Zava-kanto sa haitraitra ?

Rehefa nody maina tsy nahazo tapakilan’ny andiany faha-33 ny Paléo Festival Nyon aho dia nihevitra fa afaka hiala vokona amin’ny andiany faha-42 ny Montreux Jazz Festival izay nivoaka omaly ny fandaharana. Nisy siosio nandeha mantsy fa hiverina hilalao any ny namana manantalenta Gregoire Maret, hanotrona ny tarika Marcus Miller.

Hoan’ireo mpiangaly Jazz sy mozika, dia mahasintona tokoa raha tombanana amin’ny halavan’ny lisitr’iro mpanakanto kalazalahy sy kalazavavy izay handray anjara mandritra ny 16 andro : Abdullah Ibrahim [Jazz], Al Jarreau [Jazz], Alicia Keys [Soul], Buddy Guy [Blues], Herbie Hancock [Jazz], Joan Baez [Folk], Lenny Kravitz [Pop], Leonard Cohen, Paul Simon [World], Quincy Jones, Sheryl Crow [Country] sns … [notononiko araky ny abidy ]

Manaraka ny fisondrotry ny vidim-piainana anefa dia midangana koa ankehitriny ny vidin’ireo tapakila. Avo roa heny, ny mora indrindra, raha oharina amin’ny Paléo izay 63.- CHF na 40.- €, hanatrehana ankalamanjana mpanakanto miisa 20; ny any Montreux Jazz kosa, ao anaty tranobe ka 100.- CHF ho an’ny mitsangana … tafakatra hatramin’ny 730.- CHF hoan’ny alina telon’ny « Jazz First Class » : Herbie Hancock – Quincy Jones – Marcus Miller … ary aleo angaha tsy hotononiko eto ny saran’ny « All Music Pass » ahafahana manatrika ireo fampisehoana rehetra mandritra ny 16 andro 😉 Soa ihany fa misy koa anilan’izany ireo fampisehoana maimaim-poana eny ivelany « Montreux Jazz Festival Under The Sky » izay andraisan’ny namana K.O.L.O anjara [15 Jolay 2008 – 19:30].

Raha izaho manokana, na dia eo aza ny faniriana, raha ny halafon’ny fandaniana izay takiana [tapakila + saran-dàlana + sakafo] no eritreretina dia velom-panontaniana hoe, mbola Zava-kanto ihany ve sa haitraitra sisa ?

P.S: Samy sahirana amin’izay mahasahirana azy : manao an-ditra ny hanatanteraka ireo fampisehoana i Rossy ka dia asa ihany izay hiafarany [“Ny tenin’ny Filoham-pirenena no arahiko…” – taratramada.com >>]

« l’art est mort … » hosodoko nindramina tamin’i Ben >>
Bio fohifohy : Benjamin Vautier aka Ben, teraka tany Naples, Italia tamin’ny taona 1935; izay itoerana mandritra ny 5 taona. Avy eo izy dia hitety firenena Soisa, Torkia sy Egypta. Tamin’ny taona 1949 dia nanpa-kevitra ny honina any Nice, Frantsa ny reniny. Tamin’ny taona 1958 izy dia nanokatra « tranombarotra varo-madinika samihafa sy toerana fampiratiana », izay ampitondrainy ny anarana hoe « Laboratoire 32. »
« Mba ho tena kanto ny kanto, dia mila ho manafintohina na nanafintohina izy aloha » [Pour que le beau soit beau il faut qu’il choque ou ait choqué].
Mpilalao teny i Ben, ireo fehezanteny « tsotra » ataony amin’ny amin’ny sorajaza no nampalaza azy. Ny rindrin’ny trano fivarotany no nofenoiny voalohany, dia avy eo ireo rindrin’ny tananan’i Nice, fehezanteny manoina, mikasika lohahevitra isan-karazany, taty aoriana iza vao namindra ireny tamin’ny tabilao hosodoko.

[andiany faha-42 ny Montreux Jazz Festival – montreuxjazz.com >>]

5 réflexions sur “Zava-kanto sa haitraitra ?

  1. ka io tomavana rehefa tia ny zavatra iray dia tena tsy mety raha tsy vidina ny tapakila na ohatrinona na ohatrinona! raha izaho manokana ohatra any aoriana any ka mba oe milalao etsy mahamasina ny mpilalao baolina kitra breziliana mety mba hijery aho na ohatrinona na ohatrinona ny fidirana!

    tadidiko mihitsy i goldman fony tg teto dago 15.000 fmg ny fidirana nisy maty mihitsy ny mpijery satria te hijery an’i jjg! ny sasany moa dia tsy nanasa tarehy elaela mihitsy fa oe norohan’i lery hono!lol! lalina mihitsy anie izy ity e!

    miandry ny tohiny tapôlaka isika e!

  2. Sady haitraitra no ilaina ihany koa nefa
    fa ny tena mahavaky vava ahy dia ny resaka hoso-doko! halafonjavatra re izao.
    Dia nefa ny mampalahelo ireo artista tena nanao ilay asa vitsy no mahazo ny vidin’asasarany raha tsy hiresaka hafa tsy ireo aborigène sy i van gogh tsika

    soa fa nisy ny musée sy ny fampiratiana isan-karazany fa raha tsy izany angamba dia eeeeee

    @io rehefa lasa collection privée ilay izy dia isika no voa voalohany:(

  3. @ news2dago >rehefa tia ny zavatra iray dia tena tsy mety raha tsy vidina ny tapakila …

    Dia ny fitiavan’ny tsirairay tokoa angaha no azo anombanana azy. Izay tia tsy manisa … [qui aime ne compte pas].

    @ Maintikely tena marina fa manana ny lalàny manokana ny harinkaren’ny hosodoko. Heverina matetika fa ireo tranombarotra fampiratiana dia manana ny toerany manokana amin’ny fifidianana izay mpanao hosodoko hampiratiany na tsia, sy izay fanaovana tombam-bidy … dia ampahan’ny vidiny ihany no miverina any amin’ny mpamorona.

    Ka raha mpanaohosodoko vao misandratra izany dia misy azo idirana ihany. Fa rehefa malaza izy dia adin’ireo manan-katao. Tsy voatery fitiavana intsony fa fiharian-karena fakana tombony [placement], maro ireo mpividy satria manantena fa hisondra hatrany ny vidiny … dia afaka amidy any aoriana any.

  4. ‘rehefa tena tia tokoa ngamba aloha dia tena mila mahafoy e ! misy namana ‘zao any hijery « coupe du monde  » any Afrika Atsimo hono izy @ 2010, ‘zao izy d’efa manangom-bola !
    ‘Zaho koa aloa dia tena tia mozika e, ka tamin’ireny fampisehoana Madajazzcar teto an-toerana ireny dia miezaka mijery foana! fa zany hoe lé concert « gratuit » aloha no tena nojereko e ! lol

  5. Tongasoa eto istraky 😀 misaotra tamin’ny famangivangiana.

    >‘rehefa tena tia tokoa ngamba aloha dia tena mila mahafoy e !
    Mitovy hevitra amin’i news2dago ianao amin’iny lafiny iray iny …

    >‘Zaho koa aloa dia tena tia mozika e, … fa … lé concert “gratuit” aloha no tena nojereko e !
    Mitovy hevitra indray isika eto satria « voasary tsy an-tànana tsy atolo-jaza » tsinona 😉

Répondre à news2dago Annuler la réponse.