Ny mpitondra fiangonana sy ny fanaovana pôlitika

“Ary raha ny mpitondra fivavahana no manao politika dia mitarika ny ondriny any amin’ny tsy izy izy” hafatra napetraky Michel – 28.01.2008 >>

Andao hoe jerena fohy ny toe-draharaha misy anivon’ireo fiangonana 4 lehibe mambran’ny FFKM na ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana aty Madagasikara manoloana ny fanaovan’ireo mpitondra fivavahana pôlitika :
– Ny Eglizy Katolika Apostolika Romana [EKAR] dia miditra betsaka amin’ny fiainam-pirenena, tsy misy fandraràna ny fanaovana fanambarana saingy tsy misy pretra mahazo milatsaka hofidiana amin’ny andraikitra pôlitika kosa.
– Ny Fiangonana Loterana Malagasy [FLM] araky ny fampianaran’i Martin Luther izay manavaka ny « fanjakan’ny fanahy » amin’ny « fanjakan’ny tany » [les 2 règnes] dia mangataka ny hiatoan’ny pastora amin’ny raharaha pastôraly aohan’ny hilatsahany hofidiana [tsy voahaja hatrany io fitsipika io].
– Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara [FJKM] dia tsy misy fandraràna ny filatsahana amin’ny fifidiana ho amin’ny andraikitra pôlitika ary tsy voatery hiala amin’ny maha-pastora azy [ohatra Pastora Andriamanjato Richard ben’ny tànanan’Antananarivo sady pastora tao Ambohitantely].
– Ny Eklesia Episkopaly Malagasy [EEM] na Anglikana kosa dia fantatra fa tsy misy mpitondra fiangonana olom-boafidy. Anefa tsy fantatro raha noho ny fandraràna ara-teolojika no antony na nohon’ny tsy fisian’ny kandidà te hilatsaka.

Arak’io fanadihadiana fohy io, dia azo sokajiana ho roa ny fanaovana pôlitika :
– ny “fandraisana anjara amin’ny adihevitra” tafiditra amin’izany ny fiadiana zo sy ny tsikeran’ny fiaraha-monina,
– ny “fandrombahana fitondrana” na filatsahana ho kandida amin’ny fifidianana.

Marobe ireo sehatra andraisan’ireo fiangonana anjara amin’ny adihevitra sy andraikitra any Madagasikara ary ohatra iray fotsiny no ho raisiko hanazavana izay ambarako. Ny Fiangonana FLM no mivoy ireo hany sekoly mikarakara ny ankizy marenina [sy moana] any Madagasikara. Tsy mbola nihevitra ny handray andraikitra momba ny fitsimbinana ireo olona ireo ny fanjakana mandrak’ankehitriny.

Moa ve tsy ireo mpanabe ireo, nohon’ny fahalalany ny zava-misy, no tokony hivoy fatratra ny fiadiana hoan’ny tombontsoan’ny marenina ? Sa kosa amin’ny maha sekolim-piangonana azy dia tsy tokony handray fitenenana akory izy miatrika izany raharaha izany ? [Arak’izany koa i Père Pedro mpiahy ireo 4’mi]

Ka raha ny fanaovan’ny mpitondra fivavahana pôlitika mba “handrombahana” ny fitondrana [lutte de pouvoir] no tsikerain’i Michel dia miombon-kevitra aminy aho. Satria asa roa samihafa, andraikitra tsy mitovy sady tsy sahala ny atao hoe fitondram-piangonana sy ny fitondram-panjakana. Ary heveriko ho isan’ny fahalemen’ny FFKM ny fihosihosinany amin’ireo raharaham-pifidianana satria iaraha-mahalala fa tsy mety raha “milaza azy ho ray aman-dreny anefa sady miady anjara amin’ny hafa koa” [on ne peut être à la fois juge et partie].

Raha ny momba ny “fandraisana anjara amin’ny tsikeram-piaraha-monina” kosa dia ny ohatry Martin Luther King Jr [Nobel Fandriampahalemana 1964] sy i Desmond Mpilo Tutu [komisiona Fahamarinana sy Fampihavanana | Nobel Fandriampahalemana 1984] no ho entiko milaza izay tiako ambara. Ireo loka Nobel-n’ny Fandriampahalemana natolotra azy roa lahy dia toa maneho fa fahavoazam-be hoan’ny fiaraha-monina Amerikana sy Afrikana Tatsimo raha notapenam-bava sy natao ankila-bao izy roalahy ireo … noho ny amin’ny maha mpitondra fiangonana azy fotsiny.

P.S: heveriko fa isan’ny mampaharitra ny lazan’ny tarika Mahaleo ny fahitsian’ireo hira “tsikeram-piaraha-monina” nataony [justesse] … asa angamba mety azo itarina amin’ny zava-kanto sy ny fianarana koa io fomba fijery io ?

22 commentaires sur “Ny mpitondra fiangonana sy ny fanaovana pôlitika”

  1. Araka ny filazanao hoe « fitondram-piangonana sy ny fitondram-panjakana » dia samy « fitondrana » ireo. « Pouvoir » atrehin’olombelona noho izany dia mpihavana ihany ireo. Fitondrana = fanerena an-kolaka na an-kitsirano ny olona hanaraka fifampihezana, lalàm-panjakana ho an’ny iray andaniny, lalàm-piangonana ho an’ny iray ankilany (ohatra ny droit canon ho an’ny katôlika). Misy koa ny fitondrana orinasa, tsy mifankaiza amin’ny hoe fanerena an-kolaka na mivantana ny olona hanaraka ny lalàna ara-toekarena. Tsy misy mahagaga amin’ny mampifamahofaho an’ireo fitondrana telo ireo amin’ny firenena maro. Jereo fotsiny ohatra ny fanindrahindrana fivavahana ataon’i Hillary sy Barack any Amerika sy ataon’i Sarkozy ankehitriny aty Frantsa miampy ny rohy mampifamatotra ireo amin’ny tremalahy ara-toekarena.

    Noho izany, tsy hoe ratsy tanteraka na tsara tanteraka fa lalam-piainan’olombelona ilay izy.

  2. Mampahatsiahy ahy ny fanontanian’ny mpanao gazety tany Maorisy an’i Ra8 hoe “ianao milaza fa ataonao fitondrana orinasa i Madagsikara. F’angaha moa demokrasia ny fitondrana orinasa ?”

    Misy tena fahasamihafany ireo fitondrana tanisainao ireo ka angamba tsy tsara hifangaro … na dia maro aza ireo manao izany.

  3. hendry be mihitsy ny anglikanina fa tsy mba manao politika!
    za mantsy anglikana e!sic

    tena mafinaritra ny fanadihadiana tsotra nataon’i tomavana ka mapisaina lalina ilay izy! amiko anefa mila manitsy ny mpanao politika ny mpitondra fiangonana rehefa manao ny tsy mety ka ra raiamandreny ny mpitondra dia angamba sokajiana ho dadabe sy bebe ny mpitondra fiangonana! ka tokony mbola hoajaina noho ny mpitondra izy izany

  4. Faly mandray sy mamaky anao eto ry news2dago🙂

    Raha azoko tsara izany dia tena antony ara-teolojika no tsy anaovan’ny Anglikana pôlitika.

    >angamba sokajiana ho dadabe sy bebe ny mpitondra fiangonana! ka tokony mbola hoajaina noho ny mpitondra izy izany

    Amiko indray tsy azo omena tsiny ny sasany raha manankina ny haja tandrify amin’izay fomba “anajany sy anaovany” ny raharaha maha-mpitondra fiangonana azy ireo. Raha mandao ny toerana misy azy ka mirotsaka an-tsehatra politika ny mpitondra fivavahana dia mazava ho azy fa manaiky sahady ny lalàna mifehy ny fifampitondran’izay samy mpikatroka politika izy.

    FANAMPIM-BAOVAO : Niala amin’ny maha-filohan’ny antoko mpanohitra “Rassemblement des Forces Nationales” (RFN) azy, ny Pastora Edmond Razafimahefa, filohan’ny FJKM (sady mpanolotsainan’i Ra8) taloha – midi-madagasikara.mg >>.

  5. sarotra tokoa aloa ny mamaritra ny toerana misy ireo mpitondra fivavahana e! satria nomena ny toerana hanabe antsika ara-panahy ry zareo kanefa kosa mety misy ihany angamba sehatra azony hidirana raha toa ka mivoana @ fomba fijery kristianina ny ataon’ny mpitondra oh ny resaka halabato @ fifidianana ny manao ampihimamba ny harem-pirenena! sy ny sisa satria voarara ao @ didy folo oh ny magalatra na ihany koa tokony hanana toetra mahay mizara ny olona nomena fahefana satria io no maha kristianina ny kristianina mpanaradia an’i kristy!
    hevitro manokana anefa io fa mbola azotsika atao tsara ny miady hevitra eto raha misy hevitra hafa tianareo hirosona lalina kokoa! amiko izany hitovizako hevitra @ tomavana dia ny tsy tokony handraisan’ny mpitondra fiangonana mivantana @ sehatra politika fa kosa mety ihany ny toerana misy ny ffkm manome sosokevitra hitondrana ny fiara monina! @ maha olombelona anefa mety ho alaim-panahy ihany ny mpitondra fiangonana satria betsaka kokoa ny sehatra mety azahoana vola eo sehatra politika noho ny eo fitondrana fiangonana tsy hiditra lalina @ io aho fa tsy anjarako ny mitsara olona!
    mazotoa @ fikarohana! misaotra an’i tomavana nitondra ady hevitra ary manasa hikaroka ny tsara tsara kokoa hatrany hanasoa ny firenena malalantsika satria inoako fa izay no tena andanintsika fotoana eto

  6. >@ maha olombelona anefa mety ho alaim-panahy ihany ny mpitondra fiangonana satria betsaka kokoa ny sehatra mety azahoana vola eo sehatra politika noho ny eo fitondrana fiangonana

    Ka tena efa lo hatrany am-piaingana tokoa anie raha ny vola miraviravy any amin’ny sehatra pôlitika no manintona e😦

    Manahy aho ankehitriny sao hoe voan’ny “zarazarao hanjakana” [diviser pour mieux regner] ny FFKM. Ny FJKM lazaina fa mahazo “avara-patana”, ny EKAR ambara fa atao “ankila-bao” ary ny FLM angaha hono “mahari-pery” [aiza ny EEM ?]. Ny fahombiazan’io tetika io ve tsy manambara fa zary misy nahazo toerana “foto-pinoam-pitondrana” [religion d’état] ka dia tampim-bava na tapi-maso … angamba tsy ho ela intsony dia ho rava ny FFKM amin’io endriny io nahalalantsika azy io.

  7. hoy ianao hoe « Misy tena fahasamihafany ireo fitondrana tanisainao ireo ka angamba tsy tsara hifangaro … na dia maro aza ireo manao izany. » ary ny tiako ho tsindriana dia ny mifanohitra amin’izany : tsy misy fahasamihafany velively fa samy fitondrana avokoa. ary fitondran’olombelona ety ambonin’ny tany aza adino. tsy vao ravalomanana akory no nisy zany fa efa hatramin’ny Fanajakana Rômana ary tsy ho tanisaiko eto ny tantara maro ao amin’ny baiboly ka hatramin’i G.W. Bush mbamin’ny mpanjaka saodiana. les dieux hélas (ou heureusement) restent (ou repartent) dans les cieux…
    ny ffkm sy ny fanjakana malagasy ao anatin’izany dia mbola petits joueurs aza tsiny.

  8. >fitondran’olombelona ety ambonin’ny tany aza adino

    Azoko ny tianao ambara, saingy izaho izany mbola te hampitaha ny fifangarihan’ireo “kabary” [discours] ataon’ireo Fiangonana sy izay fihetsiny e [actes]😉 ny anao dieny am-piandohana, tsy misy andraso andraso fa tonga dia ny “kapitalisman’i Vatikana” sns … Anefa raha mikoropaka loatra, sao dia “mamalana ny ankizy miaraka amin’ny rano nampandroana azy ?” Ohatry ny mifangarika amin’ny ataon’ny sasany ny fihetsiky ny EEM sy ny FLM … ka asa raha tokony haneho ny fahasamihafany bebe kokoa ry zareo?

  9. ny EEM manokana aloa dia tsy dia mahasarika azy ny fitondrana raha aty madagasikara satria vitsy an’isa izy aty! raha any angletera no resahana dia hafa indray satria religion d’etat izy ary mandray anjara @ fitatanana ny fanjakana izy no manendry ny mpanjaka sy ny sisa! manome tolokevitra any @ parlemanta!!!
    ny ao @ ffkm manokana indray raha ny fijeriko azy dia misy rafim-pitantana iraisana ao ka mifandimby ny lohan’ny ffkm ny FLM zao no mitondra zao raha ny FJKM teo aloa teo mitovy2 @ rafitra ny vondrona europeanina ny fomba fiasa e! ka hifandimbiasana koa ny toerana na ny SG sy ny tresorier sy ny sisa ka samy manana toerana avy ny mpikambana tsirairay!!!
    raha ny hifandraisany @ fanjakana indray dia mahazo tombon-dahiny foana ny finoan’ny mpitondra ka izao dia ny fjkm alo zany no rôle iny tsy iadin-kevitra nisy ihany t@ voalohany ny fizarana gatô t@ mandat voalahany t@ ra8 fa tsy notazonina izany taty aorina! satria dia ra8 fjkm
    sylla pm katolika romanina
    ny vicepm Zaza anglikanina
    ary lahiniriko antenimiera FLM!
    raha izao manokana aloha dia tsy hitako oe ahoana ny fomba hanasarahana ny fivavahana sy ny fanjakana e! satria dia tsy maintsy misy foana ny Theocratie na aiza na aiza? ka io no hitovizako hevitra @ rajiosy oe tsy afamisaraka ireo!

  10. Misaotra anao nanome fanampim-panazavana mikasika ny Anglikana any Angletera, fa hay tsy antony ara-teolojika tokoa izany, fa ny fahavitsiany, no tsy anaovany pôlitika eto Madagasikara.

    >raha izao manokana aloha dia tsy hitako oe ahoana ny fomba hanasarahana ny fivavahana sy ny fanjakana e! satria dia tsy maintsy misy foana ny Theocratie na aiza na aiza?

    Tsahivina fa Iran ohatra no tena manakaiky io foto-kevitra “theocratie” io, izany hoe izay didy ao anaty Kôran [Coran] no ampiharina. Ohatra fanapahana ny tanan’izay tratra ambodiondry amin’ny fangalarana sns … Marina fa nanova ny “lalam-panorenana” tsy ho firenena laïka [laïc] intsony ny Malagsy, kanefa aho tsy nihevitra hoe mizotra ho any amin’ny “theocratie” isika. Anefa moa ny vahoaka no masi-mandidy, ka asa izay lany amin’ny manaraka ?

    Raha ny vaovao no dinihina dia mipetraka ny fanontaniana raha tena azon’ny fankam-panahy [tentation] ny hametraka ny “theocratie” tokoa ve ny mpitondra ankehitriny [Ra8 filoha lefitry ny FJKM] ? Ka ny FJKM no finoana hapetrany ho fototra ?

    Raha ny tantara no zohina [Irlande, Liban, sns …] dia korontana sy ady an-trano isan’izay mahery vaika mihintsy no aterak’ireo ady fitondrana mifahatra amin’ny foto-pinoana. Ka angamba tsy misy maniry izany hoan’i Madagasikara isika.

    Aleo raharaha samirery [vie privé] ny mikasika izay foto-pinoana sy fiangonana fa tsy tokony harangaranga amin’ny fiainana pôlitika izany. Sady tsy maintsy misafidy isika na “theocratie” na demôkrasia fa tsy afaka miara-mipetraka ireo. Malalaka hanana izay finoany izay mpitondra fidian’ny vahoaka, anefa izany tsy tokony “hanereny” ny vahoaka hanaraka izay fiainany ara-panahy.

  11. marina izany ry tomavana a!
    mahereza e!

  12. Salama daholo eh! Ahitsiko kely fa ny pretra na eveka anglikana tsy mahazo manao politika velively.
    Raha araka ny fikarohana nataoko dia eglizy katolika io fa tsy mikambana amin’i roma
    fa angletera no foibeny. Noho izany mitovy amin’ny katolika romana ny ankamaroan’ny didy sy fomba aman-dalana ao anatiny.

    Dia mazotoa ary ny fitahian’Andriamanitra Ray zanaka sy fanahy masina anie ho aminareo.

  13. Tongasoa Anglikana🙂

    Marina tokoa fa mihevitena ho « Katôlika tsy miankin-doha amin’i Roma [Vatikana] » ry zareo Anglikana >> saingy notsipahin’ny Vatikana tamin’ny alalan’ny Ensiklika « Apostolicae Curae izay navoaky ny Papa Léon XIII tamin’ny taona 1896 >> » ny maha-Katôlika azy ireo … satria ny azy izay mpanjakan’ny Angletera no lohany. Izany hoe i Elizabetha faha-II izany no lohan’ny Anglikana ankehitriny, ary heverina fa isan’ny tsy ampitany ny satroboninahitra amin’ny zanany Charles ny olana mety hiseho amin’ny namitahany vady sy ny nampirafesany fahiny an’i Diana amin’i Camilla [vadiny ankehitriny].

    Raha ireo no dinihina dia hita fa mifangaro ihany tokoa ny fitondrana pôlitika sy fiangonana any Angletera.

  14. Miarahaba tomavana!

    Eny, notsipahin’ny papa Léon XIII ny anglikana tamin’ny alalan’ny apostolicae curae tamin’izany fotoana, fa taty aoriana kosa dia efa neken’ny katolika romana ny maha-eglizy katolika ny anglikana. Izany dia nohamafisin’ny papa joany paoly II sy benoit 16 taty aoriana
    Toa izany koa ry zareo katolika ortdoksa dia efa manaiky izany.
    Nisy fandaharana iray tao amin’ny onjam-peo tsy miankina ary mompera katolika romana no nanazava tao. Ary tamin’izay dia nohamafisiny mihitsy fa ireo katolika tatsinanana dia ny ortodoksa sy ny anglikana.

    Tsy ny mpanjaka vavy no lohan’ny anglikana fa isan’ireo manana toerana ambony ao izy. Ny arsevekan’i canterbury no sefo ara-panahy izay mariky ny firaisan’ny anglikana. Ny arseveka anefa dia tsy manana fahefana mihoatry ny faritra hiadidiany.

  15. Mahafinaritra ireo vaovao atolotrao izay manambara fa mifanantona ireo fiangonana nosarahin’ny tantara ela ireo ankehitriny🙂

  16. Misaotra indrindra amin’ny famakafakana sy ny fizarana nataonao. Ilaina ny fandinihana toy izao mba hampitombina tsara ny asa tanterahina eo amin’ny tany sy ny fanjakana.
    Mankasitraka.
    Rabary

  17. Faly mirary anao tongasoa eto amin’ity sehatra ity Rabary.

    Herintaona tao aorian’ny nanoratana ity lahatsoratra ity … samy afaka mamakafaka sy mandray lesona isika … hanitsiana izay lesoka hoamin’ny ho avy.

    Tsy misy fisaorana fa ianao no isaorana amin’ny fankaherezana !

  18. Ny fototra ijoroan’ny fiangonana dia ny filazantsara sy ny fampielezana izany filazantsara izany.

    Ny politika dia lainga sy fitaka no fototra hisiany, koa tsy mendrika ny hanao na handray anjara amin’ny politika ny pitondra fivavahana.

    Misaotra indrindra tompoko.

  19. Tongasoa Rajosoa Charles Edouard, mitovy hevitra isika raha izay momba ny filatsahana hofidiana « olomboafidy » izay tsy tokony hifangaroharo amin’ny fitondram-piangonana, fa araky ny efa nambarako tetsy aloha dia heveriko fa misy lafiny “fandraisana anjara amin’ny tsikeram-piaraha-monina” ny « fampielezana izany filazantsara izany. »

  20. Izaho dia miombon-kevitra amin’ny hoe tsy tokony hanao politika ny fiangonana fa kosa nefa tsy mankasitraka an’le hoe olom-boafidy. Izaho mahafantantra « olom-boafidy » mampiasa ny anaran’Andriamanitra entina hanaratsiana olona sy hanimbana ny fiainan’olona. Amiko tsy vocation ntsony ny an’ny mpitondra fiangonana amin’izao fa asa no ijereny azy.

  21. Niverina kely vetivety aho. Ny tiako ho marihina dia ity: Ny mpitondra fanjakana eto amintsika dia tsy mahazaka politika satria na iza izy na iza dia ny tenany aloha no jereny voalohany. Torak’izany koa ny mpitondra fivavahana, tsy ny hafatry ny Tompo no hampitainy fa ny azy manokana.Ohatra no noteneniko tetsy ambony hoe misy ny manaratsy olona sy manimba ny fiainany. Satria misy ny mieritreritra hoe mandray anjara amin’ny fiaraha-monina izy dia izay olona tsy tiany dia haratsiany avokoa. Ny hafatry ny Tompo dia ny hoe tiava ny namanao tahaka ny tenanao ary andeha ataovy mpianatro ny firenena rehetra. Ny eto amintsika dia ny hoe: »araka ny hevitray mpitondra fiangonana » fa tsy ny hoe « araka ny didy izay nomena anay ». Noho izany dia tsy azo ekena velively ny « opinion personnelle » satria raha olom-boafidy marina izy dia miteny satria ampitenen’ny Fanahy Masina fa tsy ny eritreriny manokana. Toy izany zao io mpitondra fiangonana manaratsy olona io ary marihiko eto fa mpitondra fiangonana anglikana io. (Fiangonana iray fa tsy fiangonana reniny akory)

  22. Samy manana ny fombany ny fiangonana rehetra fa misy vaovao ampitaiko amintsika Kristiana te hitondra Fanjakana:
    Lioka:4:6-7 « homeko anao izao fanapahana rehetra……………izany »
    Matio 5:38-39 « Efa renareofa voalaza hoe:Maso solon’ny maso ary nify solon’ny nify……… »
    Matio5:44-45 « TIava ny fahavalonareo……… »
    Mation 29:19-20 « Koa mandehana ianareo dia ataovy mpianatra……. »


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :