Rivomahery Ivan : Manangasanga sahady ny kere

« Tsy manan-kialofana mitoby eo akaikin’ny EPP Anosizato Andrefana », sary nindramina tamin’i Avyalavitra >> | gazetyavylavitra.wordpress.com >>

[version française – Cyclone Ivan : le risque de famine pris au serieux >>]

Toy ny tamin’ny taona lasa, ny kere taorian’ny fandalovan’ny rivomahery Indlala, dia efa manangasanga sahady izany kere izany any amin’ireo faritra Atsinanan’i Madagasikara, izay efa tena voadòna mafy tamin’ny fandalovan’ny rivomahery Ivan vao tsy ela teo. Midadasika tokoa ireo velarana simba, na tanimbary izany na saha am-bohitra, ny tahirin-tsakafo rava sy lo, ireo masomboly potika tsy misy ho raisina, ireo biby fiomby indray maro maty :

« tena midangana tokoa ny loza ihavian’ny kere amin’ireo enim-bolana ho avy manaraka ireo […] Ireo toerana tena ahiana sady efa nahitana sahady vahaolana dia Nosy Boraha [Sainte-Marie], Vavatenina, Soanierana Ivongo sy Fenoarivo Atsinanana.
Ka ireo vahaolana kasaina dia ny fizarana masomboly antanimbary (fara-fahatarany amin’ny faran’ny volana Febroary mba ahatrarana ny fotoam-bary, dia avy eo indray amin’ny volana Jona, amin’ny fanombohan’ny vary tonon-taona), sy masomboly vary an-tanety (volana Septambra), sy masomboly voly samihafa an-tanety (alohan’ny volana May), ary fizarana sakafo (maharitra enim-bolana manomboka amin’ny volana Martsa). »

[Risque d’insécurité alimentaire élevé pour la partie Est – midi-madagasikara.mg – 26.02.08 >>]

Efa nambara teto fa ny tsy fahampian’ny fahadiovana sy ny fisotroana rano voaloto avy nisasàna sy nidìovana no olana goavana voalohany indrindra nohon’ny firongatr’ireo areti-mifindra. Nirongatra ho 47′000 ankehitriny ny isan’ireo ankizy latsaky ny 5 taona izay tandindomin’ny loza [avo 3x heny mahery, raha 15’000 teo aloha]. Na dia mbola tsy feno aza dia tsy mitsaha-mitombo ireo isa ampitain’ny BNGRC >> mikasika ireo takaitra :

« olona maty : 73, olona nanjavona : 17, tsy manan-kialofana : 148’453, tra-boina : 239’238, tanimbary tondra-drano 41’644 ha, tany vohitra simban’ny rano 134’366 ha, omby maty : 1’346.
Taha 20% amin’ireo tsy ireo manan-kialofana sy tra-boina, izany hoe 90’000 ka ny 47’000 dia ankizy [latsaky ny 5 taona] no tandidomin-dozan’ny firongatr’ireo aretina vokatry ny fampiasana rano voaloto [fisotro, fisasa, fahandro] toy ny fivalanana, ny tazo, aretina fahasemporana samihafa izay samy takaitran’ny tsy fahampian’ny fahadiovana sy tsy fisian’ny rano madio fisotro avokoa. »

[Les épidémies menacent plus de 90.000 personnes – “à la une” – les-nouvelles.com – 27.02.08 >>]

Mbola mitohy anefa ny fikarohana sy ny famantarana izay simba. Ary satria maro ireo faritra izay ho sarotra zohina, dia azo ambara tsy am-pihambahambana fa mila miomana hiatrika fahasarotana “henjana” sady “maharitra” ny Malagasy.

« Manoloana izany toe-draharaha izany, alohan’ny faran’ny herinandro dia tsy maintsy mandefa “antso vonjy taitra” na “flash appeal” amin’ireo firenena eran’izao tontolo izao ny Système des Nations Unies [SNU]. “Ny tanjonay dia ny hanamafisana izay antso vonjy efa nataon’ny fanjakana Malagasy tamin’ny Zoma lasa teo.” Bruno Maes, solontena maharitry ny Tahiry iraisam-pirenena hoan’ny zaza [UNICEF] any Madagasikara. »

[Appel à la solidarité internationale du Système des Nations Unies – midi-madagasikara.mg – 27.02.08 >>]

FANAMPIM-BAOVAO : manomboka mizara sakafo ny Tahirin-tsakafo Iraisam-pirenena na PAM [Programme Alimentaire Mondiale] :

« Efa nanomboka nizara sakafo sahaza telo andro, ahitana mofo mahavoky mifono otrikaina, amin’ireo tsy manan-kialofana miisa 2’000 mitoby ankehitriny amin’ny trano lay any Antananarivo ny Tahirin-tsakafo Iraisam-pirenena na PAM […] ankoatr’ireo 500 kg efa nozaraina tany amin’ny Nosy Boraha […] Vinavinain’ny PAM hahatratra 2’000 taonina ireo fanampiana ara-tsakafo ilaina hoan’ireo tra-boina mahatratra 140’000, mety mbola hiova anefa ireo isa ireo arakarak’izay valin’ny tohin’ny fanadihadiana izay mbola mitohy ankehitriny. »

[Le PAM a lancé une opération de distribution alimentaire d’urgence à Madagascar – wfp.org – 27.02.08 >>]

Arak’ireo fitarainana voaray, dia sarotra ny fianarana ny “sakafo takalon’asa” izay pôlitika ampiharin’ny Tahirin-tsakafo Iraisam-pirenena, na PAM any an-toerana :

« Tsy tsara tantana ny fizarana ireo “fanomezana” any amin’ny Nosy Boraha. Satria tsy zaraina maimaim-poana amin’ireo tra-boina, arak’izay tokony ho izy izany. Mila miasa mandritra ny ora valo na HIMO [Haute Intensité de Main d’œuvre] ny tsirairay vao mahazo ny takalon-tsakafo, 2’500 Ariary sy vary 4 kapoaka […] Nisy anefa nampanantena fa homena maimaim-poana ireo “fanomezana” ireo […] Misy antso nalefa izany any amin’ireo tompon’andraikitra mba hanovana io fomba fanao io. »

[Dons contre travail ? – madagascar-tribune.com – 28.02.08 >>]

[Araho mivantana ao amin’ny saritanin’i Madagasikara ireo fivoatr’ireo vaovao voaray farany – maps.google.com >>]

11 commentaires sur “Rivomahery Ivan : Manangasanga sahady ny kere”

  1. […] [Lahatsoratra Malagasy – Rivomahery Ivan : Manangasanga sahady ny kere >>] […]

  2. de ahn indray izany resaka kere zany e!
    ny vaovao hitako an-gazety sy nanohina ny foko aloha dia ireto mpampianatra manasazy ankizy ireto e! tena votsitra daholo ny lohakin’ny ankizy kely! tena tsy mety kosa alo ilay izy e!
    somary nivoana kely aho fa tiako mba adikan’i tomavana @ teny anglisy ao @ globalvoice io raha mety! satria toa misy lalàna izy ireny raha tsy diso a!
    mbola miala tsiny fa mivoana kely ny resako! satria vaovao vao mafana izy ity

  3. MEDIA CITOYEN !!
    ary nareo speed be!! mila MÀJ mafy dia mafy fa reo « invités surprise » reo mila pointena.
    Ataotsika pression dray ny Major….ok ok ok je m’y remets (je vous assure je mens pas quand je dis ça fa tena tototra be ato!)
    bizz news2daog& TO

  4. @ news2dago tsy misy tsiny fa ny “ny voin-kavana mahatratra” … tena mampalahelo tokoa izany toe-draharaha izany … ny mpiambina figadrana aza izy mety tsy ho afaka manao izany dia vao mainka ve fa mpanabe😦

    @ Joan aiza indray dia hoe “speed” ity e😉 izay mba kely tratra ihany no vita hatramin’izao … fa dia samia mazoto isika fa tena mila izany ireo mpiray tanindrazantsika tsy mba afaka mandray fitenenàna.

  5. Vaovao farany mila ovaina mihitsy ny toe-tsaina e! aiza ve ko ny any Andilamena hono dia amidin’ny lehibe ny TIM ny fanampiana nefa fanomezana avy any @ filoha!!!
    aiza ilay voin-kavana mahatratra raha vola no mande alohan’ny fitiavana

  6. Tsy izany ve no tena hoe “manararao-paty e”😦 tena mampalahelo tokoa raha izany no mitombona. Misy koa anefa fitarainana sasany toy ny avy amin’ny Nosy Boraha nateraky ny “sakafo takalon’asa” izay vokatry ny fomba fihevitra samihafa.

    FANAMPIM-BAOVAO : Miditra an-tsehatra amin’ny fizaran-tsakafo ny Tahirin-tsakafo Iraisam-pirenena na PAM.

  7. tena sarotra ny mitondra olona e!
    ary tsy mora ny mizara ireo fanampiana ireo!
    ary hn oa e! mba misy vaovao henonareo ve momba ny fanarenana ny simba e! toy ny rava trano lalana simba sy ny sisa toa resaka sakafo sy fizarana bodofotsy ary kidoro no betsaka marihana anefa fa ny tena maharitra dia ny fanarenana ny simba sa ve mande miandalana?

  8. Ianareo any am-potony no inoako mahalala bebe kokoa , marina ny fanamarihanao fa mbola “avotra aina” aloha no tena maika. Ireo zavatra simba kosa angamba dia mbola “vonjimaika” ihany aloha mandra-paha … ny olana any amintska dia zavatra napetraka ho vonjimaika … lasa tavela maharitra eo😦

  9. allo,

    Zà ato tena torana @ lé tsy fisiana (absnece?) connexion internet….
    hita tsara fa misy phase de prévention ireny cyclone reny fa tsy tonga dé lé manenjika urgence be reny.

    On tient bon la barre

  10. Ahoana izany tapaka connexion / tapa-peo izany e ? Aty Eorôpa no nisy rivomahery nanadalo fa tsy dia nanimba zavatra be loatra.


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :