WEBCAST – 08|02|29 – 21:00 (GMT+1) – Malagasy All Stars


« Ny mpaminany tsy mba masina an-taniny » hoy ny lohatenin-dahatsoratra iray mampahafantatra ny tarika Malagasy All Stars. Satria ny aty ivelan’ny nosy no mahafantatra ny lazan’izy ireo, dia samy nanoratra lahatsoratra maro ireo gazety tsirairay tamin’ny volana Janoary 2008, mba ampahafantarana azy ireo amin’ny mpamaky.

Nandalo tany Madagasikara tokoa ny tarika, nanatanteraka fandraisam-peo hoan’ny fanatanterahana raki-kira CD vaovao izay ahitana hira 3 natolotry ny mpanakanto tsirairay ary kasaina hivoaka amin’ny volana Jona 2008.

Mandram-piandry izany raki-kira CD izany, ireo mpankafy izay tsy afaka nanatrika sy ireo voakitikitika sy liana te handre ny vokatr’izany fampiaraham-peo izany dia afaka manao manaraka ny fandaharana “Musik der Welt” tanterahin’ny radio Soisa miteny Alemanam-paritra DRS2, izay azo arahina mivantana eto amin’ny Aterineto koa.

Handeha webcast amin’ny radio DRS2 ny Zoma 29 Febroary 2008, manomboka amin’ny 21:00 ora ka hatramin’ny 22:00 ora alina ary [GMT+1 | ora aty Eorôpa afovoany (Paris-Genève, sns …)], ny dikam-peon’ny fampisehoana notanterahin’ny tarika Malagasy All Stars ny Asabotsy 1 Desambra 2007 tany Berne.

Samia mankafy🙂

[Hijery ny “Nosy milalao” Malagasy All Star  >>]

[Hihaino mivantana ny radio drs2 – drs2.ch >>]

[Manomana rakikira eto an-tanindrazana ny Malagasy All Stars | Malagasy All Stars : Hitondra avo ny mozika malagasy – taratramada.com 15-16.01.2008]

[Le « roi » du world-music : Régis Gizavo de passage au pays | Les artistes malgaches vivant à l’étrange : « Nul n’est prophète en son pays » | – madagascar-tribune.com 17-18.01.2008]

[Fenoamby : « Une affaire de cœur » – Régis Gizavo : « Aussi bien que les autres… » – Eric Manana : « La musique malgache existe à l’étranger » | Dama : « Inséparables de cœur et d’esprit » | Justin Vali : «Tradition et partage» – lexpressmada.com 22.01.2008]

2 commentaires sur “WEBCAST – 08|02|29 – 21:00 (GMT+1) – Malagasy All Stars”

  1. mahereza hatrany mampisongadina ny malagasy eran-tany!
    misaotra e!

  2. Tsy dia misy tokony isaoranao ahy, satria izaho angaha manao inona akory … tsy mpikarakaraka fa mba mizara fotsiny izay mba henoko sy fantatro😉


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :