Ny fiomanana | Taizé GC02 – GC24

Miravaka toy ireo hitanareo ireo ny tanànan’i Genève sy ny faritry Frantsa manodidina ho fanoroan-dalàna ireo zatovo miisa 30’000 38’477 izay hanatrika ny fihaonam-be Ekomenika Kristiana faha-30 karakarain’ny Taizé manomboka androany Zoma 28 Desambra 2007 eto Genève [30e Rencontre Européenne de Taizé à Genève].

Tany Plan-les-Ouates androany no nalaina ireo sary ireo, misy fiangonana roa Protestanta sy Katôlika izay elanelan’ny arabe fa miara-miasa akaiky kosa mba hampiantranoana ireo tanora miisa 450 zaran-tranon’ity faritra ity. Ny fiangonana Saint-Bernard izay mitondra ny laharana GC24 no hitantsika io ambony io.

Efa ela kosa no miraka toy izao ireo trano fiangonana maro mba hampahitsahivana ireo mponina eran’ny tanàna mba hisoratra anarana amin’ny fandraisam-bahiny. 450 ireo tanora zaran-tranon’ny faritra Plan-les-Ouates. Misy fianakaviana sasany mandray vahiny hatramin’ny tanora dimy, arakaraky ny halehiben’ny trano ihany.

Mba hahamora ny dian’ireto mpilasy dia miravaka sorabe toy ny hitantsika eo amin’ny sary io ambany io ny fiantsonan’ny fitateram-bahoaka, ankoatr’izay efa hitantsika amin’ny vavahadim-piangonana : mirary ‘tongasoa’ amin’ny fiteny maro. Efa vonona ny mpandray vahiny fa dia miandry sisa😉

Azonareo arahina amin’ny blaogy antàna-maro [collaboratif] ny fizotr’izany hetsika izany. Marihina fa azo alefa amin’ity adresy manaraka ity cequejecrois (amin’ny) taizegeneve.blog.tdg.ch.

[blog de taizé à Genève – taizegeneve.blog.tdg.ch>> | tout un chacun peut publier un billet sur ce blog. Soyez concis, pertinents, courtois et signez votre message. Il suffit de l’envoyer à cette adresse cequejecrois (at) taizegeneve.blog.tdg.ch]

[Eglise catholique romaine de Plan-les-Ouates – cath-ge.ch >>]

 

Un commentaire sur “Ny fiomanana | Taizé GC02 – GC24”

  1. […] no manodidina antsika arak’ity sary iray ity anefa fomba fijery roa samihafa [mpanokantena nanatrika ny fivoriambe Taizé teto Genève tamin’ny faran’ny taona]. Arak’ity tonom-bavaka […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :