Kalo sy dihy Malagasy | Chants et danses malgache | Malagasy songs and dances | Lausanne

Par : tomavana

Sep 25

Tags:, , , , , , , , ,

Catégorie: fampisehoana

30 Commentaires

Ouverture :f/4
Focale :24mm
ISO :400
Shutter:1/40 sec.
Appareil photo :Canon EOS 400D DIGITAL

Mba hanoherana ny andro manjombona sy mangatsiaka izay efa miverina sahady, dia manasa anao amin’ny tolakandrom-pifaliana ny Antokom-pihira Malagasy STL >> hiara mankalaza aminy ireo haren’ny nosintsika Madagasikara [zava-kanto, hai-nahandro, artistika, fiaraha-monina …], izany dia hotanterahina ny Alahady 28 Septambra 2008 amin’ny 16:00 ora tolak’andro, ao amin’ny Salle paroissiale de Saint-Marc [chemin de Renens 12c | Vidim-pidirana 10 CHF / 7 €| Filankevitra sy toro-làlana +41 78 836 37 51 | +41 78 685 89 20]

[FR] Pour contrer le retour de la grisaille, la chorale malgache STL vous invite à un après-midi ensoileillé au travers de la célébration des richesses l’île de Madagascar [culturelle, culinaire, artistique, sociale …], le dimanche 28 septembre 2008, à 16:00 h à la Salle paroissiale de Saint-Marc [chemin de Renens 12c | Entrée 10 CHF / 7 €| Renseignements +41 78 836 37 51 | +41 78 685 89 20]

[ENG] To fight back the return of the grey weather, the Malagasy’s choir STL invites you to a sunny afternoon through the celebration of wealths of the island Madagascar [cultural, culinary, artistic, social …], sunday September 28, 2008, 04:00 PM, at the Salle paroissiale de Saint-Marc [chemin de Renens 12c | Entrance 10 CHF / 7 €| Information +41 78 836 37 51 | +41 78 685 89 20]

30 commentaires sur “Kalo sy dihy Malagasy | Chants et danses malgache | Malagasy songs and dances | Lausanne”

  1. ary dia tena gasigasy tokoa ireto mpikambana ao @ antokom-pihira🙂

  2. tena kanto tokoa! tiko be ny akanjon-dry zareo🙂.
    Oviana reo no mety hankaty Frantsa e🙂 ?

  3. Misy maromaro ireo antokom-pihira Malagasy aty Soisa. Na sasany manao hira chorale toy ireo mahazatra any am-piangonana any Madagasikara, misy koa ireo manao gospel, fa ny tena mba mampiavaka sy ankafizako manokana an-dry zareo STL ireo dia ny fivoizany ny fomba fihira zafindraony😀 midanàka fotsiny ireo vazaha … dia avy eo mitora-jofo ny tehaka … rehefa mandre izato hira mbola mirongo ny tany menan’ny arabe izay manavatsava ireo vohitra sy lohasaha any ambanivohitra any !

  4. Misaotra ny tranonkala tomavana.wordpress.com miezeke mampita ny hetsika eto amin’ny Tanàna .

  5. Misaotra Tomavana ..indrindra moa fa ny fiezahana ny mapiseho ny hetsika eto amin’ny tanàna

  6. Miarahaba anao Tokinao… ny azo avaly ny fanontanianao dia hoe: Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara ».ka mbola eo am-panaovana ny Lakana ny STL. Maro ny ezaka mbola hatao ohatra :Ny fakalazana ny faha 5 taona @ taona ho avy , ka ny avy any Frantsa no hasaina hanatrika ny fety.
    dia manatena ny fahatongavanao.

  7. Faly mandray anao eto indray Ra-Ppg !

    Ianareo no isaorana amin’ny fanomanana hetsika fa izahay mamatam-bonona fotsiny … raha vao masaka ny nahandro😀

  8. Tongasoa eto ianao Ranonne

    5 taona ! Dia hisy fankalazana mangotrakotraka indray izany😉

  9. Salut Tomavana, Maintikely, Tokinao sy ireo namana rehetra,

    Merci t@ pub e! Tena grande vitrine ny eto @ Tomavana…

    Tokinao: Efa nisy nametraka anio fanontaniana napetrakao io. Tsy mbola tao anatin’ny plan, fa hiezaka ao afarafara ao. Raha tsy tratranao ny 28 septembre dia tongàva amin’ny kermesy ny 25 octobre any Lausanne na koa amin’ny concert de Noel any Genève amin’ny 2ème samedi ny mois de décembre…

  10. Oadray, tongasoa eto koa ianao Rainihifigna

    Io ary ilay efa nambarako tetsy ambony fa na ny avatar-nao aza dia tena tandrify ho anaram-bosotr’izay mpihira Zafindraony mihitsy😉

    Izaho no mamerina ny fisaorana anareo, fa tsy mbola diso fanantenana aho nanatrika ny hetsika nataonareo sady vaovao tsara tokoa ireo daty narosonao sahady ireo … raha tsy mahadiso, sao dia mba misy « scoop » efa azonareo zaraina ny mpamaky sahady amin’izay praograma koboninareo mangigina ho amin’ny fankalazana ny faha-5 taonan’ny STL ?

  11. Miarahaba ny rehetra, mahafinaritra ery mijery ireto malagasy mpila ravin’ahitra. ary koa fifaliana ho ahy ny hijery azy ireo haneho ny taniny aty a-tanin’olona aty. Mankasitrka Tomavana amin’ny Pub e! manantena anao miaraka amin’ilay EOS amin’nio fotoana io.

  12. Elaela indray izany an … fa nanao ahoana aloha ny fialan-tsasatra ry Harivony a ?

    Tsy misy tokony isaorana ahy momba ny Pub fa ny an’ny vahiny aza ve ambara eto dia ny antsika samy Malagasy indray no atao valalan’alika ? Dia any indray izany isika mifankahita😀

  13. Eto aho vo tena tonga saina tamin’ilay hoe « HO FANOHERANA NY FIVERANAN’NY ANDRO RATSY… ». Tena marina mihintsy ry Tomavana fa misaotra anao nanamafy. « Masoandro hariva ka mena fify » hoy ny tenintsika izay…Fa ny masoandrontsika dia ao Saint Marc amin’io.

    Mitady hirediredy fa aleo aloha hangata-dalana kely..

    A+

  14. >“Masoandro hariva ka mena fify”

    Sao dia masoandro fararano kosa (automne)🙂 ambara fa any ho any ihany … saingy tsy misy mahita (takon’ny rahona / zavona « stratus »)

  15. ranonne > ok! ka mba aza adino àry ny milaza vaovao e! (ny daty sy ny sisa)🙂. Enga anie mba ho fotoam-pialan-tsasatra ilay izy🙂.

    Tomavana > zah koa tena tia hira zafindraony be mihitsy. Rehefa ilay tena mpanao azy iny no mihira azy a! … aoka fotsiny … mangina daholo ianareo fa hihaino tsara raToky hihihi. Manan-talenta ho’ahy ny malagasy e … tsy mila mianatra mozika dia efa mahay hoe mety na tsia izany fikambanam-peo zany.

    Ireo any amin’ny faritra betsileo iny mantsy dia havanana mihitsy amin’io bà-kira iray io. Ankizikely mpilalao vovoka eny antokontany no mihirahira dia efa mahay mampiara-peo aok’izany. Tena izany ny hoe : rehefa atao amin’ny fo ny zavatra iray dia hay ho azy, ary mivoaka tsara.

    Misaotra Tomavana a!

  16. Tsy misy fisaorana fa tsy andriko ny hihaonanareo hampiara-peo !

  17. […] Rainihifigna a tenu promesse à Lausanne cet après-midi lors du spectacle concocté par la chorale malgache STL à la Salle paroissiale de Saint-Marc. Les spectateurs venus depuis Genève, Fribourg ou La Chaux-de-Fond ont pu se réchauffer au doux rayonnement d’un “Soleil couchant aux joues écarlates !” De quoi balayer le souvenir d’une semaine dominé par une météo triste et grise. J’ai beau être Malagasy je ne chante ni ne danse comme vous je suis bluffé man […]

  18. Nahafinaritsa ny nahita ny olo aby tonga hoy ny STL …

  19. Izahay mpijery koa aloha nankafy😀 Nanahoana ny havizànan’ny fampirinan-trano ?

  20. tamin’ny maraina vao mipetraka ny loha dia renoka hihi….
    fa efa misava izy izao ..

  21. Tokinao > ny momba ny Fety na daty malaza izay ahafahanao mihaonana indray amin’ny STL dia ny 31 desambra 2008. Ny amin’ny taona ho avy ho retsika amin’ny namana za-draharaha tomavana eto ihany.Hoezahina mba ho @ fotoana mahamety azy.

  22. @ ppg : dia antenaina hiverina haingana ny hery … sady mamerina ny fisaorana

    @ ranonne : za-draharaha angaha no betsaka any ?😉

  23. Misy fantatro an!

  24. Fa angaha tsy boribory ihany ny tany e !

    Faly mandray anao eto ry Tajora😀 Misaotra tamin’ny hafatra

  25. Efa ho avy indray hono ny Kalo sy Dihy II😉
    Ny daty dia ho lazaina amintsika miandalana eo ihany.

  26. Tongasoa indray jbR🙂 vaovao mahafinaritra izany fa ampitampitao hatrany satria ny ahy “izay fantatro ihany no ambarako anao”

  27. marina tokoa izany. Efa eo am-panomanana ny fampisehoana izahay izao, ka ny toerana sy ny fotoana dia hampitaiko eto ihany.

  28. Hafàna indray izay ny lanonana atsy ho atsy😀 efa roa taona lasa tokoa izay an >>

  29. Comment ça marche aloha

  30. Tongasoa ianao Serge Razanakolona. Tsy misy fombafomba manokana na andraso andraso fa samy mametraka izay hafatra tiany apetraka ny tsirairay. Mazava hoazy fa anatin’ny fifanajàna hatrany.


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :