Tafo 83 no may ary miisa 318 ireo tsy manankialofana | Taorian’ny kere, mirehitra ve i Farady ? [Taolagnaro, MD]

« … nisy haintrano izay namotika tafo 83 tamin’ny Asabotsy lasa teo tany Taolagnaro [Fort-Dauphin, Faradofay, Farady | 26 Aprily 2008] […]

Na dia tsy nisy aina nafoy aza, dia mahatratra 318 ireo ireo tsy manankialofana ka ny 236 amin’ireo dia ankizy avokoa, araky ny tatitry ny gazety miteny frantsay […]

Trano lay aman-jatony no novelarina ao an-tokotanin’ny Hôpitaly mba ho fialofan’ireo traboina.
Nanolotra solon-tsakafo miisa 200 ho fanampiana ireo tra-boina ny Biraom-pirenena momba ny fitantanana ny loza voajanahary [BNGRC >> | Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes, 200 kits alimentaires]. »

[Un incendie détruit 83 maisons dans le sud de Madagascar – xinhuanet.com >>]

Na dia nikaroka aza aho dia tsy hitako izay gazety Malagasy namoaka ity vaovao ity izay naparaiaky ny vohikala fampahalalam-baovao Shinoa xinhuanet.com ity ary nomen’ny vohikalan’ny gazety jeuneafrique.com ako. Anjaran’ny mpamaky ny mandray azy ho toy ny feon-dakolosy tokana, izany hoe vaovao mbola ilàna fanamarinana.

Raha voamarina ny fisian’io voina io dia mbola hisedra fahasarotana maharitra iny faritra iny satria tsahivina fa vao tamin’ny volana Janoary 2008 no notandindomin-dozan’ny kere iny faritra iny :

« Firaisam-pokotany dimy tao amin’ny faritry Taolagnaro [Fort Dauphin], faritra Anosy no tandindomin-dozan’ny kere any Atsimon’ny nosy. Dia ny firaisan’i Soavary, Bevoay, Manantenina, Ampasimena, ary Analamary. Tafakatra 12 % ny tahan’ny tsy fahapiantsakafo any amin’ireny faritr’ireny. « Avo izany taha izany », raha ny fihevitry ny mpandinika. »

[Cinq communes menacées de malnutrition à Fort-Dauphin – madagascar-tribune.com >>]

Miverimberina matetika any Madagasikara ny haintrano mahakasika tafo maro. Isak’izay mitranga ny loza toy ireny dia ireo ankizy no isan’ny iharany mafy indrindra, arak’izay efa notaterina teto ihany :

[Tafo 170 may sy tsy manankialofana miisa 800 | Hain-trano any Anosinakoho >>]

[Miverina mirehitra indray ireo tanàna | Malagasy maro tsy manankialofana >>]

2 commentaires sur “Tafo 83 no may ary miisa 318 ireo tsy manankialofana | Taorian’ny kere, mirehitra ve i Farady ? [Taolagnaro, MD]”

  1. mampalahelo mihitsy ity resaka hay trano nisesisesy teto ity an!
    mila fintandremana be mihitsy rehefa mampirehatra afo na mahandro sakafo.

  2. Raharaha tokoa fa miverimberina toy ny rivo-mahery sy ny doro-tanety izy ity … anefa angamba misy ihany ireo fanatsarana izay tsy mitaky fandaniana be azo atao😦


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :