Sary iray isan’andro mandritra ny Eorô-kitra 2008 | Euro 2008 [Genève]

Efa roa volana lasa izay no nanambaràko ny fisokafan’ny fivarotana tapakila … tsy nitsahatra ny nivoatra ny tanana … nihaingo sy niomana ny handray ireto mpankafy baolina kitra … eo indrindra isika izao fa rahampitso Asabotsy 7 Jona 2008, no fotoam-panokafana ny fifaninanana Eorô-kitra 2008 | Euro 2008 izay tanterahina miaraka aty Soisa sy Aotrisy.

Mandritra ny fanatanterahana izany fiadiana izay ho tompon-dakan’i Eorôpa amin’ny taranja baolina kitra taona 2008 izany, dia hivadika blaogintsary ity toerana ity. Ka manao fanamby ny hampita sary iray isan’andro avy aty Geneve aho … hampiseho ny tanana, ny vahoaka, ny fiainana andavan’andro sy ireo zavatra maro samihafa mety hisarika ny masoko.

Ny sasany amin’ireny sary hisy hifandraisany amin’ny euro 2008, ny sasany tsia. Mazava ho azy fa hanampy ahy betsaka raha mamela hafatra mikasika izay sary nanintona ny masonareo ianareo, mba azahoako miezaka manolotra fahafaham-po anareo.

Mankafizà daholo !

10 commentaires sur “Sary iray isan’andro mandritra ny Eorô-kitra 2008 | Euro 2008 [Genève]”

  1. tena milay be zany projet-nao zany! dia efa lasa rohy maharitr’i news2dago izany ity blogan’i tomavana ity!

    maka soisa nga enao @ vinavina ny andrombaka ny amboara! ny ahy oh portugal sy rosia no oh tena mba mety ho lasalasa asa anefa fa ny baolina borobory izay ka mikodia any @ izay tiany any izy io!

    raha mba nanam-bola izao ny malagasy ry tomavana dia mba afaka nanao fizahan-tany any @nareo any soa ihany fa mba misy an’itony aterineto itony dia mba mionona aloa! mbola ho avy e! sa ahoana?

    Ary ahoana ny momba ilay proxenetisme toa oe mirongatra be hn izy ity @ izao ka ireo tovovavy avy any antsinana no tena amidin-dry zalahy @ izao fety izao! toy ny tany alemaina t@ 2006.

    mba tantarao @ antsipirihiny e! misaotra mialoha!lol

  2. tena hankafia tokoa moa izany!
    ataovy sary be dia be an! ok

    iza no tombatombana ary? ny ahy portugal sy rosia

    i soisa ve mety ho lasa sa ahn?

  3. Misaotra amin’ny famangivangiana sy famporisihina😀

    I Soisa aloha raha tafakatra miady ny lalao ampahefa-dàlana dia efa azo heverina ho toy ny fandresena izay. Ankoatr’izay dia mihevitra aho fa ny Alemàna sy ny Italiana indray izao no hiady amin’ny farany.

  4. Ho hita eo e! eo isika mahita izy! lol
    fa hono oa tokony ohatrinona any izao ny tapakila fidirana @ izy itony!
    ny anay aty mantsy zao 3.000 Ar ny gradin azo lazaina fa efa lafo be ihany ilay izy aloa e!

  5. Vitsy ireo tapakila fa tsy ampy hoan’ireo mpanjifa ka nasaina hisoratra anarana avokoa izay olona liana, roa volana lasa izay, dia antsapaka no nanendrena ireo izay handoa 70.- CHF [45.- euros] hoan’ny tapakila mora indrindra ary mahatratra 880.- CHF [550.- euros] kosa ny an’ireo toerana tsara amin’ny fifandonana fara-tampony fiadiana ho tompon-daka [finale] mety hoe be am-panononana izany sarany izany, fa sahala amin’ireo hetsika malaza eran-tany fanao ihany.

  6. Super idée! Autant tes photos m’intéresseront, autant pas le foot!🙂
    On a vu passer des migrateurs, plein de migrateurs vers Bâle vendredi soir🙂

    Il y aura un match vers le 21 Juin à Genève? J’espère que non… J’ai oublié de réserver un hôtel tôt, ayant zappé qu’il y a l’Euro 2008 moa. Espérons que ça sera bon.

    Magnifique ton nouveau template! Idéal pour les photoblogs.

  7. Ce n’est qu’un essai … n’ayant jamais eu l’occasion de présenter « mon regard sur Genève » … je suis aussi curieux que toi du résultat final. En tout cas un grand merci pour tous vos encouragements😉

    Le dernier match à Genève aura lieu le 15.06 … par contre Bâle accueille la 3me 1/4 de finale.

  8. tsara daholo ireo sary ry tomavana

    misaotra fa dia afa-po zany ny masoko.
    Tsy izany fa @fahitalavitra ny eo ambony kianja ihany no asehony fa ny hetsika manodidina rehetra toa adinony😦

    allez les mannschaft😀

  9. Mamangy amin’ny fahakiviana t@ fandresen’ny Espagnôla e … atao akory fa boribory ny baolina.

    Misaotra amin’ny teny mamy fa mankasitraka e.

  10. […] eto ny fanamby nifanaovako taminareo ny hanapariaka “sary iray isan’andro” … lasa sary roa isan’andro moa ilay izy nohon’ny hamaroan’ireo zavatra tiana zaraina. Indro ny rohy mankany amin’ny […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :