Mbola manao valim-babena ihany ve … sa efa lasa vazaha ?


Efa mihatsara ny andro mangatsiaka aty Soisa. Tsy nisy latsaky ny 24° C ny maripàna tamin’iny herinandro lasa teo iny. Taorian’ny ririnina izay matetika nikobohana antrano, dia efa eny ivelany indray izao no andaniako ny andro. Ny masoandro rahateo tsy milentika raha tsy amin’ny 21:30 ora alina. Tsy mahagaga izany raha mihena arak’izany ny lahatsoratra eto amin’ity blaogy ity.

Heveriko ho isan’ny ampahany manjombona amin’ny tantaran’ny Malagasy no tsarovana anio, dia ny fifandonana niseho tamin’ny 13 Mey 1972 … tamin’ny samy Malagasy. Iriako rahateo ny tsy hisian’izay aina hafa hafoy mandritra izao fotoam-pahatsiarovana izao. Angamba mbola hisy fotoana hiresahako momba izany indray andro any fa androany aloha … dia lohahevitra hafa mihitsy no horesahiko aminareo eto.

Novakiako tamin’ny gazety Soisa androany maraina [jereo ery amin’ny faran’ny lahatsoratra ny rohy], ary nahavelom-panontaniana ahy ny lahatsoratra mikasika izay “rohy tsy hita maso izay mamatotra ireo Afrikana monina aty Eorôpa amin’ny fianakaviany” tavela any Afrika. Ny fomban-drazana izay manery ny fandefasam-bola no tondroiny amin’io “rohy tsy hita maso” io. Raha adika mazava izany dia ireo seraseram-bola izay mipetraka anivon’ny fianakaviana sy ireo mpila-ravin’ahitra Afrikana monina aty Eorôpa no novelabelariny tao.

Nambaran’izany lahatsoratra izany ary fa

“ny antsasany amin’ireo Afrikana miasa aty Eorôpa no mandefa ny telo ampaha-efan’ny karamany [3/4] hoan’ny fianakaviany tavela any Afrika, ny antony dia ny hiantohana ny fiainan’izy ireny. Izany dia mampihafy ny fandraisan’ilay mpiasa anjara amin’ny fiaraha-monina onenany, ary ts’indraindray aza dia mampihafy koa ireo vady aman-janaka sy ny ankohonana izay najoron’ilay mpiasa any Eorôpa.”

Raha ny mikasika ireo mpiray tanindrazana aty Soisa sy Frantsa manodidina dia azoko ambara fa mandefa vola any an-tanindrazana tokoa ny mpila ravinahitra Malagasy, saingy ny tahan’ny karama [%] no tsy fantatro. Ary raha ny fahitako ny fahavitrihan’ny orinasa fandefasam-bola Western Union hanohana ny fihaonana ara-panatanjahantena RNS fotsiny no dinihina dia azo akana tsoakevitra fa azo velarìna amin’ireo Malagasy manerana an’i Eorôpa izany fandinihana izany : mandefa vola any an-tanindrazana ny Malagasy.

“Isan-taona, dia 2,5 lavitrisa € [milliards] ny vola alefan’ireo Afrikana any an-tanindrazany, izany hoe ny ampahafolon’ny teti-bolam-panjakana [1/10] an’ny firenena toa an’i Mali. Ary mihoatra lavitra izay totalin’ireo fanampiana izay atokan’ireo fanjakana tandrefana hamatsiana ny fifanampiana iraisam-pirenena [coopération internationale]”

Na dia tsy misy aza tarehimarika mazava, dia azo heverina fa mbola betsaka lavitra nohon’ny fidirambola ateraky ny serasera sy ny lavanila ny harinkarena aterak’ireo fandefasan’ireo zanaka ampielezana Malagasy vola any an-tanindrazana, ho fanohanana ny havany. Amin’ny maha-voalohany amin’ireo fidiram-karena hoan’ny firenena azy dia heveriko fa rariny raha mba itodihan’ny fanjakana ireo zanaka am-pielezana ireo, sy ny hametrahany fanalalahana sy fiarovana ireo famatsiana ireo.

Ny olana ahariharin’ity lahatsoratra ity dia ny fifanoheran’ny fitakian’ny fomban-drazana etsy andaniny sy ny toe-piainan’ireo mpila ravinahitra sasany etsy ankilany. Satria raha be ny karama dia misy azo zaraina fa raha “zara fa misy” kosa dia matetika no tsy sahy milaza ny marina [fahaverezan’ny asa, tsy fisian’ny taratasy, ets …] na mitaraina akory manoloana izay heveriny ho “adidy tsy maintsy atrehina” … asa raha noho ny henatra araky ny aroson’io lahatsoratra io na noho ny tahotry ny tsiny … izay ialan’ny Malagasy fatratra raha mbola azo atao ihany [fialantsiny feno alohan’ny kabary].

Ny famoronana voina tsy misy ho fanararaotana koa no olana hafa fahita, toy ny nambaran’ity mpanoratra Afrikana iray ity fa “efa fanintelony izao no nanambaran’ny fianakaviany ny fahafatesan’ny renibeny”😦

Manoatra izay fomba mety ipetrahany any an-tanindrazana dia mipetraka amin’ireo mpila ravinahitra Afrikana monina aty Eorôpa ny fanontaniana raha mbola hanohy hanaja ny fomban-drazana ihany izy ireo … na tsia ? Ary dia tsy vitsy amin’izy ireo no misafidy ny “fanapahana fihavanana” amin’ny fianakaviana any an-tanindrazana ho hany tokana valin’izany fanontaniana izany.

“Anefa, ny fanapahana izany rohy tsy hita maso izay mamatotra amin’ny havana any dilam-bato izany dia toy ny fahafatesana kely, toy ny hazo maniry tsy misy fakany”

Gaston-Paul Effa, mpampianatra filôzôfia sady mpanoratra Kameroney mpila ravinahitra any Frantsa dia nanolotra ny heviny. Nisafidy ny hiaina ny fomban-drazana izy saingy tsy misy faneriterena fa antsitrapo, ka ny fampianara-jaza no nofidiany ho fanoitra. Ary satria efa nahavita ny fanorenana sekoly iray izy dia ny fanorenana trano fitehirizamboky any Yaounde indray izao no imasoany ankehitriny. Saingy miaiky izy fa satria hoan’ny vahoaka tsy an-kanavaka ireo vola ireo, fa tsy hoan’ireo havany na ireo mpiray foko aminy dia misy ireo tezitra. Anefa hoy izy safidiko izany satria tsy misy faneriterena … na famitapitahana … fa arak’izay takatry ny heriko no ataoko.

“Mazava ho azy fa, misy ireo mihevitra fa « efa lasa vazaha » aho …”

Zava-misy anivontsika Malagasy koa ny toy izany. Vao tsy ela aho no tafaresaka tamin’ny mpiray tanindrazana izay nizara ny fahasahiranantsainy raha naharay fangatahana avy amin’ny havany ho fanorenana fasan-drazana. Satria sitrany kokoa raha mba zavatra hafa no nandaniana ny vola fa tsy fanorenana fasam-bato vaovao … izy anefa tsy te-hanary ireo fomban-drazana nanabeazana azy.

Tsy mba isan’ireo mpandefa vola firy any amin’ny fianakaviako aho, ankoatr’ireo “nofon-kena mitam-pihavanana” fanolotra amin’ireo hafaliana sy haratsiana. Ary be kokoa aza ireo fandaniana ataoko ho fanohanana ireo fikambanana sy hetsika samihafa izay mahakasika ny fitsinjovana ireo vahoaka Malagasy maro an’isa, na koa ireo voina samihafa … fa tsy ny havako na izay toeram-pihaviako ihany.

Heveriko fa mitovitovy hevitra amin’Ingahy Effa ihany aho izany, satria tsy mihevitra ny hanary ireo fomban-drazana, izany hoe … ireo “izay tsy hita izay naharatsy azy” … aho izany, anefa arak’izay toe-draharaha mitranga dia mino koa fa ilana fiheverana ny fampivoarana ireny fomban-drazana ireny fa tsy ampiharina be fahatany … satria mety ho lany andro tsindraindray😉 [n’a plus sa raison d’être]

Ary ianareo, mandefa [sa mandray] vola [na fanampiana] avy amin’ny fianakaviana mila ravinahitra any dilam-bato ve ? Hatao inona ? Ary amin’ny fotoana manao ahoana ?

[L’argent: le fil invisible qui relie les Africains à leur famille – tdg.ch >>]

[Interview de Gaston-Paul Effa, auteur de “Nous, enfants de la tradition” – livres.lexpress.fr >>]

7 commentaires sur “Mbola manao valim-babena ihany ve … sa efa lasa vazaha ?”

  1. 3/4 ny karama izany kosa be loatra kah!

    Saingy afaka ekena ihany satria ny afrikana miaina @ caste ary ny fianakaviana ny azy ngeza be satria na ny zana-tetezana rehetra mbola hoe fianakaviana ihany koa.

    Ny matetika koa ny mahatonga an’io ny any antanindrazana mieritreritra hoe rehefa aty ivelany dia misy vola ariana @varavarakely nefa tsy fantany fa ny fiainana aty koa sarotra!

    Ho anà manokana aloha ray amandreniko niteraka anà ihany no ampiko, ry zareo aza tsy mangataka fa ny tena no tonga saina. Raha fanampiana tanindrazana dia io an’i Effa io no tsara indrindra raha ny fandinihako azy🙂.
    Fa raha za manokana tsy fasana sy ny tariny izany no andaniko vola, miala tsiny @tafintohana

  2. >ny any antanindrazana mieritreritra hoe rehefa aty ivelany dia misy vola ariana @varavarakely

    Rehefa any an-dafy dia tafita TNH … mety ho nisy fahamarinany io tany aloha tany fa … asa tokoa angaha izay mbola ifotoran’io fomba fihevitra io mandrak’ankehitriny ? Sa mbola mitombona foana ?

  3. Izaho ry Tomavana dia anisan’ireo olona mino fa ny malagasy dia tsy anisan’ireo afrikana mpandefa vola any an-tanindrazany. Raha misy izany dia ankavitsina tokoa.

    Mbola betsaka lavitra noho ny fanampiana avy amin’ny mpamatsy vola hono ny vola alefan’ny afrikana ho an’ny fianakaviany. Raha nisy izany ho an’i Madagasikara, izaho mino fa ho hafa kokoa ny fiainan’ireo izay « tsy lasa ». Ny gasy raha mandefa dia zavatra « kely » ; tennis Nike, na ireo rendrarendram-bazaha vao mivoaka, sns, sns, … fa tsy hoe vola hahafahana mampiakatra ny fahefa-mividin’ireo any an-toerana.

    Ny antony dia efa voalazan’i maintikely : « Ny « aty » koa aza sarotra ! » Ireo rehetra izay mandeha, dia ny tenany aloha no avotany voalohany. Ary tsy hiisy tsiny velively avy amin’ireo izay nijanona izany satria efa izay ilay tsipi-dalaho.

    Tsy misy maha-ratsy an’ilay hoe fikambanana no hampiana, fa tsy efficace ilay izy amiko. Raha ny havana no hampiana, miakatra ny fahefa-mividiny, mihatsara kokoa ny fiainany, afaka izy, noho izay, manatsara ny fiainan’ireo izay mifanerasera aminy. Izay ny systeme-n’ny afrikana raha ny fahazoako azy.

    Hevitra ny ahy iny ary azo hampiadiana tokoa

  4. Misy hotsakotsakoana tokoa izy ity fa misaotra anao.

    Ankoatr’ity firongatry ny Western Union ny fahenoana fa ny ankamaroan’ny namana aty Soisa dia mividy na manorina trano any an-tanindrazana no nahatonga ahy nihevitra fa mandefa vola ny Malagasy😉

    >Raha nisy izany ho an’i Madagasikara, izaho mino fa ho hafa kokoa ny fiainan’ireo izay “tsy lasa”

    Azoko ny tianao ambara ary mampieritreritra tokoa anefa kosa … angamba tsy voatery ho voa-metatra amin’izay fisondrotry ny fari-piainana ny habetsaky ny harinkarena miampita … indrindra raha tsy « efficace » toy ireo fikambanana nambaranao izay fianakaviana mandray izany … raha ohatra ka any amin’ny fanamboarana fasana na famadihana no alehan’ny vola fa tsy tanimbary na fampianaran-jaza ?

    Farany raha azoko tsara ny hevitry Ingahy Effa dia tsy fivoizana fikambanana velively no manosika azy ihany fa ny fikatsahana soa maharitra izay ho azo avy amin’ny fampianaran-jaza sy hoan’ny maro an’isa. Ankoatr’izay iaraha-mahalala tokoa fa maro ireo fikambanana tsy mahomby … anefa sao dia « avalana miaraka amin’ny rano nampandroana azy izato ankizy ? »

  5. Mbola tsy nahazo « fi » tsara angamba aho tamin’ilay post-ko farany teo fa nilatsaka ilay izy teo amin’ny « fitsipi-dalaho ».🙂

    Miresaka trano ianao fa ireo « tranoben’i Fandriana » no tsaroako tampoka. Iaraha mahalala fa anisan’ny faritra lazaina fa sarotra (miaraka amin’ny any atsimo) eto Madagasikara iny faritr’i Fandriana iny. Mafy ny tany, sarotra volena, mila miasa mafy ary tena mafy tokoa ny tantsaha vao mba mahazo vokatra kely. Noho izany, ny fianarana no heverin’ny ray aman-dreny fa hanandratra ny fiainan’ny fara aman-dimby. Miakatra any an-drenivohitra ny maro, misy aza mandrato fianarana any ivelan’i Madagasikara mihitsy. « Fianarantsoa be lakilasy » hoy ny tonon-kira. Iny faritr’i betsileo iny mihitsy no toy izany. I Fandriana anefa dia ny omaly tsy miova ihany. Toa tanana aolo aza. Ny ahafantarana hoe tafita ny zanany dia ny trano be tsy misy mipetraka ao an-tanana. Manao trano be ny zanak’ampielezana fa tsy miverina any an-tanana mipetraka any na koa hoe hampiasa ny fahaizany na ny volany hampandrosoana ny faritra.

    Mitovitovy amin’izay ny zanak’ampielezana aty an-dafin’ny riaka ny fahitako azy. Izany akory tsy midika hoe tsy misy mihitsy gasy miverina an-tanindrazana fa ny tena marina ny gasy tsy manana ilay toetra hoe : mandeha any andafy hitady vola hamelomana ny iray vohitra.

    Nisy famelabelaran-kevitra natreako izay efa niteny an’izay. Hoatry ny nahatonga saina ahy ilay izy. Ny olona hoy ilay mpandahatra (conferencier) raha manampy tsy hoe mba ho fitiava-namana (altruisme) fa misy tombontsoany amin’ny fanaovana an’iny fanampiana iny. Miambina ny omby ao an-tanana ny olona iray satria ao anatin’ireo omby ireo ny azy.
    Tsy ao anatin’ny foto-pisainana malagasy ilay hoe tombontsoan’ny besinimaro izany hoy ny mpandahatra fa tombotsoan’ny tsirairay mifanojo no tena misy.

    Ny misionera vazaha no nitondra ny hevitr’ilay fihavanana izay lazaina fa hananan’ny malagasy. Ny fahaizana miara-monina raha ny tena marina no tena misy. Ary ireo izay miavaka kosa dia tena voaroaka tsy ao anatin’ny fiaraha-monina intsony mihitsy.

    Noho izay fahaizana miara-monina izay ihany dia tsy vola very ny vola hampiasaina amin’ny famadihana na ny fanaovana fasana satria misy systeme mamerina an’iny vola iny amin’ny mpikarakara, ary mitombo aza ny vola azo satria ny fomba dia tsy maintsy ambonin’ny vola azonao tamin’ny ianao nikarakara famadihana ny foa-drazana (izay moa ilay izy ?)omenao ilay mpikarakara.
    tsy very ny vola fa miodina ao an-tanana ihany ary miasa ao, fa isika taty aoriana no tsy mahatakatra an’izany foto-pisainana izany intsony.

    Asa ahoana hoy i tomavana ?
    Miala tsiny amin’ilay gazety be fa anisan’ny lohahevitra mahaliana ahy ity resahintsika eto ity. Sa za lasa hors sujet ?🙂

  6. Izaho akory tsy miteny hoe vola very ireo izay atobaka amin’ny famadihana sy ny fanorenana fasana, saingy mba mahalasa saina ihany fa indraindray ny fasana vita rari-vato saingy ny velona kosa miaina amin’ny trano bongo. Izay laharam-pahamehana na « sens des priorités »-ntsika no ametrahako fanontaniana hoe mitombona ve ?

    >Manao trano be ny zanak’ampielezana fa tsy miverina any an-tanana mipetraka any na koa hoe hampiasa ny fahaizany na ny volany hampandrosoana ny faritra

    Izaho indray mihevitra fa na dia « fandriana mangatsiaka » aza satria tsy misy mipetraka ao … ny fanorenana trano any an-tanindrazana dia efa fampitomboana koa ny harinkarena ao an-toerana satria ireo mpanao trano, mpivarotra fasika sy madrie ao an-toerana … dia samy mandray tombotsoa amin’izany avokoa. Vola avy aty ivelany natsofoka hihodina any an-toerana [injection d’argent].

    Torak’izany koa ny fakan-drivotra any an-toerana, sns … Satria tsy voatery hanana traikefa fanorenana orinasa daholo isika na avara-pianarana … ka te hiteny aho hoe … na be na kely dia aoka samy hitodi-doha … na manao ahoana na manao ahoana endrik’izany … eny fa na dia famadihana aza izany😉 fa manampy amin’ny fampitomboana ny harinkarenan’i Madagasikara foana izany.

  7. resy lahatra aho.🙂


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :