38’477 avy amin’ny firenena 40 samihafa | Taizé


Ny dia nihevitra aza aho fa tsy maintsy misy Malagasy amin’ireo mpilasy ireo dia tsy nampoiziko hoe hihaona amin’iray amin’izy ireo aho satria maro loatra ny mpivory. Anefa nandritra ny fotoana nanatontosan’ny antokom-pihira Malagasy Valihan’i Jehovah ny anjara fanentanana nataony, izay natrehina olona mihoatry ny arivo [1’000] dia nihaona tamin’ny Thierry Etienne RANJÒ aho, izay avy any Marovoay ary dia miomana ho pretra any Belzika eo anivon’ny kôngregasiona Zezoità [Jésuites].

Maro hoy aho ny olona satria araky ny ny isa farany napariaky ny mpandraharaha dia zatovo miisa 30’000 38’477 ireo nisoratra anarana itadiavana mpampiantrano raha hanatrika ny fihaonam-be Ekomenika Kristiana faha-30 karakarain’ny Taizé manomboka omaly Zoma 28 Desambra 2007 eto Genève [30e Rencontre Européenne de Taizé à Genève].

Arak’io ny lisitra apariaky ny tompon’andraikitra io dia misy 46 tsy ‘fanta-pihaviana’ ka dia 45 izany sisa satria voavaly sahady ny fanontaniana fa misy Malagasy amin’ireo mpanatrika. Mazava ho azy fa mety misy ireo Malagasy mandray anjara no mizaka ny zom-pirenena vahiny.

Vaovao farany araho ao amin’ny blaogin’ny ‘Taizé à Genève’ [taizegeneve.blog.tdg.ch>>] sy ny raki-tsary ao amin’ny vohikalan’ny haino aman-jerim-pirenena ‘Radio Suisse Romande’ [taize.rsr.ch >>]

5 commentaires sur “38’477 avy amin’ny firenena 40 samihafa | Taizé”

  1. […] sary iray ity anefa fomba fijery roa samihafa [mpanokantena nanatrika ny fivoriambe Taizé teto Genève tamin’ny faran’ny taona]. Arak’ity tonom-bavaka manaraka fahita amin’ny […]

  2. Faly miarahaba anareo rehetra Gasy ao Genève sy ireo mpi-blaogy eto e !
    Misaotra indrindra noho ny fampitam-baovao sy ny fanehoana an’le tanora avy any Marovoay, miofana ho pretra zezoita e ! Tena nanaitra tokoa na de izao aza vao hitako. Misaotra e ! Fa saingy ny anarako no diso, tsy tadidinareo angamba fa tsy Thierry avy any Marovoay fa Etienne, zezoita avy any Marovoay.
    Ny teny diso hono, hoy ny fahendren’ireo razantsika Malagasy, tsy mba kabary e !
    Mazotoa ary samia mahereza !
    Etienne, zezoita eto Belgique

  3. >Ny teny diso hono … tsy mba kabary e !

    Maiva-mavesatra ny tsiny, tsy zakan’ny teo aloha, ka ombàko tsy mahazaka koa … ka dia mametraka ny fialantsiny amin’ny fandisoana ny fanampin’anarana. Ny anao moa efa lasa aloha ny famelàna ka dia isaorana anao eto koa izany.

    Dia misaotra koa amin’ny fampaherezana dia mirary soa amin’ny fandratoana fiofanana e! Mba ampitao vaovaonareo Malgasy-Belza fa liana izahay e😉

    Misaotra amin’ny fitsidihana sy ny famelana hafatra Etienne😀

  4. Salut daôly e !
    Misaotra manokana an’i Tomavana.
    Tadidiko tsara ny resadresaka nifanaovantsika nadritra ny fivoriamben’ny jeunes de Taizé tao Genève ireny.Zà koa aza miala tsiny amin’ise fa nataoko tsara pirina le adress-mail nomenao de tsy hitako hatr@zao. De tsy afaka nandefa le sarinareo Gasy niara-nihira mba nalaiko nadritra ny fampisehoana nataonareo iny aho. Tsy fantako na azo alefa eto moa le izy.
    Ny vaovaonay Gasy eto Benelux tsy de misy ho lazaina firy. Fa ny fiarahanay niara-nankalaza ny Alatsinain’ny Pentekôty lasa teo no tena nahafinaritra sy nampihetsim-po tokoa. Efa ho an-jatony latsaka eo ho eo izahay no tonga tao. Tena nahafinaritra ny firaisan-kina sy ny fiaraha-nikorana e, ny fihavanan’ny samy malagasy.
    Mirary soa ho anareo rehetra indray.
    Etienne eto Belgique

  5. Faly mandre fa tsara ny fiaraha-monina mipetraka any anivonareo samy Malagasy any Benelux any. Ny momba ireo sary dia heveriko fa tsy tara velively ny fiheverako azy fa dia isaorana anao mialoha. Raha misy aza moa sary hafa nandritra ireny fihaonambe ireny dia azoko atambatra ho tatitry ny famangianao taty😉

    Izay mahavangivangy tokoa hono tia havana … misaotra amin’ny tsiditsidika ataonao sy ny firariantsoa e. Dia samia handroso amin’ny fifankatiavana avy isika any amin’izay misy antsika tsirairay avy any.


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :