Toeram-pivoahana sy fidiovana manara-penitra, inona no ilana izany ?

« Aman-tapitrisany ireo vehivavy tra-katerena imasom-bahoaka »

Ireo rivomahery izay nifanesy vao tsy ela tany Madagasikra dia nampiharihary ny fahosan’ireo fiaraha-monina any an-tanindrazana eo amin’ny lafiny fitantanana ny rano madio fisotro. Efa nambara teto ihany ireo vonjy maika notakiana mba hiarovana ireo zaza latsaky ny 5 taona miisa 50’000, amin’ny lozan’aretina samihafa ateraky ny fisotroana rano voaloto.

Taona iraisam-pirenena ho fanentanana amin’ny fampiasana toeram-pivoahana sy fidiovana manara-penitra [madio, miaro amin’ny fitanjahana, misaraka tanteraka amin’ny korian-drano fisotro] ity taona 2008 ity. Amin’izao 20 Martsa 2008 izay ankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny rano izao [World Water Day | Journée Mondiale de l’eau] dia tsara ihany ny mampahatsiahy ireo tombontsoa andrandraina [na tanjona kendrena] ho azo avy amin’ny fanadiovana [wwd08 | sanitation | assainissement] vokatry ny fanatsarana ireo toeram-pivoahana sy fidiovana :

  • Fampihenana na taham-pariahan’aretina anivon’ny fiaraha-monina.
  • Fampihenana na taham-pahafatesana vokatry ny aretina fivalanana.
  • Fanatsarana ny tolotra sakafo hoan’ireo zaza.
  • Tontolo madio sy mahasalama kokoa.
  • Sakafo “madio” kokoa ary fanampian-tosika amin’ny fanatsarana ny tolotra rano madio fisotro.
  • Fahombiazana bebe kokoa any an-tsekoly izayvokatry ny fitadidiana mahomby kokoa eo amin’ny zaza.
  • Fanajana bebe kokoa ny fadin’ny fitanjahana indrindra hoan’ireo vehivavy sy ankizivavy.
  • Fampivoarana ny fahatsapana izay lanjan’ny toeram-pivoahana sy fidiovana ary fitakiana ny fametrahana fotodrafitrasa maro sady maharitra.

tomavana | WWD 2008
WWD 2007

[Fototra UNESCO >>]

[Andro IP hoan’ny rano 2008 – unwater.org >>]

[Andro IP hoan’ny rano 2008 – Peta-drindrina hafa >>]

[Vaovaon’ny rano any Madagasikara – sahra.arizona.edu >>]

[Fiarovana ny aina ny fiarovana ny rano >>]

[lire aussi: Pas d’eau potable qui ne soit accompagnée d’assainissement >>]

[Andro Iraisam-pirenena hoan’ny rano 2007 >>]


« Mamono ny rano voaloto »

14 commentaires sur “Toeram-pivoahana sy fidiovana manara-penitra, inona no ilana izany ?”

  1. […] [Toeram-pivoahana sy fidiovana manara-penitra, inona no ilana izany ? >>] […]

  2. Nohon’ny asarobidin’ny rano sy ny filàna azy ho antokin’ny fahavelomana, amiko tsy tokony ho vidiana mihitsy ny rano fa tokony ho maimaim-poana na any @ tany andalam-pandrosoana na aty amin’ny tany mandroso…satria toy ny rivotra hiainana tsinona ny rano!
    Fa raha mbola misy mahita irika koa angamba hivarotra ny oxygène dia tsy maintsy efa nisy nanan_kevitra hivaortra azy!

  3. miasaotra an’i Tomavana nampatsiahy io andro iraisam-pirenena io!

    Ny ahy fotsiny ny tiako hamafisina kely indrindra @ fanajana ny hafa kanefa tena mbola ezaka be mihitsy no ilaina atao @ fanentanana ny olona @ fahadiovana satria mantsy an! ny olona tena mbola vitsy no manaja azy io e! ohatra fotsiny omeko an! dia ity rehefa mahita dalle enao eto an-drenivohitra dia anarin’ny olona fako foana mahagaga ahy mihitsy io fomba io! avy eo ilay izy rehefa tg ny orana dia tsetsina! tsy vitany ny fako fotsiny anefa fa manary maloto ao koa ny sasany dia hitanao @ izay ary fa na ny fofona na ny lalitra rehefa maina ny tany dia tsy azo iainana ka mila miezaka isika e! asa mety misy manampahefana angamba mety mba hamaky an’izao hevitra atosantsika eto izao ka mba handray ny andraikitra ry zareo @ io resaka io!

    mahereza e!

  4. @ ikalakely sady tena efa lasa lavitra no tena marina tanteraka izany fihevitrao izany. Ny aty Soisa ohatra, nanomboka tamin’ny taona lasa vao nanomboka ny hetsika hanentanana ireo tanana tsirairay handray andraikitra amin’ny rano fa tsy hamela izany an-tanan’orinasa mitady tombony fotsiny satria « fananam-bahoaka ny rano » [L’eau, bien public >>] fa tsy entam-barotra ary tsy tokony atakalo vola [amidy] na ny fahasalamam-bahoaka na ny ainy.

  5. @ news2dago marina tokoa fa tsy ampy ny fampitaovana toy izay toerana anariana fako ohatra na ireo fiara vaventy izay tokony handalo hanangona azy ireny. Marina tokoa anefa ireo zavatra taterinao etoana ireo satria indraindray misy tsy firaharahana mihintsy. Toy ny fanaovana maloto eo am-baravan’ny toeram-pidiovana ohatra😦

    Ka eo ankilan’ireo ezaka fampitaovana dia ilaina mihintsy koa ny fanentanana sy fanabeazana fototra ara-pahasalamana … indrindra hoan’ny ankizy.

  6. Ka momba io mihitsy no tiako mba hetsehintsika mba hanentana ny sekoly ohatra hampianatra ny ankizy! hahay midio sy hanaja ny fahadiovana!

    Ny fanambeazana sy ny sekoly no tena tokony hampianatra an’io e!

    Izaho alo manam-panantenana fa tsy maintsy hiova ihany ny fisainana ao aorina kely ao e!

  7. Misy rivon-doza mananontanona indray e! LOLA ary tombanana hiditra any @ SAVA ao anatin’ny 48h!

    ampitampitao indray ity tomavana a!

  8. Toa mbola mijijijijy eny an-dranomasina i Lôla … sady izay indray, tsy maniry ratsy hoan’ireo mifanolo-bodi-rindrina fa araky ny fitilian’ireo mpanaramason’ny toetr’andro dia toa ireo nosin’i La Réunion sy Maurice no tena tanjony.

    Misaotra an’i news2dago dia antenaiko fa samy nanao fankalazana fetin’ny Paska finaritra daholo😀

  9. ie afa doza isika e!
    nihodina nianatsimo ilay rivodoza!

    misaotra fa tena nahafinaritra ny fety ny paska

  10. tratry ny paska e!

  11. Samy tratry ny Paska daholo isika mianakavy


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :