08|03|02 – Hetsiky ny Malagasy aty Soisa, ho fanohanana ireo tra-boinan’ny rivomahery tany Madagasikara [Genève]

Mitaky ny fiaraha-mientan’ny tsirairay, satria tsy mitsahatra mitombo ny isan’ireo maty, ireo nanjavona, ireo maratra, ireo tsy manan-kialofana ary tra-boina vokatry ny fandalovan’ireo rivomahery roa nifanesy, Fame sy Ivan tany Madagasikara.

Ny Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina [FKMSM] dia hanatanteraka fampiratiana sary, lahatsoratra sy tatitra an-gazety, lahatsary sy lahapeo hampahalalana ireo tapaka sy namana izay vaovao farany voaray mikasika ny takaitra vokatr’ireo rivomahery ireo, ny Alahady 2 Martsa 2008, manomboka amin’ny 14:30 ora ao amin’ny fiangonana Servette [Av. Wendt 55, Genève]. Harahina fotoam- pivavahana Ekomenika izany fotoana izany, dieny amin’ny 15:00 ora.

Ireo izay tsy afaka hiombona amin’izany fotoana izany anefa te handray andraikitra amin’izany fiaraha-mientana izany, dia afaka mandrotsaka izay fandraisany anjara ao amin’ny CCP 10-27500-5 “Mention : cyclones Fame et Ivan.”

[Cyclone – informations et culte œcumenique – fkmsm.ch >>]

3 commentaires sur “08|03|02 – Hetsiky ny Malagasy aty Soisa, ho fanohanana ireo tra-boinan’ny rivomahery tany Madagasikara [Genève]”

  1. FANAMPIM-BAOVAO : sarotra ireo vaovao voaray omaly « niampy 25 tao anatin’ny andro iray monja ny isan’ireo maty [mitontaly 96], ireo nanjavona kosa dia nidangana ho avo 9 heny [9x] : 177 omaly raha mbola 17 [monja] tamin’ny Alarobia 27.02 » | lexpressmada.com – 29.02.08 >>

  2. […] et à laquelle les membres des FOKO Blog Club ont intensivement participé. Là aussi votre soutien est requis et nous souhaitons même de la part de la Blogosphère remercier tous ceux qui ont […]

  3. ny tenako moa aty lavitra be aty fa na izany aza miombom-po tanteraka aminareo @fanampiana ireo mpiray tanindrazana amintsika izay traboina sy nahazo takaitra t@iny rivodoza iny.


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :