Andro iraisam-pirenena hoan’ny zon’olombelona | Journée des Droits de l’Homme | Human Rights Day | Genève

Andro iraisam-pirenena hoan’ny zon’olombelona androany 10 Desambra. Amin’ity taona 2008 ity koa no ankalazana ny faha-60 taonan’ny Fanambarana Iraisam-Pirenena hoan’ny zon’olombelona.
Eo ampitan’ny Palais Wilson eto Genève, foiben’ny Biraon’ny Firenena Mikambana misahana ny Fanaraha-maso izay raharaha mikasika ny zon’olombelona, olona aman-jatony izay mpanohana ny fanomezana fahaleovantena an’i Tibet no nivory amin’izay andro manorana/oram-panala |

[FR] Le 10 décembre est la journée des Droits de l’Homme. Cette année 2008 on célèbre également le 60me anniversaire de la déclaration Universelle des droits de l’homme.
En face du Palais Wilson à Genève, siège du Haut-Commissariat des Nations Unies aux droits de l’homme [HCDH >>], une centaine de personnes pro-Tibet ont manifesté sous la pluie/neige |

[ENG] December 10 is Human Rights Day. This year 2008 is also celebrated the 60th anniversary of the Universal Declaration of Human Rights.
In front of the Palais Wilson in Geneva, office of the United Nations High Commissioner for Human Rights [OHCHR >>], hundred of pro-Tibet persons demonstrated under the rain/snow |

© tomavana | Quai Wilson | 10.12.2008 |
[Rade de Genève]

Andro iraisam-pirenena hoan’ny zon’olombelona 2007 >>

5 commentaires sur “Andro iraisam-pirenena hoan’ny zon’olombelona | Journée des Droits de l’Homme | Human Rights Day | Genève”

  1. Mahatalanjona ahy indray ity fomba nanaovanao ity sary oram-panala ity ‘kano. Noheveriko ho sary fanambany (background ilay izy tamin’ny voalohany), kay zavatra hafa mihitsy satria toa miangona etsy ambany daholo ilay oram-panala ‘ko🙂.

    Misaotra tomavana a!

  2. Aoka moa Ra-Tokinao a ! Tolotra ataon’ny mpampiantrano WordPress io😉 fa ny ahy ny manindry bokotra iray fotsiny no mba anjarako.

  3. Hay va re! Izaho ve moa nahalala ‘ko🙂.

  4. Droits de l’homme aloa tsar ny initiative sy ny intention fa kosa raha tena misy sy miatra zato isan jato izany dia mety hanaiky ihany ny tena fa htra@ izao zavatra politika be loatra io resak io.

  5. @ pakysse raha eo amin’ny lafiny fifidianana fotsiny ohatra no ampitahaina :
    – 1948 tsy nanana zo hifidy ny Amerikana mainty hoditra, 2008 lany filoham-pirenena i Obama,
    – 1948 tsy manan-jò hifidy ny vehivavy Malagasy, 1959 mahazo mifidy amin’izay,
    – 1948 tsy manan-jò hifidy ny mainty hoditra any Afrika Atsimo, 1994 mahazo mifidy amin’izay ny tsirairay n’inoninona fihodirany,
    – … ary tamin’ny 2005 vao nifidy ny vehivavy Kaoeytiana !!!

    Misy fahamarinany ny ambaranao satria lavitr’ezaka ny lalàna mbola tokony hodiavina … saingy tsy azo odian-tsy hita koa ireo fihatsaran’ny raharahan’ny zon’olombelona vita nandritra izay 60 taona lasa izay🙂


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :