo mihitsy ny fahitako ireo Babakoto mangamason’ny Valanjavaboaharin’ny Servion [Zoo de Servion] ary ny fijerin’ity mpiray tanindrazana ahy no nanosika ahy hanoratra ity.

Fantatro sahady izay havaly ahy …hoe mihakely hatrany ny toeram-ponenan’izy ireo nohon’ny ataontsika zanakolombelona, …hoe tsy [ampy?] fanajana azy ireo ny mponin’i Madagasikara, …hoe tsaratsara ho azy ireo kokoa ny mipetraka aty toy izay any, …sns, sns. Ireo rehetra ireo anefa dia tsy hahafafa ny fijerin’ity mpiray tanindrazana amiko, na izay “fisidin’ireo Babakoto” izay miampitampita an-tendronkazo hitako raha nitsidika reniala tany amintsika aho.

Manantena aho fa mba toerana mafampàna kokoa no handefasana ity mpiray tanindrazana amiko ity, ho anareo kosa, aza afa-po amin’izay sarintsariny fotsiny fa “mandehana mijery ireo Babakoto any amin’izay fonenany!”

[FR] Il y a peu de temps, au détour d’un reportage de la TV suisse, j’ai appris l’existence « d’un lémurien aux yeux claire de #Madagascar du #Zoo de Servion, qui serait bientôt remplacé car incapable de procréer …à cause d’embonpoint. »

Est-ce à cause de l’hiver précoce apporté par la Bise [vent du Nord] qui a soufflé violemment sans discontinuer ces derniers jours? Est-ce à cause de leur régime maigre, ou l’unique palmier dégarni de leur espace? Mais les lémuriens aux yeux turquoise du Zoo de Servion m’ont paru apathiques et le regard de mon compatriote m’a inspiré ce post.

On aura bien me rétorquer …que leur habitat rétrécie à cause de l’homme, …que les habitants de Madagascar ne les respectent pas (assez?), …que leur sort ici est meilleur que là-bas, …etc. Mais tous ces arguments n’effaceront pas de ma mémoire le regard de mon compatriote, ni le “vol groupé” de lémurien qui voyagent de cimes en cimes que j’ai pu observer dans la forêt primaire de Madagascar.

J’espère que mon compatriote rejoindra une région au climat plus tempéré, quant à vous, ne vous contentez pas de la contrefaçon et faîtes comme moi « allez observer les lémuriens dans leur habitats naturels! »

© tomavana | 27.10.2010, 12:08 |
[Lémur aux yeux turquoise, Zoo de Servion]

[Zoo de Servion – zoo-servion.ch >> ]

[Lémur aux yeux turquoises Eulemur macaco flavifronsZoonaute >> ]

2 commentaires sur “Allez observer les lémuriens dans leur habitats naturels à #Madagascar”

  1. mampalahelo be mihitsy izany zavatra tantarainaao izany Tomavana.

  2. Tsy izany fa mety ho rentsika ombieny ombieny fa tsy mahavita azy isika Gasy raha ny lafiny zavaboahary no resahina …aoka anefa isika tsy ho ambaka amin’ny sarintsarina « fiarovana zavaboahary » izay ankalazain’ny tandrefana …satria tsy tanteraka [parfait] velively ny vahaolan’ny Valanjavaboahary aty amin’ny tany mangatsiaka toy ny Zoo😦


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :