Rivomahery Ivan : zaza Malagasy tra-boina miisa 15’000 no mila vonjy maika

[version française – Cyclone Ivan : 15’000 enfants de Madagascar ont besoin d’une aide d’urgence >>]

Heverina fa miisa 90’000 30’000 ireo olona mila vonjy maika, ka ny antsasany [50%] 47’000 dia zaza avokoa, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Ivan tany Madagasikara, araky ny vinavina farany navoaky ny “Tahiry iraisam-pirenena hoan’ny zaza” na ny UNICEF [United Nations Children’s Fund]. Izay maminavina ho 300’000 ny tontalin’ireo tra-boina manerana ny nosy.

Isan’ny fototry ny fanahian’ny UNICEF ny mety ho firongatr’ireo aretina mihanaka ateraky ny fisotroana rano “voaloto” noho ny orana tsy mitsahatra milatsaka. Noho ireo lava-drano tondraka ranom-potaka sy ireo renirano misarika fatimpatin-javatra isan-karazana ary ny fifangaroana mamoa-pady nohon’ny tsy fahampian’ireo toeram-pidiovana manara-penitra.

Efa any an-toerana manolotra fanampiana ireo tra-boina sy miezaka mamantantra izay ilain’ny mponina ireo solontenan’ny UNICEF, na dia fantatra sahady aza fa ho sarotra ny hanatanterahana izany nohon’ny mbola fahatapahan’ireo lalana maro.

Sary etsy ambony : “zaza 1.5 tapitrisa [million] isan-taona no maty eran-tany vokatry ny fisotroana rano voaloto” UNICEF.

[Araho mivantana ao amin’ny saritanin’i Madagasikara ireo fivoatr’ireo vaovao voaray farany – maps.google.com >>]

[Vakio koa : “IVAN ts’Ivan” – rmstephy.wordpress.com >>]

[Madagascar : Plus de 300’000 personnes touchées par le cyclone Ivan – radio.un.org >>]

[Lahatsary UNICEF TV : Rivomahery hafa nampitombo ny takaitra – unicef.org >>]

FANAMPIM-BAOVAO : mbola ny antsasaky ny an’ny UNICEF ny vinavinan’ny fanjakana ho isan’ireo olona tra-boina anefa ampitomboina isan’andro :

« Olona 44 raha kely indrindra no namoy ny ainy tamin’ny nandalovan’ny rivomahery Ivan izay nikapoka ny nosy Madagasikara nanomboka tamin’ny Alahady 17 Febroary ka hatramin’ny Alarobia 19 Febroary 2008, 145.000 kosa no isan’ireo tra-boina, araka ny fanambarana vaovao faran’ny fanjakana Malagasy.
Ny tatitra talohan’io dia nilaza fa 29 ny maty ary 70’000 kosa ireo tra-boina. Ary “mety mbola hiakatra ireo antontan’isa ireo any aoriana” araky ny fanambaran’ny BNGRC >>. »

[Cyclone à Madagascar : 44 morts, 145.000 sans-abri – lesoir.be – 24.02.08 >>]

FANAMPIM-BAOVAO 2 : na dia ny toby misy ireo tra-boina izay ao an-drenivohitra aza dia efa ahitana io olan’ny rano madio io :

« Lavitra ny toby misy ireo tra-boina ny paompy fatsakana ka dia mampiasa ny ranon’Ikopa ry zareo hoan’izay ilany rano amin’ny fiainana andavan’andro […] Mizohy ny lalankely mikarao-bato mitondra eny ampototry ny “digue” akaikin’ny tetezan’ny “galerie Smart” ry zareo rehefa hanasa lamba. Mbola izany làlana izany ihany no arahiny rehefa matsaka handrahoam-bary, na koa rehefa hisasa sy handro.
“Vizaka izahay matsaka ery amin’ny paompy izay lavitra anay. Izany no ampiasanay ny ranon’Ikopa hoan’izay ilainay amin’ny fiainana andavan’andro” »

[Les sinistrés utilisent l’eau de l’Ikopa – lexpressmada.com – 25.02.08 >>]

FANAMPIM-BAOVAO 3 : nahatratra 47’000 ny isan’ireo ankizy latsaky ny 5 taona tandindomin-doza fatratra araky ny isa nampitain’ny BNGRC >> farany [26.02.2008] :

« olona maty : 73, olona nanjavona : 17, tsy manan-kialofana :148’453, tra-boina : 239’238, tanimbary tondra-drano : 41’644 ha, tanivohitra simban’ny rano 134’366 ha, omby maty : 1’346. Amin’ireo tsy manan-kialofana ireo dia mihoatry ny 90’000 [taha 20%] ny isan’ireo izay tandindomin’ny loza nohon’ny firongatr’ireo aretina mihanaka ateraky ny fisotroana rano “voaloto” ka ny 47’000 dia zaza avokoa [latsaky ny 5 taona] »

[Les épidémies menacent plus de 90.000 personnes – “à la une” – les-nouvelles.com – 27.02.08 >>]

7 commentaires sur “Rivomahery Ivan : zaza Malagasy tra-boina miisa 15’000 no mila vonjy maika”

  1. […] française – Rivomahery Ivan : zaza Malagasy tra-boina miisa 15′000 no mila vonjy maika >>] Le cyclone Ivan qui a soufflé sur l’île de Madagascar dimanche, a fait au moins 29 morts et […]

  2. FANAMPIM-BAOVAO : 44 maty ary 145’000 tra-boina no isa farany naroson’ny BNGRC … izay tsy mbola isa feno.

  3. Miarahaba,

    Mba hahazoanay aty tany lavitra vaovao dia
    napetrako eo amin’i tranokalo ny lahatsoratrao Ivan miaraka @ loharano nakana azy-
    Raha misy zavatra tianao anampiana na analana dia manorata aty amiko
    Misaotra betsaka
    Madainternational

  4. Faly mamaky anao etoana ry madainternational😀

    Tsy misy anampiana na analana fa misaotra amin’ny fiaraha-miasa ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana tra-boina. Ankoatr’izay dia arahabaina fa mahaliana ny tranokalanao.

    FANAMPIM-BAOVAO 2 : sahirana ara-drano ireo tra-boina nampitobiana eo Tanjombato, Antananarivo.

  5. […] rano madio fisotro no olana goavana voalohany indrindra. Efa nambara teto ihany fa ireo ankizy no loha-laharana amin’ireo tandindomin-doza anefa dia mazava fa ireo mpiananakavy iray manontolo no indray hitondra faisana vokatr’izany […]

  6. […] Efa nambara teto fa ny tsy fahampian’ny fahadiovana sy ny fisotroana rano voaloto avy nisasàna sy nidìovana no olana goavana voalohany indrindra, noho ny firongatr’ireo areti-mifindra. Nirongatra ho 47′000 ankehitriny ny isan’ireo ankizy latsaky ny 5 taona izay tandindomin’ny loza…. […]

  7. […] no olana goavana voalohany indrindra nohon’ny firongatr’ireo areti-mifindra. Nirongatra ho 47′000 ankehitriny ny isan’ireo ankizy latsaky ny 5 taona izay tandindomin… [avo 3x heny mahery, raha 15′000 teo aloha. Na dia mbola tsy feno aza dia tsy […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :