08|01|17 – Miasy Raoloson | Mawenzi [Lausanne]


I Miasy Raoloson dia mpanakanto mpitendry gitara basy jazz mpiray tanindrazana mipetraka eto Genève. Hoan’ireo izay mety mahatsiaro dia niasa fahiny anivon’ny Radio Antsiva izy fony tany Madagasikara, sady efa niara-niasa tamin’ny mpanakanto maro samihafa toy ny Tsimihole, Glap, Johary, Dillie, Orchestre Harry Rakoto, Nono … Efa nitarika ny projet Tata Rahely sy ny tarika Nada Band koa izy tany.

Roa ireo tarika tena andraisany anjara aty Soisa ankehitriny dia ny tarika Mawenzi sy ny tarika nN PROJECT [no Name Project] izay noforininy tamin’ny faran’ny taona 2004 ary toy ny tarika KOLO dia efa nandray anjara koa tamin’ny Cully Jazz Festival ny tarika misy azy tamin’ny taona 2006.

Tsy maintsy mbola hisy ihany fotoana hitafatafana amin’i Miasy mba hahalalàna azy bebe kokoa fa hoan’ireo izay mpiangaly dia aza idifiana ny fampisehoana Jazz « Mawenzi invite Mathieu Schneider » izay andraisan’ny mpitendry gitara basy Jazz Malagasy Miasy Raoloson, hatao ny Alakamisy 17 Janoary 2008, manomboka amin’ny 20:30 ora alina any amin’ny Chorus Jazz Club [avenue Mon-Repos 3, Lausanne]. Izany dia ambany fikarakaran’ny sekoly mpivoy Jazz EJMA [Ecole de Jazz et de Musique Actuelle, Lausanne].

Mpandray anjara : Miasy Raoloson, b; Mathieu Schneider, fl; Fred Morel, tp; Marcel Moratti, g; Ludovic Diczi, kbds; Robin Frey, dm

Tsy misy vidim-pidirana.

[no Name Project – nnproject-band.com >>]

[nN Project any @ myspace – myspace.com/nnproject >>]

[Chorus Jazz Club Lausanne – chorus.ch >>]

[EJMA – ejma.ch >>]

7 commentaires sur “08|01|17 – Miasy Raoloson | Mawenzi [Lausanne]”

  1. tadidiko tsara i nada band. Izay moa no nahafantarako azy t@ zany. Mbola kiritika kely za t@ zay fa tadidiko nisy fampisehoana izay nandraisan-dry zareo anjara (antsahamanitra angambany ilay toerana).

    Bonne ambiance ho an’izay afaka hijery azy🙂

  2. Salut Maintikely
    mbola hisy betsaka ny concerts live handraisako anjara amin’ity taona ity eto Suisse fa ho fantatrareo amin’ny alalan’ity site ity ihany.
    Dia misaotra ho an’ireo iza afaka hijery anay

    Miasy

  3. Ambohipihaonan’ny Jazz izany, tafahaona ny tia sy ny manina😀

    @ Maintikely ianao kosa maharaka an, hatramin’ny fahazazana !!!🙂

    @ Miasy faly mandray anao etoana😀 misaotra amin’ny rohy tany amin’ny « myspace » fa tena ao amin’ilay itiavako azy mihintsy sady manainga izay tsy mbola nandre ny hitsidika azy

  4. […] 18 janvier 2008 « N’aiza n’aiza aleha, misongadina hatrany rehefa manan-talenta » io teny io no tonga tao an-tsaiko raha tafaresaka fohifohy tamin’ny mpanakanto mpitendry gitara basy jazz mpiray tanindrazana Miasy Raoloson izahay nandritra ny fampise… […]

  5. miasy raoloson:fa nareo izany tsy mikasa ny hanao fampisehoana ivelan’ny soisa?
    Mba tsinjovy ihany izahay lavitra🙂

    tomavana: tsy hoe maharaka fa rakitra tsy miala ato andoha ireny😀

  6. Ho lazaina aminareo eo ihany rehefa misy fampisehoana any ivelan’i Suisse, mikasa ny hivoaka tokoa izahay… Tariko telo be izao ve no hilalaovako dia tsy mba hisy iray amin’ireo hivoaka any ivelany ?

    Misaotra

  7. @ Maintikely mandra-piandry izay ho avy … tsy dia lavitra anie aty Soisa e … manohy mianavaratra kely fotsiny rehefa avy nidify an’i Marseille😉

    @ Miasy saika vao hanontany anao mihintsy aho raha misy tarika hafa ilalaovanao any amin’ny mangigina any … telo izany no isa voamarina🙂


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :