Tsy sarin’ny lalao CAN Côte d’Ivoire-Madagasikara | Cette image n’est pas du CAN Côte d’Ivoire-Madagascar | This image is not from ACN Ivory Coast-Madagascar

Tsy diso famaky ianareo, tsy sarin’ny lalao fifanitsanana fiadiana tompon-dakan’i Afrika [CAN] sy lalao famarana fiadiana tompon-daka eran-tany taranja baolina kitra Afrika Atsimo 2010, nifanaovan’i Côte d’Ivoire sy Madagasikara io. Tsia, tsy nalaina tany Abidjan velively io sary io fa taty Genève androany Alahady tolak’andro, tamin’ny fifandonan’ny mpifanolo-bodi-rindrina Servette de Genève [mena matroka am-panafihana] sy FC Lausanne-Sport [fotsy sy manga ary miaro ny tsatokazony] izay tsy nasiana vidim-pidirana | 9’988 no isan’ireo mpijery tao anaty kianja (foana ny roa ampahatelon’ny sezan’ny kianja) | Genève Servette 1 – Lausanne-Sport 1 [1-0] |
Tsahivina fa : Côte d’Ivoire 3 – Madagasikara 0 | faha-41 min, 1-0 Boubacar Sanogo | faha-55 min, 2-0 Boubacar Sanogo tamin’ny loha, tolotra avy amin’i Baky Koné | faha-65 min, 3-0 Salomon Kalou tamin’ny penalty, i Baky Koné no nanosika ny Malagasy hanao fahadisoana | Raraka i Madagasikara

[FR] Vous avez bien lu, ce n’est pas une image du match éliminatoire combinée de la Coupe d’Afrique des nations (CAN) et du mondiale 2010 qui opposait Madagascar à la Côte d’Ivoire. Non, cette photo n’a pas été prise à Abidjan mais à Genève ce dimanche après-midi, à l’occasion du derby qui opposait l’équipe Servette de Genève [grenat à l’attaque] au FC Lausanne-Sport [blanc et bleu en défense] et dont l’entrée était gratuite |
9’988 spectateurs (le stade était aux deux tiers vide) | Genève Servette 1- Lausanne-Sport 1 [1-0] |
Rappelons que : Côte d’Ivoire 3 – Madagascar 0 | 41ème min, 1-0 Boubacar Sanogo | 55eme min, 2-0 Boubacar Sanogo de la tête sur un centre de Baky Koné | 65eme min, 3-0 Salomon Kalou sur penalty, faute provoquée par Baky Koné | Madagascar est éliminé

[ENG] You’ve read, this is not a photo of the dual qualification process match for the African Cup of Nations  (ACN) and the South African World Cup 2010 between Madagascar and Ivory Coast. No, this picture was not taken in Abidjan but in Geneva this Sunday afternoon at the derby between Servette Geneva football team [garnet in the attack] and FC Lausanne-Sport [white and blue in defence], the entrance was free |
9 ‘ 988 spectators (the stadium was in two thirds empty) | Geneva Servette 1 – Lausanne-sports 1 [1-0] |
Let us remind that : Ivory Coast 3 -Madagascar 0 | 41th min, 1-0 Boubacar Sanogo | 55th min, 2-0 Boubacar Sanogo with his head on a assist from Baky Koné | 65th min, 3-0 Salomon Kalou on penalty, fault provoked by Baky Koné | Madagascar is out

© tomavana | Servette FC vs FC Lausanne Sport
[12.10.2008 – Stade de Genève, Geneva Stadium]

17 commentaires sur “Tsy sarin’ny lalao CAN Côte d’Ivoire-Madagasikara | Cette image n’est pas du CAN Côte d’Ivoire-Madagascar | This image is not from ACN Ivory Coast-Madagascar”

  1. Le résultat était un peu prévisible mais il y avait encore de l’espoir.
    Dommage et comme on dit: @ manaraka indray miezaka

  2. En effet le miracle n’a pas eu lieu … après une année 2008 marquée par des guerres intestines au sein de la fédération malgache de foot … puis les interventions « maladroites » de l’ancien ministre des sports, qui lui coûté son portefeuille ministériel … L’avenir nous dira s’il y a eu du vrai changement … et s’il est vraiment raisonnable d’espérer … malgré tout essayons de faire mieux la prochaine fois … je partage ton avis😉

  3. A -t-on besoin de la federation malgache de foot telle est la question qui se pose de meme que pour les autres disciplines comme la natation, le cyclisme,le basket ect…Mais bon a quoi il sert le ministre malgache des sports en faite hein

  4. Ny sports eto am tanàna mihitsy no tsy tafa eh, zao zao ny sebam tsy afaka hanatrika ny lalao afrikana fa tsy ampi sosy.

  5. Tu tombes bien, en effet je me demandais quel serais ton avis sur la question suite à notre dernière discussion autour d’un autre coup d’éclat de l’ancien ministre malgache de la culture et des sports >>.

    Tes questions qui poussent à la réflexion sont toujours les bienvenus😀 merci de ta visite

  6. Tongasoa ianao sixthman😀 misaotra tamin’ny hafatrao

    Vao novakiako io maraina io fa niverina maina ny mpilalao kanetibe vehivavy malagasy iray … fa tsy tody tany amin’ny toerana tokony nanaovana ny lalao famaranana fiadiana izay ho tompon-daka eran-tany tany Torkià😦

    Mahazo fanohanana ara-bola avy amin’ireo federasiona Iraisam-pirenena isan-karazany hatrany ireo federasiona Malagasy, ny sôsy (vola) izany toa misy ihany … fa toa ireo làlana alehany no maro loatra … asa be loatra angaha ireo « matihanina » any amin’ny birao ? … Hany ka potipotiny sisa azo atokana hanohanana ireo mpanao fanatanjahatena ? Araky ny fanontanian’i pakysse tetsy ambony.

  7. Ny tena mahatsiravina indraindray dia toa misy resadresaka pôlitika ny tontolon’ny Fanatanjahantena. Inty fontsiny é! T@ 28 Février 2008 ny FIFA namoaka « code éléctoral type » izay tokony harahin’ny Fédération Foot rehetra. Ni-adoptén’ny fédération Malagasy izy iny. Tsy nahafaly ny fanjakana loatra izany satria manala tanteraka ny fahefany ao a@ fédération. Andro vitsivitsy aty aoriana, nipaoka ilay gidraka be tany mahamasina. Réaction immédiate: namoaka arrêt ny ministre des sports mampihantona ny fédération sy ny filohany. Dia ahoana? Football stinks in Madagascar!

  8. Malalaka ny kianja ahafahana ifanakalozana😀 Tongasoa ianao ry andrydago

    Hay moa izay no tena niandohan’iny raharaha niafara tamin’ny fifanolanana tamin’ny FIFA iny e ? Mamofompofona hoy ianao saingy tsy isika gasy ihany io tia manao be sandry be didy midina io, fa na i Pologne izay tokony hampiantrano ny euro 2012 (miaraka amin’i Ukraine) koa aza mba nanandrana handika làlan’ny FIFA fa tsy nahovoka >>

    Ny ahy ny zavatra tsy mbola azoko dia izay tombotsoa tian-dry zalahy tsetsefina ao amin’ny federasion’ny kitra ? Sa ve ny hitantanana ireo volabe arobaroban’ny FIFA fotsiny ? Ny hita nefa dia izay idiran’ny pôlitika dia vao mainka mihemotra fa tsy mandroso😦 sa ve ny fijeriko no diso ?

  9. @Rehetra tena marina daholo ny hevitra ato fa ny ahy ny tiako asiana resaka dia oe maninona ireo mpitondra ireo rehefa mba mahazo vola raha mba tena halefa amin ny lalany ilay izy amin izay anie mba mahazo resultats tsara ireo atleta rehetra ireo e,etsy andaniny ireo ministra rehetra nifanesy teo dia faly nampanantena fotsiny fa tena miala tsiny aho ry mpitoraka rehetra fa tena tsy misy ilaivana azy daholo ireo marina sady rehefa atao anie ny fandalinana dia ny atleta ihany no tena manao ny ainy tsy ho zavatra amin ny fahazoana resultats tsara fa kosa raha ny momba ny fanjaka aloa dia tsy aiko oe taiza ho aiza no mba nanao zavatra tamin ny fony sy am-pahamarinana ry zareo ireo…asa tamin ny Parfait lasa champion du monde angamba dia mba lasa nahazo promotion lery tao amin ny Telma fa bon mahazo manisa isika oe firy tamin ireo atleta ireo no nahazo fampanantenana koa voatanteraka (iray ao anaty ny lavitrisa angamba..) Eto am pamaranana dia ny zavatra tsara indrindra na oe tia ho lasa matianina tanteraka dia tsy dia tsara loatra ny miankina loha amin ny fanjakana sy ny manantena satria jereo fotsiny ny zavatra nitranga tany Chine farany teo e: Lasa olona tsy tokony andeha indray no mameno ny delegasionina dia avy eo lasa ohatrany tsy nisy inona akory.
    Miala tsiny ra Tomavana raha lava be fa ohatrany rehefa lasa izy tsy mety mijanona intsony…lol

  10. >ny zavatra tsara indrindra na oe tia ho lasa matianina tanteraka dia tsy dia tsara loatra ny miankina loha amin ny fanjakana

    Izaho indray aloha mihevitra hoe (raha mbola azo atao) dia ilaina ihany ny fiaraha-miasa eo amin’ireo federasiona sy ny fanjakana.
    Mila mianatra mampangina hambo-po sy fitiavan-tena ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany tsirairay avy, mianatra miara-miasa fa tsy mifamimgampingana … satria izay miady an-trano tsy mila mpifanandrina akory dia resy😦

  11. […] Tsy sanatria mamoha fota-mandry, fa tsikaritro tany amin’ny abidjan.net ny tahala-tsarin’ny fifandonana lalao Elefanta Côte d’Ivoire sy Barea Madagasikara izay notanterahina ny Asabotsy 11 Ôktôbra 2008 tany Abidjan […]

  12. finalement firy sy firy ny baolina? resy be aho e

  13. Efa hoe … 3 sy donga hoa … resy be isika … sady nitondra atody am-babena … no nelafa nody hamerin-desona aloha😉 amin’ny 4 taona indray manarina … raha mbola sahy !

  14. Jogany oi tsssss, efa oe 3 sy 0 koa………henjana be isika fa tokony efa manana diplome amin ny tsy fahombiazana e….lol

  15. […] Coupe d’Afrique des Nations 2010 en Angola [CAN] et Afrique du Sud Coupe du Monde 2010 et me voilà embarqué par des amis bloggeurs Malagasy dans une grande discussion sur l’état et … [pff ils s’y connaissent en foot mes amis […]

  16. ka izaho kamo be mamaky an ilay débat….efa fantatro fa hisy ho resy be eo😛

  17. Tsy dia misy mahadiso anie raha tonga mitsotra ohatra-nay hoe tsy dia mahalala loatra izay Atsimo sy Avaratra amin’ny baolina kitra Malagasy e ? Afaka mandray anjara ihany😉


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :