K.O.L.O | Malagasy any amin’i PALEO FESTIVAL [Nyon, CH]

Efa re ihany ny siosion-dresaka nandeha saingy tsy nahazo alàlana ny hamoaka izany talohan’ny tompony. Fa androany, tamin’ny fivoahan’ny fandaharana tamin’ny fomba ofisialy vao voamarina ilay resaka fa isan’ireo sangany vitsy nasaina handray anjara amin’ny Paléo Festival Nyon 2008 ny tarika K.O.L.O izay tarihin’ny namana mpihira Malagasy Eric Kolo, ny Asabotsy 26 Jolay 2008 amin’ny 20:00 ora alina.

Tsy afaka anaovana andraso-andraso fa Voafetra ho 35’000 isan-kariva ny isan’ny tapakila amidy hoan’ny Paléo Festival, raha ny tamin’ny taon-dasa dia 4 ora monja dia tapitra ny 80%-n’ireo tapakila, ka dieny fisokafan’ny fivarotana tapakila ny Alarobia 16 Avrily 2008 amin’ny 12:00 ora tsy diso izany dia hisy ireo filaharam-be isaky ny toerana fivarotana tapakila mahazatra aty Soisa, afaka manandrana koa mividy mivantana ao amin’ny vohikala www.paleo.ch >> … ilana faharetana sy vintana.

« ¿ Porqué ? » [Nahoana ?] feon’i Eric Kolo mandravaka ny sarimihetsika « Quiero vivir » nototonsain’i Muriel Brener ary nivoaka ny taona 2006 [bande original du film documentaire].

Mandra-piandry ny volana Jolay anefa dia tsy mitsahatra ireo fampisehoana [vangio ny myspace] toy ireo « shows case acoustique » ataon’ny tarika K.O.L.O mba hampahalalana ny raki-kira CD vaovao « Songs for a sleepwalker » [distribution Disques Office / Believe.fr | vao nivoaka tamin’ny volana lasa] aty Soisa :

– Alakamisy 10 Aprily 2008 amin’ny 18:30 ora hariva, ao amin’ny « Fnac Balexert » [avenue Louis-Casaï 27, Genève]

– Asabotsy 26 Aprily 2008 amin’ny 15:00 ora tolakandro, ao amin’ny « Fnac Forum Rive-Genève » [rue de Rive 16, Genève | rihana voalohany ao amin’ny cafétariat]

[hira hafan’ny tarika K.O.L.O – kolo-music.net >>]

[K.O.L.O amin’ny myspace – myspace.com/kolomusic >>]

[K.O.L.O any amin’ny Malagasy Miray >>]

[fandaharana Paléo Festival Nyon 2008 – 2008.paleo.ch >>]

[Ireo ivelan’i Soisa te hividy raki-kira – cdbaby.com/cd/kolomusic >>]

2 commentaires sur “K.O.L.O | Malagasy any amin’i PALEO FESTIVAL [Nyon, CH]”

  1. […] tsy an-tanako ny lisitr’ireo mpanakanto hafa … dia amin’ity taona ity izany K.O.L.O … saingy mbola mila mikatsaka tapakila mafy aloha […]

  2. […] eny ivelany “Montreux Jazz Festival Under The Sky” izay andraisan’ny namana K.O.L.O anjara [15 Jolay 2008 – […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :