07|12|29 – Hira Malagasy tany amin’ny Taizé [Genève]



« Valihan’i Jehovah mihira any Taizé », sary nadika tamin’i taize.fr >> Tsindrio eo amin’ny sary hanalebiazana azy

« Parmi les communautés africaines de Genève.
Des choeurs de Madagascar du Cameroun et du Congo présentent des chants de leurs célébrations.
14:45, Geneva Palexpo, halle 1-2 »

Io no fehezanteny tsotra nampahalalana ity fanentanana anivon’ny ny fihaonam-be Ekomenika Kristiana faha-30 karakarain’ny Taizé eto Genève [30e Rencontre Européenne de Taizé à Genève] izay natao androany Asabotsy 29 Desambra 2007 tany amin’ny Geneva Palexpo ity, anefa dia marobe tokoa ireo tanora nanatrika, mihoatry ny 1’000.

« Valihan’i Jehovah manoloana tanora miisa 1’000 mahery », sary nadika tamin’i taize.rsr.ch >>

Nifandimby nampiseho santionany amin’ny fomba fiderana an’Andriamanitra an-kira ny Kôngôley, ny Malagasy [ny antokom-pihira Valihan’i Jehovah] ary ny Kameroney. Naharitra ora roa ny fotoana.

Mialatsiny aminareo mpamaky aho fa tsy manana sarin’ireo Malagasy mihira tafavoaka tsara aho [tsy ampy hazavana sady lavitra] ka dia voatery nindrana ireto an’olona ireto. Fa ny an’ny Kameroney kosa mba nisy nazava ihany [miakanjo maitso sy misaron-doha amin’ireo sary eo ambany]. Na dia izany aza dia nahafinaritra ny fotoana, tamana be ny mpanatrika mandre feo vaovao sy fomba fihira samihafa, korana be no nisarahana teo.

Hoan’izay tsy afaka nanatrika androany dia ampahitsahivina fa mbola averina izao hetsika fanentananana izao ny Alatsinainy 31 Desambra 2007 amin’ny 14:45 ora. Aleo tonga aloha mba tsy ho lavitra loatra ny sehatra satria tena marobe mihitsy ny mpijery😉 torohevitra ihany ny ahy.

Vaovao farany araho ao amin’ny blaogin’ny ‘Taizé à Genève’ [taizegeneve.blog.tdg.ch>>] sy ny raki-tsary ao amin’ny vohikalan’ny haino aman-jerim-pirenena ‘Radio Suisse Romande’ [taize.rsr.ch >>]

9 commentaires sur “07|12|29 – Hira Malagasy tany amin’ny Taizé [Genève]”

  1. […] mandray anjara amin’ny fanentanana ny antokom-pihira Malagasy Valihan’i Jehovah mba hijoro vavolombelona hampahafantatra izay fomba fiderana ataon’ny tanora Kristiana Malagasy ny tolakandron’ny : – ny Asabotsy 30 Desambra 2007 amin’ny 15:00 – sy ny Alatsinainy 31 […]

  2. Misaotra an’i Tomavana tamin’ny fitantarana fa dia hanatrika izahay amin’ny Alatsinainy 31.

  3. Faly mandray anao eto ry z@n klOdy😉

    Iaho no misaotra anao amin’ny fitsidihana sy ny hafatra. Raha tsy mahadiso, mba azonao zaraina aminay eto va izay fijerinao azy rehefa avy eo ?

  4. FANAMPIM-BAOVAO : niampy sary vaovao, misy azo alehibiazina ahitana tsaratsara kokoa ireo mpihira.

  5. Tena ho avy e … any mifankahita
    Ny toerana hasiana ny fiara no manahirana indraindray.

  6. Tongasoa amin’ity sehatra ity Ra-Ppg🙂

    Ny mikasika ny fiara dia misy fomba roa :
    – ny ao ambadibadiky ny Geneva Palexpo no mipetraka, saingy voafetra 90 min matetika,
    – na eny amin’ny ‘Aéroport’ ao amin’ny Migros ohatra dia miampita an-tongotra ny ‘Autoroute’

  7. Misaotra an’i Tomavana fa tsara ny sary.
    MM

  8. Izaho angamba no tokony hisaotra anareo satria tsy ‘mitsanga-ko-menatra’ ny tanora Malagasy rehetra soloinareo tena, amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy itony😀

    Tohizo hatrany fa izaho hampahafantatra hatrany😉

  9. […] fomba fijery roa samihafa [mpanokantena nanatrika ny fivoriambe Taizé teto Genève tamin’ny faran’ny taona]. Arak’ity tonom-bavaka fahita amin’ny rindrina na tolam-baravarana manaraka ity : […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :