Peta-tsoratra volomboasary | Panneau orange | Orange signboard [Genève]

Par : tomavana

Mar 23

Tags:, , , , , , , , , , , , , , , , , , , , , , , , , ,

Catégorie: sary

5 Commentaires

Ouverture :f/5.6
Focale :53mm
ISO :200
Shutter:1/500 sec.
Appareil photo :Canon EOS 50D

Sendra nandalo teny amin’ny Hopitaly HUG aho no nahatsikaritra ity peta-tsoratra volomboasary ity.

[FR] J’ai croisé ce panneau orange à l’Hôpital Universitaire de Genève [HUG].

[ENG] I saw this orange signboard when I was at University Hospital of Geneva.

© tomavana | 23.03.2010, 11:38 |
[Rue Gabrielle-Perret-Gentil 4, Genève]

5 commentaires sur “Peta-tsoratra volomboasary | Panneau orange | Orange signboard [Genève]”

  1. Miarahaba anao, sy midera fa tsara be ny zavatra ataonao ato izany ! Ny tenako moa artista kely ‘zay ihany ka manaitra ahy loatra ny teny sy ny raki-tsary ato… tsara dia tsara.

    Ka momba ity peta-tsoratra ity…raha tsy volomboasary angamba io mety tsy ho tazan’ny mpamily ??
    Fa ao ambadik’izay dia mahatsiaro ireo marary ho entin’ny ambulances ! ka dia mandefa heritreritra ho azy ireo isika…
    Dia izay ihany aloha, fa miverina eto ihany.
    Mirary soa indrindra !
    ikala

  2. Faly mandray anao etoana ikala😀

    Misaotra amin’ny fampaherezana sy ny famangivangiana dia manantena hamaky anao tsy ho ela. P.S: inona kay no taranja ataonao (mozika, hosodoko, sikotra, tsianjery …)?

  3. Manao ahoana indray ianao tomavana ?

    Somary nanonja hafakely izay oa ny fiainana tato ho ato, ka izao aho vao tafaverina eto @ internet !
    Plasticienne aho, ary mandray soratra ihany koa rehefa tonga mitsidika (somary matetika) ny ainga-panahy, ka manao tononkalo @ teny malagasy sy frantsay.
    Hanao expo aho atsy ho atsy, @ 28 avril eto Antananarivo. Ianao moa any andilam-bato any ka tsy hita asaina hoe mba tongava hanotrona @ vernissage. Fa afaka handefasako sary ianao raha mba te ahita ny asan’ny fiainako : tableaux, lampes, poèmes… fa somary sarotra ny manazava ny : toy izao lé izy. Ka mba « tiako aseho anao amin’izay mba hitanao » ?!

    Mirary soa, fiainana milamina sy mamy ho anao sy ny manodidina anao,
    Ikala

  4. Salama tsy manahy aho ary efa miha-mafana ery ny andro [20° omaly] ary maniry an’Ikala ho torak’izany koa. Misaotra amin’ny valinteninao, sarotra tokoa ny manazavazava ary izany indrindra no nandrisika ahyhamadika ny blaogiko ho raki-tsary😉 Mazava hoazy fa sitrako mihitsy ny hahita sary ka dia misaotra mialoha, ary mirary fampiratiana feno fahombiazana sy fahasalamana feno.

  5. Mankasitraka dia misaotra amin’ny firariana tsara ho an’i « Miranga Hanky » ! izay no anaran’ilay fampiratiana.
    Mampiova zavatra betsaka tokoa rehefa tonga ny masoandro ! ny anay aloha efa ho avy ny ririnina ka dia mba anjaranay indray izany aloha ny mandray akanjo be dia be ! sy ny ho voan’ny sery ! tsy hita è…hifandimbiasana izy io.
    Efa lasa any aminao any ny sary.
    Tsara ny blaoginao averiko indray, ka dia mazotoa hatrany ary deraina…mba manana blog ihany aho fa aïe aïe tsy « voataiza » è
    Mirary soa.


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :