Ny Kanto, sy ny Kolontsaina ary ny Kobay

Araky ny efa nambara teo aloha dia nisokatra androany Alarobia 16 Aprily 2008 tamin’ny 12:00 ora tsy diso [Soisa ny mpikarakara fa aza adino] ny fivarotana tapakila hoamin’ny Paléo Festival Nyon 2008. Mba hialana ireo olona mifanitsakitro, sady tamin’ny taona lasa 4 ora « vao » lany ireo tapakila, dia tamin’ny 14:00 ora tolakandro aho vao nigadona tany am-pivarotana tapakila.

Akory ny hafaliako fa toa nahomby ny tetika satria tsy misy tolona intsony teo amin’ny manodidina 8) Kinanjo nambaran’ilay mpivarotra tao fa ora iray sy tapany monja [01:30 h] dia lanin’ny mpanjifa ireo tapakila miisa 170’000 izay namidy mivantana koa tamin’ny alalan’ny Aterineto😯 Ho an’izay tsy mbola mahafantatra ny Paléo dia indro misy tantara fohy sy isa vitsivtsy :

Tantara fohy sy isa vitsy: tamin’ny taona voalohany nisiany dia First Folk Festival no anarana nomena azy [1976], nivadika ho Nyon Folk Festival sy Paléo Folk Festival izany taty aoriana dia votsotra moramora ny Folk ka lasa Paléo Festival Nyon folo taona taty aoriana [1986] izay maro mpahalala amin’ny anaram-bosotra hoe Paléo. Andiany faha-33 ity taona 2008 ho avy ity, tsahivina fa tamin’ny 2007
– Lampihazo : 6
– Fampisehoana : 120
– Tapakila namidy : 225’000 [37’500 isan-kariva x andro 6]
– Mpilasy : 7’500 [camping]
– Mpiasa an-tsitrampò : 4’000 [iantohana sakafo]
– Toeram-pivarotana ao anatin’ny toby : 200
– Velaran’ny toby : 84 ha [gneza noho ny 67 ha]
Ry Lolo sy ny tariny [miaraka amin’i Erick Manana] no Malagasy nandray anjara voalohany indrindra tamin’io Festival io tamin’ny taona 80 tany ho any. Maro saingy tsy an-tanako ny lisitr’ireo mpanakanto Malagasy hafa efa tany … fantatra fa anjaran’ny tarika K.O.L.O amin’ity taona ity … saingy mbola mila mikatsaka tapakila mafy aloha …

Hatreto raha isan’ireo mpamaky gaga amin’ny lohatenin’ity lahatsoratra ity ianareo dia isan’ireo izay tsy mba nandre ny tantara mitohy mikasika ny fandraràna ny andiam-drindrakira manerana ny nosy nokasain’i Rossy hatao any Madagasikara, izay navoaky Patrick Ramiaramanana, Ministry ny Fanatanjahantena , Kolotsaina sy ny Fialamboly. Azonareo arahina ao amin’ny Malagasy Miray, sy any amin’i Mialy, sy ato amin’i news2dago ary any amin-dry Jentilisa sy Rajiosy ny fifanakalozankevitra efa natao.

Notaterin’ny gazety androany ny fiantsoana mpanao gazety omaly nataon’ny Ministra Patrick Ramiaramanana izay nanambarany izao teny manaraka izao :

« Tsy hamotika ny mpanakanto izahay fa hiaro azy. Mpanakanto manana ny maha-izy azy i Rossy ary namanay izy, satria mpiray tanindrazana »

Diso ianareo raha mihevitra fa izay fonosin’io fanambarana finamàna io dia midika fa niova hevitra ny Ministra ka nilatsaka ny hanampy amin’ny fanatontosana ireo fampisehoana efa nivarotana tapakila, satria na dia nisisika hanao aza i Rossy noho ny fikarakarana sy ireo fandaniana … ary niangavy ny filoha Ra8 mihintsy aza dia … vao mainka aza nahindrahindran’ny Ministra ny fandrarana, araky ny fanazavany hoe :

« Miaro ny mpanakanto izahay mba tsy ho viravirain’ny mpanao politika »

Inona intsony tokoa moa no ho viravirain’ny hafa satria efa vitan’ny Ministra samirery izany ? Toa tsy nihaino ny “namany nanomboka omaly” i Rossy satria nampitain’i Jentilisa ho nigadona io marain’ny Alakamisy 17 Aprily 2008 io teny Ivato ny lehilahy >> sy ireo mpanaradia azy [mpitendry zavamaneno sy mpanao gazety vahiny], ka dia samy miandry indray izay hataon’ny Patrick hanehoany izay “fitiavany” an’i Rossy isika.

Dia hoy aho anakampo hoe, raha “namana” [sady tompon’andraikitra voalohany amin’ny lafiny Kolontsaina] toy izany no iarahan-dia … tsy ilana fahavalon’ny kolontsaina intsony. Manahy aho fa mbola ho ela vao hahatanteraka hetsika goavana toy ny Paléo Festival Nyon isika, arak’izay fehezin’ny fahendren’ny Ntaolo manao hoe : [milaza azy hoe] “tsy miady tsy miady, nefa ny kobay ankelika ihany.”

[Tsy nisy nanakana ny fidiran’i Rossy eto – midi-madagasikara >>]

FANAMPIM-BAOVAO :Nivoaka androany Alarobia 30 Aprily 2008 tolakandro ny lisitr’ireo votazona ho ministra ao amin’ny governemanta Rabemananjara andiany fahatelo vaovao. Tsy isan’ireo ministra intsony i Patrick Ramiaramanana anefa tsy nisy nisolo toerana azy satria :

“Araky ny Filohampirenena, tsy mbola lohalaharana ny fanendrena Ministry ny tanora sy fanatanjahantena ary fialamboly.
« Tsy mbola izany aloha no lohalaharana. Sady heveriko fa aleo aloha alamina ity raharaha ifanolanana amin’ny FIFA ity », hoy i Marc Ravalomanana. ”

[Remaniement gouvernemental: gouvernement technique sans…sports et loisirs ! – moov.mg >>]

9 commentaires sur “Ny Kanto, sy ny Kolontsaina ary ny Kobay”

  1. […] nody maina tsy nahazo tapakilan’ny andiany faha-33 ny Paléo Festival Nyon aho dia nihevitra fa hiala vokona amin’ny andiany faha-42 ny Montreux Jazz Festival izay […]

  2. Mino aho fa tsy mandainga i Patrick Ramiaramanana. « Sincere » no tena tiako ho tenenina. satria tsy mpandidy izy fa mpanatanteraka.
    Noho izany raha nilaza ny filoha tao aorian’ny niverenany avy any ivelany farany teo hoe tsy hanakana ny fampisehoan’i Rossy, dia ho tanteraka ihany izany ny fampisehoana.
    Fa raha amiko manokana aloha tsy dia hitako loatra izay nikoropahana t@ ilay hoe Rossy ho avy e. T@ « bal kabosy » irery ihany aho no mba nahatsapa hoe hay afaka mamoron-kira ihany kay i Rossy ka tsy ron’anana matsatso daholo izay ataony

  3. Faly mandray ano eto Rondro a🙂

    Azoko ny tianao ambara, saingy na dia “Sincere” aza ny fanahiany, angamba nety kokoa raha nampitainy tamin’ny tompon’andraikitry ny Atitany izay tompon’izany fanapahan-kevitra izany. Satria « Zava-kanto » no maha ministra azy fa tsy « Atitany » [intérieur].

    Manarak’izany, heveriko fa mba manao mizàna tsindrian’ila ihany ny fihevitrao, satria na ireo tapakilan’ny fiaramanidina izay novidiana aza dia nety ho very an-javony raha tsy nampiasaina. Raha tena te hanampy ny Ministera dia tokony ho nisy tolo-bola ho fanonerana izay efa lany rehetra ho « mesures d’accompagnements. »

    >hay afaka mamoron-kira ihany kay i Rossy ka tsy ron’anana matsatso daholo izay ataony

    Raha ohatra aza ianao no noraràna tsy hahazò hihira dia mitovy ihany izay fihevitro, nitolona ho anao koa aho [mihira ve aloha i Rondro e ?].

    Izaho aloha dia tsy maharaka loatra izay hiran’ny Rossy e … tsy nividy na dia raki-kira iray akory aza😉 saingy tsy ny talentany no « en jeux » etoana fa ny fahalalaham-pihirana [liberté d’expression].

  4. Faly mandray anjara ato @ Tomavana.
    Misy « decalage » (inona ilay voam-boalana tena izy ????) kely izany adihevitr’isika sy ianao. Ny ahy, ny talentan’i Rossy mihitsy no kianiko fa tsy inona akory.
    Raha mikasika ilay fahalalahana kosa dia hoy aho aminao hoe azoko ihany ny fikoropahan’ny mpitondra. Satria tena nikoropaka ry zareo ary tsy misy teny hafa afaka milaza ny fihetsiny hafa tsy io teny io.
    Raha jerena ny tontolo manodidina (contexte ?) mantsy dia nidina teny @ 13 mai i eri Lecacheur izay mpiandany taloha, ny mpanohitra ihany koa toa nisy hetsika nataony raha tsy diso aho. T@ ireny fotoana ireny ihany koa ny haino aman-jery no nitatitra korontana eran-tany satria noana ny vahoaka, … Raha ianao no eo @ toerana ka mankafy izany atao hoe « fahefana », inona no ataonao ? I Rossy raha teo fantatra fa tsy dia mankasitraka loatra ny filoha …
    Midika ve izany hoy ianao hoe Cuba na i Chine isika ? Oadray ! la France de Sarkozy mihitsy aza, izay tsy mandrara na inona na inona fa ny kobay, … araky ny lazainao.

  5. Misaotra Rondro tamin’ny fanampim-panazavanao … Izaho angamba aloha tsy dia rototra amin’ity atao hoe « fahefana » ity e, ka tena ilay « fikoropahana » mihintsy no tsikeraiko araky ny fiteny hoe « fitsinjovana ny fitondrana » [gouverner c’est prévoir] … Izay sakafo sy fandriampahalemana « sécurité » no tokony ezahin’ny mpitondra katsahina hoan’ny vahoaka fa tsy ny fanakanana ny fampisehoan’ny mpanakanto … na dia atao aza hoe izay « iva talenta. »

    Nisy nifandipatra kely ihany tokoa satria ny ahy sitrako raha navela ho ny mpijery no manao ny sivana ara-talenta. Rehefa tsy mahafeno kianja toy ny notsahivinao intsony ve izy tsy hahalala hijanona sy hiova filamatra😉 firifiry ireo mpihira tsy rere intsony tato ho ato ?

  6. FANAMPIM-BAOVAO : tsy ao anatin’ny lisitry ny ministry ao amin’ny governemanta Rabemananjara andiany fahatelo vaovao intsony i Patrick Ramiaramanana.

  7. Tomavana ! Patrick Ramiaramanana a été vire du nouveau gouvernement. Justice a été faite!🙂

  8. A vrai dire il n’est que « provisoirement » suspendu … aucun remplacement n’est annoncé à la tête du ministère des Sports qui reste vacant dans l’attente … ou comment « jeter le bébé [culture et sport] avec l’eau du bain [ministre] »

  9. […] fa taorian’ny fanakantsakanana nataon’ingahy Patrick Ramiaramanana, ministry ny Kolontsaina (amperinasa tamin’izany fotoana izany) dia nisy ny “fampihatonana” io ministra io […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :