Franziska fantatra koa amin’ny anarana hoe Vasana © DR
Zazamenavava vao tsy ampy iray volana monja no hita tao anaty fiarandalamby ny Zoma 19 Desambra 2008 tany Bâle [tanàna Avaratra-Andrefan’i Soisa]. Avy hatrany dia nisy antso fijoroana vavolombelona nalefa mba ahafahana mikaroka izay ray aman-drenin’ity zaza ity, izy kosa dia nomena ho karakarain’ny fianakaviana mpiahy iray ao an-tanànan’i Bâle ihany. Vasana no niantsoan’ny Polisy io zaza io ary Leila Noëlle kosa no anarana niantsoan’ny sampan-draharaha mpiandraikitra ny fiahiana azy.
Tovovavy Malagasy vao 23 monja izay mpiasa an-trano any Alemàina, any Erlangen [tanàna misy mponina 100′000 any Avaratry Nuremberg, any Bavière, Alemàina] no nitono-tena ho renin’ity zaza ity. Franziska no anarana nomeny ny zanany vavy izay naterany tamin’ny 8 Desambra 2008.
«Tsotsotra ny fihavian’ny fianakavian-dRazazavavy avy any Madagasikara. Mpamily fitateram-bahoaka ny rainy [ndlr. Betax ?], ny reniny kosa tezain’ny aretim-pò […]
Alefany hoan’ny fianakaviany ny ankamaroan’ireo 525 CHF izay karamany isam-bolana […]
tena [ndlr. heveriny ho] fahavoazam-be ny fiterahana zaza an’elakelan-trano […]
ny fianakaviana izay mampiasa azy dia mihevitra fa marary kibo fotsiny izy.»
Tany amin’ny trano fandihizana no nihaonany tamin’ny rain-janany izay avy any Madagasikara koa. Saingy toa tsy misy fifandraisana intsony izy roroa ankehitriny. Tsy mihevitra ny «haka» ny zanany rahateo ity renin-jaza ity : «tsy te hifanatri-maso amin’ny zanako vavy Franziska intsony aho. Tsaratsara kokoa ho azy raha misy fianakaviana afaka hitia azy manangana azy. Izany no soa fara-faniriako ho azy.»
Samy manambara kosa ireo fitondrana Soisa sy Alemàina fa tsy hisy fandrohirohina ara-pitsarana hatao ity renin-jaza ity nohon’ny «tsy fisian’izay heloka» satria «tsy nisy na dia fotoana kely monja aza nisian’ny loza mihantona amin’ny ain’ity zaza ity, satria 10 minitra ihany no nitoerany irery amin’izay tao anaty fiarandalamby mafana tsara.»
[Bébé malgache découvert dans un train en Suisse – Malag@sy Miray >>]
[Das Basler Findelkind heisst Franziska – blick.ch – 09.01.2009 >>]
[Mère de Franziska, alias Vasana: «je ne veux plus la revoir» – le matin.ch – 11.01.2009 >>]
[Bébé abandonné dans un train: la mère travaillait au pair en Bavière – 24 heures.ch – 12.01.2009 >>]
[ICE-Baby hält Behörden auf Trab – blick.ch – 12.01.2009 >>]
[Un bébé abandonné dans un train – lexpressmada.com – 13.01.2009 >>]
FANAMPIM-BAOVAO [16.01.2009] : Nambaran’ny haino aman-jery Soisa io hariva io fa rehefa naverina nofotopotorana tsara ilay renin-jaza dia faniriany raha fianakaviana mitoetra aty Soisa no mba manangana ny zanany.
Izany angamba no antony «nanaterany» azy taty Soisa, fa tsy tany Alemaìna ?
[Bekommt das ICE-Baby Schweizer Eltern – blick.ch – 16.01.2009 >> Soisa ve no ho ray aman-drenin’ilay zazamenavava hita tao anaty fiarandalamby ?]
Izaho manokana dia mahazo tsara ny toeran’ilay vehivavy ary tsy manome tsiny azy. Noho ny fitiavany ny zanany dia aleony velona sy hiadana any an-tanan’olonkafa ny zanany. Izany fitiavany ny zanany izany koa dia tsapa @ tsy fahasahiany manatri-maso ny zanany. Indrisy koa anefa, fa noho ny fitiavana ny havana aman-tsakaiza hafa dia izao no fanapahan-kevitra hitany fa tsara, izay tsy helohiko velively. Aleo toy ny nataony toy izay namono an’ilay zaza (raha ny hevitro manokana).
Mahafinaritra ahy koa izany fahamoram-pon’ny « lalàna » soisa izany. Tsy ampiharina ara-bakiteny sy anjambany fa mba tena am-pamakafakàna. Toy izany tokoa angamba ilay hoe « tsy ambanin’ny lalàna » … fa anatin’ny « andron’ny fahasoavana ».
Hiverina @’ilay zava-niseho aho : indrisy fotsiny, noho izany fitiavana izany, toa tsy ho afaka ao an-tsain’ity vehivavy ity izany zanany izany mandritra ny fotoana maharitra (mba tsy itenenako hoe « mandra-pahafatiny »).
Mino sy manantena aho fa hisy olona ho afaka hitaiza soa aman-tsara izany zanany izany any ho any. Maniry koa aho ny … mba hifankahitan’izy mianaka indray andro any, ka mba tsy hanome tsiny azy ny zanany.
Farany, eritreritra ity ka alefa : tsy mety angaha raha anaovana antso sy filazana ity raharaha ity e …. dia ny fitadiavana olona izay afaka mitaiza azy. Ilay reniny kosa dia mba afaka mamangy ihany. Tsy haiko moa na nivoaka an-gazety ity lahatsoratra ity, fa raha izany, dia inoako fa misy ny olona tsara sitrapo sy tia ankizy izay afaka manao izany. Misy olona tsara ihany mihitsy ange eto an-tany eto e :). Marina e! Sa ahona hoy nareo ?
FANAMPIM-BAOVAO : Nambaran’ny haino aman-jery Soisa io hariva io fa rehefa naverina nofotopotorana tsara ilay renin-jaza dia faniriany raha fianakaviana mitoetra aty Soisa no mba manangana ny zanany.
Napetrako eo koa ireo rohin-gajety namoaka ity raharaha ity.
@ Tokinao : Nipariaka fatratra tamin’ny haino aman-jery talohan’ny Krismasy ny nitadiavana izay mety ho ray aman-drenin’ity zaza hita ity, hany ka mahaliana ny maro ny fivoatry ny raharaha.
Nisy adihevitra kely teo alohaloha teo tamin’izay tompon’andraikitra tokony hanaraka ny raharaha : ny Soisa ve izay toerana nahitana ny zaza, sa Alemaìna izay nahaterahany ? Dia toa ny Soisa no manohy ny famotorana.
Hentitra ny fepetra manodidina ny fananganan-jaza aty Soisa ary fianakaviana maro no efa milahatra miandry izay mba ho anjarany. Angamba dia ny iray amin’ireny fianakaviana ireny no hitaiza azy.
Ny momba ny hihaonan’izy mianaka indray … any aoriana any … dia mbola tena lalan-davitra satria toroan’ireo mpanara-maso ny fananganana matetika ireo ray aman-dreny mpanangana mba tsy hanao izany mandritra ny fahazazana hahamora ny fitaizana ny zaza. Ary rehefa lehibe kosa ny zaza, tsy mba fantatra mihitsy izay mety ho fandraisany izay fihetsika nataon-dreniny.
Mampahatsiahy aho fa tsy paradisa hatrany izany miaina any an-dafy izany ary dia mazava ho azy fa tsy mba isan’ireo manameloka velively aho raha misy solafaka amin’ireo mpiray tanindrazana.
Tsara kosa izany raha efa betsaka ireo mikasa hitaiza ny zaza ‘ko!
Hoy ianao hoe « tsy paradisa ny aty an-dafy », tsy laviko izany nefa kosa aho toa mieritreritra hoe « soa fa aty an-dafy no nahasolafaka an’ilay tovovavy » satria
-1° raha any Mkara no ariana ny zaza iray dia mety ho very tokoa noho ny tsy fahatomombanan’ny fitaovana fampitam-baovao, sy ny noho ny famotorana somary marofy.
-2° raha any Mkara dia sarotra ny mitady fianakaviana gasy mikasa hanangan-jaza noho ny fahasahiranana izay iaraha-mahalala. Koa mieritreritra aho hoe : raha tany ity tovovavy ity no be vohoka dia mety ho azom-panahy hanala zaza. Raha « sarotra manko ny mitaiza zaza », dia « henatra koa any amintsika ilay miteraka tsy manam-bady ».
Momba ilay teninao hoe « rehefa lehibe kosa ny zaza, tsy mba fantatra mihitsy izay mety ho fandraisany izay fihetsika nataon-dreniny » dia marina tokoa. Betsaka tokoa ny tranga toy izao (izay fahita @ fahitalavitra sy fiainana andavanandro) ka samihafa ny hevitr’ilay ankizy rehefa lehibe. Raha izaho ilay reniny dia mangataka ny mba hifandray hatrany @’ilay zanany aho, na dia indray isan-taona aza. Asa … atao hoe mamangy fotsiny ihany fa tsy amin’ny maha-reny akory. Mbola misavoritaka mantsy ‘zao ny sain’ilay reniny ka izay no itompoany teny hoe tsy te hahita an’ilay zanany « i n t s o n y ». Azoko antoka fa manameloka azy ny eritreriny rehefa mahita izany zaza izany izy ankehitriny.
Ny fepetra faharoa apetrako koa raha izaho ilay reniny dia izao [efa betsaka moa zany ny mikasa hanangana ka ataoko fa mba afaka mifidy sy mametraka fepetra ilay reniny na/sy ny fitsarana : io ilay lalànan’ny tolotra sy ny tinady hihihi :)] : ny mba hampahafantarana sy ny ibeazana an’ilay zaza amin’ny fiantrana ny mahantra, eny fa na dia ho anatin’ny fahampiana aza izy. Ataoko fa raha voataiza amin’izany ilay zaza dia ho zaza manam-pitiavana sy afaka mitia olona maro, ka hangoraka ny reniny any aoriana any (farafaharatsiny … tsy hankahala ilay reniny).
Na izany aza aloha, dia tsy hay tokoa e! Izaho dia manana namana haitien izay. izy dia narian-dreniny koa, ary notaizana fianakaviana frantsay. mitovy taona amiko izy ankehitriny, ary dia tena olona « manam-pitiavana be ary tsara fanahy »*, na izany aza anefa dia tsy mikasa hitady an-dreniny intsony izy, ary tsy te hahita an’i Haiti velively. Eritreritra ka alefa e :).
*Amiko ny olona « manam-pitiavana be ary tsara fanahy » : dia ireo olona manao soa amin’ny namany ary tsy mitady tambiny. Vitsy fa misy ny toy izany. ‘Zay ‘ngamba fa mitady hiova resaka raToky :).
>Raha izaho ilay reniny dia mangataka ny mba hifandray hatrany @’ilay zanany aho, na dia indray isan-taona aza.
Aty Soisa, ireo reny izay mamela zaza hatsangan’ny fianakaviana hafa dia tsy manana fahefana amin’ny zaza intsony na dia kely aza. Ary tsy ampitaina akory aza izay toerana ipetrahan’ilay zaza. Fa ny fianakaviana mpanangana kosa dia afaka mikaroka izay renin’ny zaza raha sitrany ny hanome vaovao.
Izany hoe tsy afaka koa mametraka fepetra « izay tsy maintsy fenoana mialoha » ilay renin-jaza [conditions préalables]. Ohatra hoe « tsy maintsy millionnaire vao manangana ny zanako » na koa « kristiana mpivavaka isan’Alahady ihany. »
Misaotra fa mahaliana ny hevitra aposakao !
Bonjour ! anabavin’ny vadiko ny renin’io zaza io, ny mba fanirianay dia ny mba hihaona amin’io zaza io ind
ray andro any