Ny fahanginan’ny olona 40’000 | Taizé

Ny tena ‘ni-impressioné’ ahy androany ka isan’ireo rakitra hotsarovako dia ny fahanginana nandritra ny ‘vavaka mangina’ niarahan’ireto olona 40’000 ireto nanao. Tsapa ho tena misy firaisantsaina tokoa na dia samihafa fihaviana sy fiteny sy foto-pinoana aza ireto mpilasy [Prôtestanta, Katôlika, Ôrtôdôksa, Evanjelika sns …].

Ny hanotrona ny antokom-pihira Malagasy Valihan’i Jehovah anefa no tena anton-diako tany Geneva Palexpo, fa satria tonga aloha aho dia afaka nanatrika ny tapany farany amin’ny fotoam-pivavahana tamba-be nataon’ny mpilasy androany Asabtsy 29 Desambra 2007 nandritra ny fihaonam-be Ekomenika Kristiana faha-30 karakarain’ny Taizé izay nanomboka omaly Zoma 28 Desambra 2007 eto Genève [30e Rencontre Européenne de Taizé à Genève].

Izaho aloha tsy nanandrana sakafo fa arak’izay hitako momba ny resaka filaminana sy fahadiovan’ny toerana ivoriana, dia azo ambara fa tena manana traikefa amin’ny fikarakarana hetsika rodobe tokoa ry zareo 😉

Vaovao farany araho ao amin’ny blaogin’ny ‘Taizé à Genève’ [taizegeneve.blog.tdg.ch>>] sy ny raki-tsary ao amin’ny vohikalan’ny haino aman-jerim-pirenena ‘Radio Suisse Romande’ [taize.rsr.ch >>]

Publicités

3 réflexions sur “Ny fahanginan’ny olona 40’000 | Taizé

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s