08|02|17 – Hira Malagasy amin’ny faha-60 taonan’ny firaisam-pinoana [Genève, CH]


Ny antokom-pihira iraisam-pinoana Malagasy Valihan’i Jehovah no handravaka ny fivavahana iraisam-pinoana izay hotanterahin’ny COE / WCC [Conseil œcuménique des Eglises | World Council of Churches] ho fankalazana ny faha-60 taonan’ny niorenany, izay hatao ny Alahady 17 Febroary 2008 manomboka amin’ny 16:00 ora tolak’andro, any amin’ny Katedraly Saint-Pierre, Genève. Ny Patriarkan’ny Kônstantinôpla ingahy Bartholomée Ier kosa no hitondra ny teny fampianarana [patriarche de Constantinople, karazana Papan’ireo Ôrtôdôksa miisa 300 tapitrisa eran-tany].

Ny COE / WCC na Fiangonana Mikambana dia karazana ONU-n’ny fiangonana [fiangonana samihafa finoana miisa 347 ary firenena miisa 110]. Tamin’ny taona 1948 no notanterahina tany Nairobi, Kenya ny fivoriana izay azo ambara fa fototra iorenan’ny COE izay manomboka androany Alarobia 13 Febroary 2008, eto Genève ny fivoriamben’ny Birao foibe mpitantana.

[Fivorian’ny birao foiben’ny COE – oikoumene.org >>]

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :