08|03|05 – Rivomahery Jokwe [Antsiranana]

Lahatsary ara-radar nadika tamin’ny cimss.ssec.wisc.edu >>

Araky ny fampandrenesana vonjy taitra izay nampitain’ny namana AvyAlavitra sy i news2dago, sady iaraha-mahita eto amin’ny topi-maso eto >> dia misy rivomahery izay mitondra ny anarana hoe Jokwe izay manambana ny faritra Avaratry ny nosy, ary heverina ny hikasi-tany tandrify ny tanànan’Antsiranana, faritra Diana androany alina Alarobia 5 hifoha Alakamisy 6 Martsa 2008.

Sahabo ho 100 km/ora [54 kts] ankehitriny 00:00 ora [GMT+1] ny hafangainan’ny rivotra [96 km/ora na 52 kts tamin’ny 20:00 ora ary 74 km/ora na 40 kts tamin’ny 16:00 ora (GMT+1 avokoa)] araky ny kajikajin’ny CIMSS any amin’ny Anjerimanontolon’ny Wisconsin-Madison [Cooperative Institute for Meteorological Satellite Studies] ary mikisaka miadana miankandrefana izy ity [22 km/ora]. Ampahitsahivina amintsika anefa fa na dia tsy mafy loatra aza ny rivotra ny habetsahan’ny orana koa dia fototra voina hafa.

Mbola tsy feno akory ireo tatitra fanisàna ireo takaitra navelan’ny rivomahery Ivan dia efa tonga sahady ity i Jokwe. Tsahivina fa amin’ny faran’ny volana Aprily vao heverina ho mitsahatra ny fotoan’ny rivomahery any Madagasikara, mandritra izany roa voalana ho avy izany dia mety mbola hisy rivomahery hafa koa.

[Cyclone “JOKWE” indray ? – gazetyavylavitra.wordpress.com >>]

FANAMPIM-BAOVAO : tsy niditra an-tanety maharitra i Jokwe, fa nanapaka tandrify an’Antsiranana dia nanohy nianatsimo andrefana namonjy an’i Nosy Be. Eo anelanelan’i Mahajanga sy ny Nosy Mayotte no andalovany ankehitriny [15:00 ora GMT+1]. 120 km/ora [65 kts] no hamafin’ny rivotra, na dia izany aza dia maro ireo zavatra simba any Nosy Be araky ny hafatra napetraky Jaona, tamin’ny 13:19 any an-toerana [11:19 GMT+1] izay isaorana amin’ny fijoroany vavolombelona avy any Nosy Be :

« izaho izao io dia aty nosy be, betsaka ny zavatra simba aty, be koa ny tra-boina, mbola tsy fantatray aty na efa lasa na mbola hiverina ilay jokwe amin’izo ora ametrahanay hafatra izao. »

Vakiò ny hafatra feno napetrak’i Jaona io ambany io. Marihina fa araky ny vinavinan’ny mpizaha toetr’andro dia tsy heverina ny hikasika an’i Madagasikara intsony ny ivon’i Jokwe fa hanaraka ny lakan-dranomasina mizotra ho any Mozambika any amin’ny sisiny atsimo Atsinanan’i Afrika kosa.

Anefa ny rambon-drovitra ary indrindra ny tondra-drano dia mbola manambana ireto faritra manaraka ireto izay mbola be rano nohon’ny fandalovan’ny rivomahery Fame vao tsy ela teo : Mahajanga I sy II, Marovoay, Ambato-Boeny, Mitsinjo ary Soalala [Boeny].

[Araho mivantana ao amin’ny saritanin’i Madagasikara ireo fivoatr’ireo vaovao voaray farany – maps.google.com >>]

7 commentaires sur “08|03|05 – Rivomahery Jokwe [Antsiranana]”

  1. miarahaba tsy maty fo aman’aina hoa n’ny mponina nosy be, izaho izao io dia aty nosy be, betsaka ny zavatra simba aty, be koa ny tra-boina, mbola tsy fantatray aty na efa lasa na mbola hiverina ilay jokwe amin’izo ora ametrahanay hafatra izao,13:19 heure locale,
    marihina fa tsy ampy ny fampilazana loza manambana, fa betsaka ireo ankizy nandeha nianatra kanefa teo @ ora andehanana indrindra no tonga ilay rivotra be, sy orana , teo vao nisavoritaka, koa miandry information bebe kokoa ho an’izay manana
    misaotra

  2. Miarahaba anao manokana tsy maty fo aman’aina ry Jaona no sady misaotra amin’ny fanolorana vaovao avy any an-toerana.

    Mampalahelo izany vaovao fahasimbàna sy tra-boina tanterinao eto izany, ary mampalahelo tokoa izany toe-draharaha mikasika ny tsy fahampian’ny fampilazana izany. Rano raraka izany ka tsy azo raofina intsony fa dia maniry manantena aho fa tsy hisy ny aina nafoy.

  3. tena mampalahelo mihitsiny izany ry Jaona, ary manampin’ny saorana izahay sady mandefa ny « Courage rehetra » hoany Nosy-Be sy ny mponina any.
    Pensées à votre famille
    Tomavana>mitohy zany ny couverture (soupir be ato)

  4. >marihina fa tsy ampy ny fampilazana loza manambana […] koa miandry information bebe kokoa ho an’izay manana [hoy i Jaona etsy ambony]

    Tsy mahazo kivy angamba isika ry Joan « courazy » koa isika e !

  5. […] Toy izany no havoaky ny gazety rahampitso na dia mbola tsy naharaisana tatitra aza ny Biraom-pirenena momba ny fitantanana ny loza voajanahary [BNGRC]. Izay toa manamarina izay tatitra napetraky Jaona teto omaly tolakandro : « Izaho izao io dia aty nosy be, betsaka ny zavatra simba aty, be koa ny tra-boina […] betsaka ireo ankizy nandeha nianatra kanefa teo @ ora andehanana indrindra no tonga ilay rivotra be, sy orana , teo vao nisavoritaka … » Jaona >> […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :